Surah Al-Balad amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Balad miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (20 Andininy — مكية). Al-Balad Henoy, Al-Balad Fandikana, Al-Balad mp3, Al-Balad pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Balad

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
لَا أُقْسِمُ بِهَٰذَا الْبَلَدِ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Tsia!Mianiana amin'ity tanana ity Aho.
وَأَنتَ حِلٌّ بِهَٰذَا الْبَلَدِ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
sy ianao io izay monina amin'ity tanàna ity !
وَوَالِدٍ وَمَا وَلَدَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ary amin'ny ray sy ny naterany !
لَقَدْ خَلَقْنَا الْإِنسَانَ فِي كَبَدٍ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Efa nohariako ho amin'ny tolona ny olombelona.
أَيَحْسَبُ أَن لَّن يَقْدِرَ عَلَيْهِ أَحَدٌ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Koa moa va izy ireo mihevitra fa tsy hisy hanohitra azy ireo na oviana na oviana ?
يَقُولُ أَهْلَكْتُ مَالًا لُّبَدًا ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary hiteny hoe : "nandanindany harena maro aho ! Nandany tsy amin'ny antony."
أَيَحْسَبُ أَن لَّمْ يَرَهُ أَحَدٌ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Moa ve mihevitra koa izy fa tsy misy manara-maso ?
أَلَمْ نَجْعَل لَّهُ عَيْنَيْنِ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Moa va tsy nohariako ho azy ireo ny masony roa ?
وَلِسَانًا وَشَفَتَيْنِ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Ny lelany sy ny molony roa ?
وَهَدَيْنَاهُ النَّجْدَيْنِ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Ary efa nampahafantariko azy ireo ny lalana roa.
فَلَا اقْتَحَمَ الْعَقَبَةَ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
kanefa tsy niady tamin'ny lalan'ny fahasarotana izy.
وَمَا أَدْرَاكَ مَا الْعَقَبَةُ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Moa va fantatrao izany lalan'ny fahasarotana izany ?
فَكُّ رَقَبَةٍ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Dia ny famotsorana mpifatotra nandevozina,
أَوْ إِطْعَامٌ فِي يَوْمٍ ذِي مَسْغَبَةٍ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Na fampihinanana amin'ny andron'ny mosary.
يَتِيمًا ذَا مَقْرَبَةٍ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
ny havana kamboty
أَوْ مِسْكِينًا ذَا مَتْرَبَةٍ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
na ny mahantra mitrongy vao homana,
ثُمَّ كَانَ مِنَ الَّذِينَ آمَنُوا وَتَوَاصَوْا بِالصَّبْرِ وَتَوَاصَوْا بِالْمَرْحَمَةِ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Ary dia mba ho anisan'ireo mpino sy mpampirisika amin'ny faharetana sy ny fifampiantrana,
أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْمَيْمَنَةِ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Izy ireo no olon'ny ankavanana.
وَالَّذِينَ كَفَرُوا بِآيَاتِنَا هُمْ أَصْحَابُ الْمَشْأَمَةِ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Ary ireo izay tsy nino ny faminaniako kosa dia izy ireo no olon'ny afo be ankavia,
عَلَيْهِمْ نَارٌ مُّؤْصَدَةٌ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ka hanepotra azy ireo ny afo.
← 89 Al-Balad (90/114) 91 →
Vakio Surah Al-Balad Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

90البلد Al-Balad 📚 20 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Balad — 20 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers