Al-Baqarah · 193/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
وَقَاتِلُوهُمْ حَتَّىٰ لَا تَكُونَ فِتْنَةٌ وَيَكُونَ الدِّينُ لِلَّهِ ۖ فَإِنِ انتَهَوْا فَلَا عُدْوَانَ إِلَّا عَلَى الظَّالِمِينَ ۝١٩٣
Wa qaatiloohum hatta laa takoona fitnatunw wa yakoonad deenu lillaahi fa-inin tahaw falaa `udwaana illaa `alaz zaalimeen
📖 Dikany Malagasy
Ary vonoy izy ireny mba tsy hampisy korontana, mba hahatonga ny fivavahana ho an’Allah irery. Fa raha mitsahatra amin’izany kosa izy ireo, dia tsy hisy fankahalana, afa-tsy amin’ireo mpanao ny tsy rariny.

🎧 Henoy


📜 Andininy 191-195 — Surah Al-Baqarah

191وَاقْتُلُوهُمْ حَيْثُ ثَقِفْتُمُوهُمْ وَأَخْرِجُوهُم مِّنْ حَيْثُ أَخْرَجُوكُمْ ۚ وَالْفِتْنَةُ أَشَدُّ مِنَ الْقَتْلِ ۚ وَلَا تُقَاتِلُوهُمْ عِندَ الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ حَتَّىٰ يُقَاتِلُوكُمْ فِيهِ ۖ فَإِن قَاتَلُوكُمْ فَاقْتُلُوهُمْ ۗ كَذَٰلِكَ جَزَاءُ الْكَافِرِينَ
Vonoy na aiza na aiza hahatraranareo azy ireo; ary roahy amin’izay nandroahany anareo ihany koa, fa ny fanakorontanana (fitarihana amin’ny tsy finoana) dia mbola ratsy mihoatra ny famonoana ho faty. Aoka anefa ianareo tsy hifamono amin’izy ireo eo amin’ny faritr’ilay trano masina fiankohofana (Masjid Al haram), raha tsy hoe miady aminareo any izy ireo. Fa raha miady aminareo any kosa izy ireo, dia valio araka izany. Toy izany no valiny sahaza ireo tsy mpino.
192فَإِنِ انتَهَوْا فَإِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Fa raha mampitsahatra (ny ady) kosa izy ireo, Allah dia tena Mpamela heloka sy be fiantrana.
193وَقَاتِلُوهُمْ حَتَّىٰ لَا تَكُونَ فِتْنَةٌ وَيَكُونَ الدِّينُ لِلَّهِ ۖ فَإِنِ انتَهَوْا فَلَا عُدْوَانَ إِلَّا عَلَى الظَّالِمِينَ
Ary vonoy izy ireny mba tsy hampisy korontana, mba hahatonga ny fivavahana ho an’Allah irery. Fa raha mitsahatra amin’izany kosa izy ireo, dia tsy hisy fankahalana, afa-tsy amin’ireo mpanao ny tsy rariny.
194الشَّهْرُ الْحَرَامُ بِالشَّهْرِ الْحَرَامِ وَالْحُرُمَاتُ قِصَاصٌ ۚ فَمَنِ اعْتَدَىٰ عَلَيْكُمْ فَاعْتَدُوا عَلَيْهِ بِمِثْلِ مَا اعْتَدَىٰ عَلَيْكُمْ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ مَعَ الْمُتَّقِينَ
Ny volana masina amin’ny volana masina! Ary ireo zavatra masina dia mitaky valin-keloka. Ka izay manohitra anareo, dia mitsangana hanohitra azy tahaka ny nanoherany anareo. Kanefa aoka ianareo hatahotra an’Allah. Ary fantaronareo, fa Allaha dia momba mandrakariva ireo vontompinoana.
195وَأَنفِقُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَلَا تُلْقُوا بِأَيْدِيكُمْ إِلَى التَّهْلُكَةِ ۛ وَأَحْسِنُوا ۛ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُحْسِنِينَ
Aoka ianareo hanao fandaniana amin’ny làlan’Allah. Ary aza mandefa ny tànanareo any amin’ny fahapotehana. Fa manaova ny soa, satria Allah tia ireo mpanao soa.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
193Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 193

Surah Al-Baqarah Andininy 193 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary vonoy izy ireny mba tsy hampisy korontana, mba hahatonga…

Surah Andininy 193/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 191–195. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers