Ar-Ra'd · 12/43
Fandikana Fanononana — Ar-Ra'd
هُوَ الَّذِي يُرِيكُمُ الْبَرْقَ خَوْفًا وَطَمَعًا وَيُنشِئُ السَّحَابَ الثِّقَالَ ۝١٢
Huwal lazee yureekumul barqa khawfanw wa tama`anw wa yunshi`us sahaabas siqaal
📖 Dikany Malagasy
Izy no mampahita Anareo ny tselatra : (izay miteraka aminareo) ny tahotra sy ny fanantenana. Ary Izy ihany koa no mamorona ny rahona mavesatra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 10-14 — Ar-Ra'd

10سَوَاءٌ مِّنكُم مَّنْ أَسَرَّ الْقَوْلَ وَمَن جَهَرَ بِهِ وَمَنْ هُوَ مُسْتَخْفٍ بِاللَّيْلِ وَسَارِبٌ بِالنَّهَارِ
Mitovy ihany (eo Aminy), Aminareo : izay manafina ny teniny na izay mampiely ankarihary, na izay miafina amin’ny alina na izay miseho mazava amin’ny antoandro.
11لَهُ مُعَقِّبَاتٌ مِّن بَيْنِ يَدَيْهِ وَمِنْ خَلْفِهِ يَحْفَظُونَهُ مِنْ أَمْرِ اللَّهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يُغَيِّرُ مَا بِقَوْمٍ حَتَّىٰ يُغَيِّرُوا مَا بِأَنفُسِهِمْ ۗ وَإِذَا أَرَادَ اللَّهُ بِقَوْمٍ سُوءًا فَلَا مَرَدَّ لَهُ ۚ وَمَا لَهُم مِّن دُونِهِ مِن وَالٍ
Izy (olombelona ) dia manana eo alohany sy aoriany (ireo Anjely) izay miaro sy manara-maso Azy araka ny didin’i Allah. Tena marina, fa i Allah dia tsy manova velively izay misy amin’ny vahoaka iray raha tsy efa izy ireo no (miezaka) manova izay misy eo amin’izy ireo. Ary raha te hanao ratsy amin’ny vahoaka iray Izy, dia tsy misy mahasakana Azy, fa tsy manana mpiaro ankoatra Azy izy ireo.
12هُوَ الَّذِي يُرِيكُمُ الْبَرْقَ خَوْفًا وَطَمَعًا وَيُنشِئُ السَّحَابَ الثِّقَالَ
Izy no mampahita Anareo ny tselatra : (izay miteraka aminareo) ny tahotra sy ny fanantenana. Ary Izy ihany koa no mamorona ny rahona mavesatra.
13وَيُسَبِّحُ الرَّعْدُ بِحَمْدِهِ وَالْمَلَائِكَةُ مِنْ خِيفَتِهِ وَيُرْسِلُ الصَّوَاعِقَ فَيُصِيبُ بِهَا مَن يَشَاءُ وَهُمْ يُجَادِلُونَ فِي اللَّهِ وَهُوَ شَدِيدُ الْمِحَالِ
Manome voninahitra Azy amin’ny fiderana ny kotro-baratra ary koa ireo Anjely, nohon'ny fatahorana Azy. Ary alefany namely ireo izay sitrany ny varatra. Nefa izy ireo dia miady hevitra momban’i Allah, ka nefa Izy dia mampatahotra nohon’ny heriny.
14لَهُ دَعْوَةُ الْحَقِّ ۖ وَالَّذِينَ يَدْعُونَ مِن دُونِهِ لَا يَسْتَجِيبُونَ لَهُم بِشَيْءٍ إِلَّا كَبَاسِطِ كَفَّيْهِ إِلَى الْمَاءِ لِيَبْلُغَ فَاهُ وَمَا هُوَ بِبَالِغِهِ ۚ وَمَا دُعَاءُ الْكَافِرِينَ إِلَّا فِي ضَلَالٍ
Any Aminy no hanolorana ny tena fangatahana marina ! Ary ireo izay mitalaho ankoatra Azy dia tsy hamaly azy ireo velively izy ireo, mitovy amin’izay mitsotra ny tànany anakiroa ao anaty rano mba hitondra izany any am-bavany, kanefa tsy nahazo na inona na inona mihitsy. Ny fitalahoan’ireo tsy mpino dia very maina.
Ar-Ra'dFizahan-takila Koraña
43Andininy
MedinanRevelation
12Andininy

Fandikana — Ar-Ra'd 12

Surah Ar-Ra'd Andininy 12 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izy no mampahita Anareo ny tselatra : (izay miteraka aminareo)…

Surah Andininy 12/43 — Ar-Ra'd الرعد (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ar-Ra'd Henoy, Ar-Ra'd Fandikana, Ar-Ra'd mp3, Ar-Ra'd pdf. Andininy 10–14. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers