11 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭴﭵ
101:1 Ilay mikotrokotroka !
ﭶﭷﭸ
101:2 Inona moa ilay mikotrokotroka ?
ﭹﭺﭻﭼﭽ
101:3 Moa fantatrao va ilay mikotrokotroka ?
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
101:4 Dia ilay andro hahatonga ny olona ho toin'ny lolo mielim-patrana.
ﮄﮅﮆﮇﮈ
101:5 Sy ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.
ﮉﮊﮋﮌﮍ
101:6 Ka ho an'izay mavesa-danja ny asa soa vitany.
ﮎﮏﮐﮑﮒ
101:7 Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy ireo !
ﮓﮔﮕﮖﮗ
101:8 Fa ho an'izay maivan-danja kosa ny asa soa vitany.
ﮘﮙﮚ
101:9 Ny lavaka mangitsongitsoka no fonenan'izy ireo.
ﮛﮜﮝﮞﮟ
101:10 Moa va fantatrao izany lavaka mangitsokitsoka izany ?
ﮠﮡﮢ
101:11 Afo mivaivay izay tsy izy.

Koraña Masina


Tuesday, September 29, 2026

Don't forget us in your sincere prayers