Al-Baqarah · 179/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَلَكُمۡ فِي ٱلۡقِصَاصِ حَيَوٰةٌ يَٰٓأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ لَعَلَّكُمۡ تَتَّقُونَ  ۝١٧٩
Wa lakum fil qisaasi hayaatuny yaaa ulil albaabi la `allakum tattaqoon
📖 Dikany Malagasy
Ary amin’ny valin-keloka dia misy fitandrovana ny aina, ry matsilo saina! Izany dia ny hahatonga anareo ho vontom-pinoana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 177-181 — Al-Baqarah

177۞ لَّيۡسَ ٱلۡبِرَّ أَن تُوَلُّواْ وُجُوهَكُمۡ قِبَلَ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ وَلَٰكِنَّ ٱلۡبِرَّ مَنۡ ءَامَنَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ وَٱلۡكِتَٰبِ وَٱلنَّبِيِّـۧنَ وَءَاتَى ٱلۡمَالَ عَلَىٰ حُبِّهِۦ ذَوِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينَ وَٱبۡنَ ٱلسَّبِيلِ وَٱلسَّآئِلِينَ وَفِي ٱلرِّقَابِ وَأَقَامَ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتَى ٱلزَّكَوٰةَ وَٱلۡمُوفُونَ بِعَهۡدِهِمۡ إِذَا عَٰهَدُواْۖ وَٱلصَّٰبِرِينَ فِي ٱلۡبَأۡسَآءِ وَٱلضَّرَّآءِ وَحِينَ ٱلۡبَأۡسِۗ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ صَدَقُواْۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُتَّقُونَ 
Tsy midika ny fitodihan’ny tavanareo any atsinanana sy any andrefana akory ny hatsarana. Fa ny tena hatsarana, dia eo amin’izay mino an’Allah, ny andro farany, ireo Anjely, ny boky masina, ireo Mpaminany, sy izay nahafoy ny fananany noho ny fitiavany an’Allah, ho an’ireo akaiky azy, ireo kamboty, ireo mahantra, ireo mpandeha lavitra lany vatsy, ireo mpangataka, sy ho an’ny famotsorana andevo, ary ny fanatanterahana ny vavaka fanompoana (soalat) sy fanomezana ny harena fiantrana (zakat), ary ny fanatontosana izay nampanantenainy raha nampanantena izy ireo, ireo manam-paharetana manoloana ny sarotra sy ny voina, ary rehefa tra-pahasarotana. Izy ireny no tena olomarina, ary izy ireny ihany koa no tena vontom-pinoana.
178يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ كُتِبَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡقِصَاصُ فِي ٱلۡقَتۡلَىۖ ٱلۡحُرُّ بِٱلۡحُرِّ وَٱلۡعَبۡدُ بِٱلۡعَبۡدِ وَٱلۡأُنثَىٰ بِٱلۡأُنثَىٰۚ فَمَنۡ عُفِيَ لَهُۥ مِنۡ أَخِيهِ شَيۡءٌ فَٱتِّبَاعُۢ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَأَدَآءٌ إِلَيۡهِ بِإِحۡسَٰنٍۗ ذَٰلِكَ تَخۡفِيفٌ مِّن رَّبِّكُمۡ وَرَحۡمَةٌۗ فَمَنِ ٱعۡتَدَىٰ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَلَهُۥ عَذَابٌ أَلِيمٌ 
O ianareo mpino! Voasoratra sy voadidy ho anareo ny valin-keloka momba ny vono olona, ny olon’afaka ho an’ny olon’afaka, ny andevo ho an’ny andevo, ny vehivavy ho an’ny vehivavy. Fa izay nahazo famelana avy tamin’ny rahalahiny, dia tokony hanonitra izany fahasoavana izany, ary manatanteraka izany amim-pahatsarana. Izany, dia fanalefahana sy famindrampo avy amin’ny Tomponareo. Fa izay mbola mitsangam-pahavalo aorian’izany kosa, dia miandry azy ny famaizana feno fanaintainana.
179وَلَكُمۡ فِي ٱلۡقِصَاصِ حَيَوٰةٌ يَٰٓأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ لَعَلَّكُمۡ تَتَّقُونَ 
Ary amin’ny valin-keloka dia misy fitandrovana ny aina, ry matsilo saina! Izany dia ny hahatonga anareo ho vontom-pinoana.
180كُتِبَ عَلَيۡكُمۡ إِذَا حَضَرَ أَحَدَكُمُ ٱلۡمَوۡتُ إِن تَرَكَ خَيۡرًا ٱلۡوَصِيَّةُ لِلۡوَٰلِدَيۡنِ وَٱلۡأَقۡرَبِينَ بِٱلۡمَعۡرُوفِۖ حَقًّا عَلَى ٱلۡمُتَّقِينَ 
Voadidy ianareo, rehefa tojon’ny fahafatesana ny iray aminareo ka namela harena izy, amin’ny fanaovana didim-pananana ho an’ny ray aman-dreny sy ireo havana akaiky, araka izay tokony ho izy. Adidy ho an’ireo manam-pahatahorana izany.
181فَمَنۢ بَدَّلَهُۥ بَعۡدَ مَا سَمِعَهُۥ فَإِنَّمَآ إِثۡمُهُۥ عَلَى ٱلَّذِينَ يُبَدِّلُونَهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٌ 
Fa izay mamadika izany aorian’ny nandrenesany azy, dia tsy ho an’iza ny fahotana aterak’izany, raha tsy ho an’izay namadika azy. Eny! Allaha no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
179Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 179

Surah Andininy 179/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 177–181. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers