Surah Ash-Shams amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Ash-Shams miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (15 Andininy — مكية). Ash-Shams Henoy, Ash-Shams Fandikana, Ash-Shams mp3, Ash-Shams pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Ash-Shams

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
وَالشَّمْسِ وَضُحَاهَا ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Mianiana Aho amin'ny masoandro sy ny fisandratany.
وَالْقَمَرِ إِذَا تَلَاهَا ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Sy amin'ny volana rehefa nandimby ny masoandro Izy.
وَالنَّهَارِ إِذَا جَلَّاهَا ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Sy amin'ny andro rehefa mibaliaka ny masoandro,
وَاللَّيْلِ إِذَا يَغْشَاهَا ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra ny andro izy,
وَالسَّمَاءِ وَمَا بَنَاهَا ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Sy amin'ny lanitra sy izay nahariana azy,
وَالْأَرْضِ وَمَا طَحَاهَا ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Sy amin'ny tany sy izay nampitoviana aminy tamin'ny namelarana azy.
وَنَفْسٍ وَمَا سَوَّاهَا ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Sy amin'ny fanahy sy izay nandavorariany azy.
فَأَلْهَمَهَا فُجُورَهَا وَتَقْوَاهَا ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Izay nampahafantatra azy ny fitondran-tena ratsy sy ny fahaizana mitandrina.
قَدْ أَفْلَحَ مَن زَكَّاهَا ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Sambatra tokoa izay nanadio ny fanahiny,
وَقَدْ خَابَ مَن دَسَّاهَا ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Ary tena maty antoka izay nandoto ny azy.
كَذَّبَتْ ثَمُودُ بِطَغْوَاهَا ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Nandà tamin'ny alalan'ny fihoaram-pefy ireo vahoaka Thamodo.
إِذِ انبَعَثَ أَشْقَاهَا ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Rehefa nitsangana ilay mahantra indrindra tamin'izy ireo mba hamono ilay rameva.
فَقَالَ لَهُمْ رَسُولُ اللَّهِ نَاقَةَ اللَّهِ وَسُقْيَاهَا ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ka niteny tamin'izy ireo ny irak'I Allah hoe : " tandremo fa ramevan'i Tompo Allah io ! Avelao izy hisotro rano."
فَكَذَّبُوهُ فَعَقَرُوهَا فَدَمْدَمَ عَلَيْهِمْ رَبُّهُم بِذَنبِهِمْ فَسَوَّاهَا ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Kanefa tsy nino izy ireo ary dia novonoiny ilay rameva. Ary nanafay azy rehetra noho izany ny Tompony, vokatry ny tsy fatahoran'izy ireo.
وَلَا يَخَافُ عُقْبَاهَا ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Tsy nanan-tahotra na dia kely ny amin'ny mety ho vokatr'izany velively i Tompo Allah,
← 90 Ash-Shams (91/114) 92 →
Vakio Surah Ash-Shams Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

91الشمس Ash-Shams 📚 15 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Ash-Shams — 15 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers