Al-An'am · 145/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
قُل لَّا أَجِدُ فِي مَا أُوحِيَ إِلَيَّ مُحَرَّمًا عَلَىٰ طَاعِمٍ يَطْعَمُهُ إِلَّا أَن يَكُونَ مَيْتَةً أَوْ دَمًا مَّسْفُوحًا أَوْ لَحْمَ خِنزِيرٍ فَإِنَّهُ رِجْسٌ أَوْ فِسْقًا أُهِلَّ لِغَيْرِ اللَّهِ بِهِ ۚ فَمَنِ اضْطُرَّ غَيْرَ بَاغٍ وَلَا عَادٍ فَإِنَّ رَبَّكَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝١٤٥
Qul laaa ajidu fee maaa oohiya ilaiya muharraman `alaa taa`iminy yat`amuhooo illaaa ai yakoona maitatan aw damam masfoohan aw lahma khinzeerin fa innahoo rijsun aw fisqan uhilla lighairil laahi bih; famanid turra ghaira baa ghinw wa laa `aadin fa inna Rabbaka Ghafoorur Raheem
📖 Dikany Malagasy
Teneno hoe : “Tsy mahita zava-boarara amin’izay fanambarana nalefa tamiko aho, ho an’ny mpihinana izay mihinana amin’izany afa-tsy ny biby maty ho azy, na ny rà izay raraka, na ny henan-kisoa. Tena marina fa izany dia maloto, na izay natao sorona tamin’ny hafa ankoatr’I Allah”. N'iza n'iza tratran’ny tsy azo anoharana, nefa tsy mihoam-pefy ary tsy mandika lalàna, marina fa ny Tomponao dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 143-147 — Al-An'am

143ثَمَانِيَةَ أَزْوَاجٍ ۖ مِّنَ الضَّأْنِ اثْنَيْنِ وَمِنَ الْمَعْزِ اثْنَيْنِ ۗ قُلْ آلذَّكَرَيْنِ حَرَّمَ أَمِ الْأُنثَيَيْنِ أَمَّا اشْتَمَلَتْ عَلَيْهِ أَرْحَامُ الْأُنثَيَيْنِ ۖ نَبِّئُونِي بِعِلْمٍ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Valo ka mandeha tsiroadroa (lahy sy vavy). Roa avy amin’ny karazan’ondry, ary roa avy amin’ny karazan’osy.Teneno hoe : “Moa ve ny lahy roa no norarany sa ny vavy roa. Na koa izay ao anaty kibon’ny vavy roa ? Lazanareo ahy amin’ny alalan’ny fahalalana voaporofo izany, raha marina ny anareo.
144وَمِنَ الْإِبِلِ اثْنَيْنِ وَمِنَ الْبَقَرِ اثْنَيْنِ ۗ قُلْ آلذَّكَرَيْنِ حَرَّمَ أَمِ الْأُنثَيَيْنِ أَمَّا اشْتَمَلَتْ عَلَيْهِ أَرْحَامُ الْأُنثَيَيْنِ ۖ أَمْ كُنتُمْ شُهَدَاءَ إِذْ وَصَّاكُمُ اللَّهُ بِهَٰذَا ۚ فَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا لِّيُضِلَّ النَّاسَ بِغَيْرِ عِلْمٍ ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ
Fa roa avy amin’ny rameva, ary roa koa avy amin’ny omby.Teneno hoe : “Moa ve ny lahy roa no norarany sa ny vavy roa, na koa izay ao anaty kibon’ny vavy roa ?Na koa vavolombelona ve ianareo rehefa nandidy anareo amin’izany I Allah ?” Iza àry no manao ny tsy rariny mihoatra izay namoron-dainga mahakasika an'I Allah mba hamerezany tsy amim-pahalalana ny olombelona ? Tena marina, fa Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
145قُل لَّا أَجِدُ فِي مَا أُوحِيَ إِلَيَّ مُحَرَّمًا عَلَىٰ طَاعِمٍ يَطْعَمُهُ إِلَّا أَن يَكُونَ مَيْتَةً أَوْ دَمًا مَّسْفُوحًا أَوْ لَحْمَ خِنزِيرٍ فَإِنَّهُ رِجْسٌ أَوْ فِسْقًا أُهِلَّ لِغَيْرِ اللَّهِ بِهِ ۚ فَمَنِ اضْطُرَّ غَيْرَ بَاغٍ وَلَا عَادٍ فَإِنَّ رَبَّكَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Teneno hoe : “Tsy mahita zava-boarara amin’izay fanambarana nalefa tamiko aho, ho an’ny mpihinana izay mihinana amin’izany afa-tsy ny biby maty ho azy, na ny rà izay raraka, na ny henan-kisoa. Tena marina fa izany dia maloto, na izay natao sorona tamin’ny hafa ankoatr’I Allah”. N'iza n'iza tratran’ny tsy azo anoharana, nefa tsy mihoam-pefy ary tsy mandika lalàna, marina fa ny Tomponao dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
146وَعَلَى الَّذِينَ هَادُوا حَرَّمْنَا كُلَّ ذِي ظُفُرٍ ۖ وَمِنَ الْبَقَرِ وَالْغَنَمِ حَرَّمْنَا عَلَيْهِمْ شُحُومَهُمَا إِلَّا مَا حَمَلَتْ ظُهُورُهُمَا أَوِ الْحَوَايَا أَوْ مَا اخْتَلَطَ بِعَظْمٍ ۚ ذَٰلِكَ جَزَيْنَاهُم بِبَغْيِهِمْ ۖ وَإِنَّا لَصَادِقُونَ
Ho an’ireo Jiosy, noraranay ny biby tsy mivaky kitro rehetra, ary avy amin’ny omby sy ny ondry kosa dia noraranay amin’izy ireo ny tavin’izy roa, afa-tsy izay entin’ny lamosin’izy roa na ny taovany na izay mifangaro amin’ny taolany. Tahaka izany no nanasazianay azy ireo nohon'ny fihoaram-pefiny. Ary Izahay dia tena marina (amin’izay voalazanay).
147فَإِن كَذَّبُوكَ فَقُل رَّبُّكُمْ ذُو رَحْمَةٍ وَاسِعَةٍ وَلَا يُرَدُّ بَأْسُهُ عَنِ الْقَوْمِ الْمُجْرِمِينَ
Ary raha nampandainga Anao izy ireo, dia teneno hoe : “Ny Tomponareo dia manana indrafo be dia be kanefa tsy ho voasakana ny hatezerany amin’ireo vahoaka mpanao heloka bevava.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
145Andininy

Fandikana — Al-An'am 145

Surah Al-An'am Andininy 145 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Teneno hoe : “Tsy mahita zava-boarara amin’izay fanambarana nalefa tamiko…

Surah Andininy 145/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 143–147. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers