Iloaran'i Imrana · 14/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
زُيِّنَ لِلنَّاسِ حُبُّ الشَّهَوَاتِ مِنَ النِّسَاءِ وَالْبَنِينَ وَالْقَنَاطِيرِ الْمُقَنطَرَةِ مِنَ الذَّهَبِ وَالْفِضَّةِ وَالْخَيْلِ الْمُسَوَّمَةِ وَالْأَنْعَامِ وَالْحَرْثِ ۗ ذَٰلِكَ مَتَاعُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَاللَّهُ عِندَهُ حُسْنُ الْمَآبِ ۝١٤
Zuyyina linnaasi hubbush shahawaati minannisaaa`i wal baneena walqanaateeril muqantarati minaz zahabi walfiddati walkhailil musawwamati wal an`aami walhars; zaalika mataa`ul hayaatid dunyaa wallaahu `indahoo husnul ma-aab
📖 Dikany Malagasy
Nohatsaraina ho an’ny Olombelona ny fitiavana ny zavatra izay ankafiziny : amin'ireo vehivavy, ireo zanaka, ny harena betsaka amin’ireo volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly. Izany rehetra izany dia fahafinaretan’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Ary eo anatrehan’i Allah no misy ny fiverenana tsara indrindra.
🎧 Henoy

📜 Andininy 12-16 — Iloaran'i Imrana

12قُل لِّلَّذِينَ كَفَرُوا سَتُغْلَبُونَ وَتُحْشَرُونَ إِلَىٰ جَهَنَّمَ ۚ وَبِئْسَ الْمِهَادُ
Teneno amin’ireo izay tsy nino hoe : “ Ho resy tsy ela ianareo, ary ho angonina ao anaty Afobe. Ary toerana ratsy tokoa izany!
13قَدْ كَانَ لَكُمْ آيَةٌ فِي فِئَتَيْنِ الْتَقَتَا ۖ فِئَةٌ تُقَاتِلُ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَأُخْرَىٰ كَافِرَةٌ يَرَوْنَهُم مِّثْلَيْهِمْ رَأْيَ الْعَيْنِ ۚ وَاللَّهُ يُؤَيِّدُ بِنَصْرِهِ مَن يَشَاءُ ۗ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبْرَةً لِّأُولِي الْأَبْصَارِ
Efa nisy famantarana ho Anareo tamin'ireo andian’Olona roa nifanandrina: ny andiany iray dia niady amin’ny làlan’i Allah, ary ny andiany iray hafa kosa dia tsy mpino. Ireto farany dia nahita maso ireo mpino indroa amin’ny isan’izy ireo. Ary Allah dia manohana amin’ny alalan’ny fanampiany izay sitrany. Tena marina fa, ao anatin’izany dia misy lesona ho an’ireo manana fahiratan-tsaina.
14زُيِّنَ لِلنَّاسِ حُبُّ الشَّهَوَاتِ مِنَ النِّسَاءِ وَالْبَنِينَ وَالْقَنَاطِيرِ الْمُقَنطَرَةِ مِنَ الذَّهَبِ وَالْفِضَّةِ وَالْخَيْلِ الْمُسَوَّمَةِ وَالْأَنْعَامِ وَالْحَرْثِ ۗ ذَٰلِكَ مَتَاعُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَاللَّهُ عِندَهُ حُسْنُ الْمَآبِ
Nohatsaraina ho an’ny Olombelona ny fitiavana ny zavatra izay ankafiziny : amin'ireo vehivavy, ireo zanaka, ny harena betsaka amin’ireo volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly. Izany rehetra izany dia fahafinaretan’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Ary eo anatrehan’i Allah no misy ny fiverenana tsara indrindra.
15۞ قُلْ أَؤُنَبِّئُكُم بِخَيْرٍ مِّن ذَٰلِكُمْ ۚ لِلَّذِينَ اتَّقَوْا عِندَ رَبِّهِمْ جَنَّاتٌ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا وَأَزْوَاجٌ مُّطَهَّرَةٌ وَرِضْوَانٌ مِّنَ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ بَصِيرٌ بِالْعِبَادِ
Teneno hoe : “ Atoroko Anareo ve ny tsara mihoatra izany ? Ho an’ireo izay manam-patahorana, eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, dia zaridaina izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, sy vady maro izay voadio, ary koa ny fankatoavana avy amin’i Allah ”. Ary i Allah dia Mahita ny amin’ny antsipiriany ny momba ireo mpanompony.
16الَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا إِنَّنَا آمَنَّا فَاغْفِرْ لَنَا ذُنُوبَنَا وَقِنَا عَذَابَ النَّارِ
Ireo izay miteny hoe : " Ry Tomponay ô ! Tena marina fa mino izahay, avelao ny fahotanay, ary arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay ”.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
14Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 14

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 14 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nohatsaraina ho an’ny Olombelona ny fitiavana ny zavatra izay ankafiziny…

Surah Andininy 14/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 12–16. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers