At-Tawbah · 46/129
Fandikana Fanononana — At-Tawbah
۞ وَلَوْ أَرَادُوا الْخُرُوجَ لَأَعَدُّوا لَهُ عُدَّةً وَلَٰكِن كَرِهَ اللَّهُ انبِعَاثَهُمْ فَثَبَّطَهُمْ وَقِيلَ اقْعُدُوا مَعَ الْقَاعِدِينَ ۝٤٦
Wa law araadul khurooja la-`addoo lahoo `uddatanw wa laakin karihal laahum bi`aasahum fasabbatahum wa qeelaq `udoo ma`al qaa`ideen
📖 Dikany Malagasy
Ary raha tian’izy ireo marina ny mivoaka miady dia efa niomana tokoa izy ireo, nefa tsy nankasitrahan’i Allah ny fandehanan’izy ireo, ka nataony kamo izy ireo, ary nisy niteny tamin’izy ireo nanao hoe : " Mijanonà àry Ianareo miaraka amin’ireo mpijanona."
🎧 Henoy

📜 Andininy 44-48 — At-Tawbah

44لَا يَسْتَأْذِنُكَ الَّذِينَ يُؤْمِنُونَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ أَن يُجَاهِدُوا بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ بِالْمُتَّقِينَ
Tsy hangataka alàlana Aminao ireo izay mino an’i Allah sy ny Andro farany amin’ny fivoahana miady amin’ny làlan’i Allah miaraka amin’ny fananany sy ny tenan'izy ireo. Ary i Allah dia mahalala tokoa izay tena manam-patahorana.
45إِنَّمَا يَسْتَأْذِنُكَ الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ وَارْتَابَتْ قُلُوبُهُمْ فَهُمْ فِي رَيْبِهِمْ يَتَرَدَّدُونَ
Fa hangataka alàlana Aminao kosa ireo tsy mino an’i Allah sy ny andro farany, sady feno fisalasalana ny fon’izy ireo, ka mihambahamba noho izany, ao anaty fisalasalana izy ireo.
46۞ وَلَوْ أَرَادُوا الْخُرُوجَ لَأَعَدُّوا لَهُ عُدَّةً وَلَٰكِن كَرِهَ اللَّهُ انبِعَاثَهُمْ فَثَبَّطَهُمْ وَقِيلَ اقْعُدُوا مَعَ الْقَاعِدِينَ
Ary raha tian’izy ireo marina ny mivoaka miady dia efa niomana tokoa izy ireo, nefa tsy nankasitrahan’i Allah ny fandehanan’izy ireo, ka nataony kamo izy ireo, ary nisy niteny tamin’izy ireo nanao hoe : " Mijanonà àry Ianareo miaraka amin’ireo mpijanona."
47لَوْ خَرَجُوا فِيكُم مَّا زَادُوكُمْ إِلَّا خَبَالًا وَلَأَوْضَعُوا خِلَالَكُمْ يَبْغُونَكُمُ الْفِتْنَةَ وَفِيكُمْ سَمَّاعُونَ لَهُمْ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ بِالظَّالِمِينَ
Raha niaraka nivoaka taminareo izy ireo, dia tsy ho nanao afa-tsy ny nampitombo tebiteby taminareo sy nandrava ny laharanareo, nikatsaka fisaraham-bazana teo Aminareo. Ary nisy taminareo no nihaino azy ireo. Ary i Allah dia mahalala ireo izay mpanao ny tsy rariny.
48لَقَدِ ابْتَغَوُا الْفِتْنَةَ مِن قَبْلُ وَقَلَّبُوا لَكَ الْأُمُورَ حَتَّىٰ جَاءَ الْحَقُّ وَظَهَرَ أَمْرُ اللَّهِ وَهُمْ كَارِهُونَ
Ary efa nikatsaka nanao asa fanakorontanana izy ireo teo aloha ka nasavoritak’izy ireo ny raharaha rehetra Nataonao mandra-pahatongan’ny fahamarinana ka nampiharihary ny didin’i Allah, na dia nankahala izany aza izy ireo.
At-TawbahFizahan-takila Koraña
129Andininy
MedinanRevelation
46Andininy

Fandikana — At-Tawbah 46

Surah At-Tawbah Andininy 46 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha tian’izy ireo marina ny mivoaka miady dia efa…

Surah Andininy 46/129 — At-Tawbah التوبة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: At-Tawbah Henoy, At-Tawbah Fandikana, At-Tawbah mp3, At-Tawbah pdf. Andininy 44–48. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers