Yunosy · 24/109
Fandikana Fanononana — Yunosy
إِنَّمَا مَثَلُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا كَمَاءٍ أَنزَلْنَاهُ مِنَ السَّمَاءِ فَاخْتَلَطَ بِهِ نَبَاتُ الْأَرْضِ مِمَّا يَأْكُلُ النَّاسُ وَالْأَنْعَامُ حَتَّىٰ إِذَا أَخَذَتِ الْأَرْضُ زُخْرُفَهَا وَازَّيَّنَتْ وَظَنَّ أَهْلُهَا أَنَّهُمْ قَادِرُونَ عَلَيْهَا أَتَاهَا أَمْرُنَا لَيْلًا أَوْ نَهَارًا فَجَعَلْنَاهَا حَصِيدًا كَأَن لَّمْ تَغْنَ بِالْأَمْسِ ۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ ۝٢٤
Innamaa masalul hayaatid dunyaa kammaaa`in anzalnaahu minas sammaaa`i fakhtalata bihee nabaatul ardi mimmaa yaakulun naasu wal an`aam; hattaaa izaaa akhazatil ardu zukhrufahaa wazziyanat wa zanna ahluhaaa annahum qaadiroona `alaihaaa ataahaaa amrunaa lailan aw nahaaran faja`alnaahaa haseedan ka allam taghna bil-ams; kazaalika nufassilul aayaati liqawminy yatafakkaroon
📖 Dikany Malagasy
Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy ny rano, izay nampidininay avy any an-danitra ka mifangaro taminy ny zava-manirin’ny tany izay ho hanin’ny Olombelona sy ny biby. Ka rehefa namoaka ny haingony ny tany sy nihatsara, dia nihevitra ny mponina ao Aminy fa eo ambanin’ny fiadidiany tanteraka izany. Dia tonga taminy (tany) ny didinay andro aman’alina, ka nataonay tany voanjinja izany, tahaka ny tany tsy nisy vokatra mihitsy omaly. Tahak’izany no hanazavanay antsipiriany ho an’ny vahoaka manam-pahalalana ireo fanambaranay.
🎧 Henoy

📜 Andininy 22-26 — Yunosy

22هُوَ الَّذِي يُسَيِّرُكُمْ فِي الْبَرِّ وَالْبَحْرِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا كُنتُمْ فِي الْفُلْكِ وَجَرَيْنَ بِهِم بِرِيحٍ طَيِّبَةٍ وَفَرِحُوا بِهَا جَاءَتْهَا رِيحٌ عَاصِفٌ وَجَاءَهُمُ الْمَوْجُ مِن كُلِّ مَكَانٍ وَظَنُّوا أَنَّهُمْ أُحِيطَ بِهِمْ ۙ دَعَوُا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ لَئِنْ أَنجَيْتَنَا مِنْ هَٰذِهِ لَنَكُونَنَّ مِنَ الشَّاكِرِينَ
Izy no mampandeha Anareo eto an-tany sy eny ambonin-dranomasina, ka rehefa ao anaty sambo mitondra Olona Ianareo, izay misosa nohon'ny rivotra tsara dia faly amin’izany izy ireo. Dia tonga tampoka tamin’izy ireo ny rivo-mahery ary tonga tamin’izy ireo ihany koa ny onja avy amin’ny lafiny rehetra, dia nihevitra izy ireo fa voadidin’ny loza ka nitalaho tamin’i Allah izy ireo tamim-pinoana Azy tanteraka (no sady niteny hoe) : " Raha avotanao amin’izao izahay dia anisan’ireo mpankasitraka Anao.”
23فَلَمَّا أَنجَاهُمْ إِذَا هُمْ يَبْغُونَ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ ۗ يَا أَيُّهَا النَّاسُ إِنَّمَا بَغْيُكُمْ عَلَىٰ أَنفُسِكُم ۖ مَّتَاعَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ ثُمَّ إِلَيْنَا مَرْجِعُكُمْ فَنُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ
Nony novonjeny anefa izy ireo, dia indro, teny an-tanety fa nandika tsy ara-drariny ny lalàna. “Ry olombelona! Tsy hiantefa afa-tsy aminareo ihany ny fandikanareo lalàna, fa fahafinaretana mandalo amin’izao fiainana izao izany. Avy eo, dia any Aminay no fiverenanareo, ka ampahatsiarovinay anareo izay nataonareo.
24إِنَّمَا مَثَلُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا كَمَاءٍ أَنزَلْنَاهُ مِنَ السَّمَاءِ فَاخْتَلَطَ بِهِ نَبَاتُ الْأَرْضِ مِمَّا يَأْكُلُ النَّاسُ وَالْأَنْعَامُ حَتَّىٰ إِذَا أَخَذَتِ الْأَرْضُ زُخْرُفَهَا وَازَّيَّنَتْ وَظَنَّ أَهْلُهَا أَنَّهُمْ قَادِرُونَ عَلَيْهَا أَتَاهَا أَمْرُنَا لَيْلًا أَوْ نَهَارًا فَجَعَلْنَاهَا حَصِيدًا كَأَن لَّمْ تَغْنَ بِالْأَمْسِ ۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ
Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy ny rano, izay nampidininay avy any an-danitra ka mifangaro taminy ny zava-manirin’ny tany izay ho hanin’ny Olombelona sy ny biby. Ka rehefa namoaka ny haingony ny tany sy nihatsara, dia nihevitra ny mponina ao Aminy fa eo ambanin’ny fiadidiany tanteraka izany. Dia tonga taminy (tany) ny didinay andro aman’alina, ka nataonay tany voanjinja izany, tahaka ny tany tsy nisy vokatra mihitsy omaly. Tahak’izany no hanazavanay antsipiriany ho an’ny vahoaka manam-pahalalana ireo fanambaranay.
25وَاللَّهُ يَدْعُو إِلَىٰ دَارِ السَّلَامِ وَيَهْدِي مَن يَشَاءُ إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Ary i Allah dia miantso mankany amin’ny fonenana feno fiadanana ary mitari-dàlana izay sitrany ho amin’ny làla-mahitsy.
26۞ لِّلَّذِينَ أَحْسَنُوا الْحُسْنَىٰ وَزِيَادَةٌ ۖ وَلَا يَرْهَقُ وُجُوهَهُمْ قَتَرٌ وَلَا ذِلَّةٌ ۚ أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَنَّةِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny valisoa mendrika indrindra ary mihoatra izany aza.Tsy handrakotra ny tarehin’izy ireo na ny vovoka na ny fahafaham-baraka. Izy ireny no Olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
YunosyFizahan-takila Koraña
109Andininy
MeccanRevelation
24Andininy

Fandikana — Yunosy 24

Surah Yunosy Andininy 24 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy…

Surah Andininy 24/109 — Yunosy يونس (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Yunosy Henoy, Yunosy Fandikana, Yunosy mp3, Yunosy pdf. Andininy 22–26. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers