Ar-Ra'd · 34/43
Fandikana Fanononana — Ar-Ra'd
لَّهُمْ عَذَابٌ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَلَعَذَابُ الْآخِرَةِ أَشَقُّ ۖ وَمَا لَهُم مِّنَ اللَّهِ مِن وَاقٍ ۝٣٤
Lahum `azaabun fil hayaatid dunyaa wa la`azaabul Aakhirati ashaaq, wa maa lahum minal laahi min-waaq
📖 Dikany Malagasy
Ho azy ireo ny sazy mahery vaika eto ambonin’ny tany. Ary ny famaizana any an-koatra dia tena mafy kokoa ary tsy hanana mpiaro Azy amin’i Allah izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 32-36 — Ar-Ra'd

32وَلَقَدِ اسْتُهْزِئَ بِرُسُلٍ مِّن قَبْلِكَ فَأَمْلَيْتُ لِلَّذِينَ كَفَرُوا ثُمَّ أَخَذْتُهُمْ ۖ فَكَيْفَ كَانَ عِقَابِ
Marina fa notebatebahana ireo Iraka teo alohanao. Ary nomeko fe-potoana ireo izay tsy nino. Avy eo, dia noraisiko izy ireo. Dia tahaka ny ahoana ny fanasaziako !
33أَفَمَنْ هُوَ قَائِمٌ عَلَىٰ كُلِّ نَفْسٍ بِمَا كَسَبَتْ ۗ وَجَعَلُوا لِلَّهِ شُرَكَاءَ قُلْ سَمُّوهُمْ ۚ أَمْ تُنَبِّئُونَهُ بِمَا لَا يَعْلَمُ فِي الْأَرْضِ أَم بِظَاهِرٍ مِّنَ الْقَوْلِ ۗ بَلْ زُيِّنَ لِلَّذِينَ كَفَرُوا مَكْرُهُمْ وَصُدُّوا عَنِ السَّبِيلِ ۗ وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَمَا لَهُ مِنْ هَادٍ
Moa ve ilay mitsangana manara-maso ny azon’ny tsirairay (dia mitovy amin’ireo sampy) ?... Nefa izy ireny dia mbola mampikambana an’i Allah amin’ny hafa. Koa lazao azy ireo hoe : “ Omenareo ny anaran’izy ireo ! sa te hampianatra Azy izay tsy fantany ety ambonin’ny tany va Ianareo ? Na fomba fiteny fotsiny ve izany ? ” Tsy izany anefa : Nohatsaraina tamin’ireo tsy mpino ny teti-dratsin’izy ireo, ka nosakanana izy ireo mba tsy hanaraka ny làla-mahitsy. N'iza n'iza avelan’i Allah ho diso làlana dia tsy manana n'iza n'iza intsony hitari-dàlana Azy.
34لَّهُمْ عَذَابٌ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَلَعَذَابُ الْآخِرَةِ أَشَقُّ ۖ وَمَا لَهُم مِّنَ اللَّهِ مِن وَاقٍ
Ho azy ireo ny sazy mahery vaika eto ambonin’ny tany. Ary ny famaizana any an-koatra dia tena mafy kokoa ary tsy hanana mpiaro Azy amin’i Allah izy ireo.
35۞ مَّثَلُ الْجَنَّةِ الَّتِي وُعِدَ الْمُتَّقُونَ ۖ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ ۖ أُكُلُهَا دَائِمٌ وَظِلُّهَا ۚ تِلْكَ عُقْبَى الَّذِينَ اتَّقَوا ۖ وَّعُقْبَى الْكَافِرِينَ النَّارُ
Toy izany ilay paradisa izay nampanantenaina an’ireo manam-patahorana, ary misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ny voankazony dia maharitra mandrakizay, ary tahaka izany koa ny alokalony. Tahaka izany no fiafaran’ireo izay manam-patahorana, fa ny fiafaran’ireo tsy mpino kosa dia ny Afobe.
36وَالَّذِينَ آتَيْنَاهُمُ الْكِتَابَ يَفْرَحُونَ بِمَا أُنزِلَ إِلَيْكَ ۖ وَمِنَ الْأَحْزَابِ مَن يُنكِرُ بَعْضَهُ ۚ قُلْ إِنَّمَا أُمِرْتُ أَنْ أَعْبُدَ اللَّهَ وَلَا أُشْرِكَ بِهِ ۚ إِلَيْهِ أَدْعُو وَإِلَيْهِ مَآبِ
Ary ireo izay efa nomenay ny Boky dia mifaly amin’izay nampidinina Taminao. Nefa misy andiany (olona maro) mankahala ny ampahany amin’izany. Teneno fa hoe : “ Tena marina fa nodidina Aho hanompo an’i Allah ary tsy hampikambana Azy amin’ny hafa, ary ho any Aminy no hiantsoako (olona). Ary any Aminy koa no hiverenako ”.
Ar-Ra'dFizahan-takila Koraña
43Andininy
MedinanRevelation
34Andininy

Fandikana — Ar-Ra'd 34

Surah Ar-Ra'd Andininy 34 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ho azy ireo ny sazy mahery vaika eto ambonin’ny tany.…

Surah Andininy 34/43 — Ar-Ra'd الرعد (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ar-Ra'd Henoy, Ar-Ra'd Fandikana, Ar-Ra'd mp3, Ar-Ra'd pdf. Andininy 32–36. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers