Surah Al-Balad pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Balad pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Balad Fandikana. Surah Al-Balad (Meccan) 20 Andininy.
Related
- Surah Al-Balad FandikanaMalagasy
- Surah Al-Balad mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Balad

ﭽﭾﭿﮀﮁ
90:1
Tsia!Mianiana amin'ity tanana ity Aho.
ﮂﮃﮄﮅﮆ
90:2
sy ianao io izay monina amin'ity tanàna ity !
ﮇﮈﮉﮊ
90:3
Ary amin'ny ray sy ny naterany !
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
90:4
Efa nohariako ho amin'ny tolona ny olombelona.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
90:5
Koa moa va izy ireo mihevitra fa tsy hisy hanohitra azy ireo na oviana na oviana ?
ﮘﮙﮚﮛﮜ
90:6
Ary hiteny hoe : "nandanindany harena maro aho ! Nandany tsy amin'ny antony."
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
90:7
Moa ve mihevitra koa izy fa tsy misy manara-maso ?
ﮣﮤﮥﮦﮧ
90:8
Moa va tsy nohariako ho azy ireo ny masony roa ?
ﮨﮩﮪ
90:9
Ny lelany sy ny molony roa ?
ﮫﮬﮭ
90:10
Ary efa nampahafantariko azy ireo ny lalana roa.
ﮮﮯﮰﮱ
90:11
kanefa tsy niady tamin'ny lalan'ny fahasarotana izy.
ﯓﯔﯕﯖﯗ
90:12
Moa va fantatrao izany lalan'ny fahasarotana izany ?
ﯘﯙﯚ
90:13
Dia ny famotsorana mpifatotra nandevozina,
ﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
90:14
Na fampihinanana amin'ny andron'ny mosary.
ﯢﯣﯤﯥ
90:15
ny havana kamboty
ﯦﯧﯨﯩﯪ
90:16
na ny mahantra mitrongy vao homana,
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
90:17
Ary dia mba ho anisan'ireo mpino sy mpampirisika amin'ny faharetana sy ny fifampiantrana,
ﯵﯶﯷﯸ
90:18
Izy ireo no olon'ny ankavanana.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
90:19
Ary ireo izay tsy nino ny faminaniako kosa dia izy ireo no olon'ny afo be ankavia,
ﭘﭙﭚﭛ
90:20
Ka hanepotra azy ireo ny afo.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







