An-Nisa · 45/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِأَعْدَائِكُمْ ۚ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ وَلِيًّا وَكَفَىٰ بِاللَّهِ نَصِيرًا ۝٤٥
Wallaahu a`lamu bi a`daaa`i-kum; wa kafaa billaahi waliyyanw wa kafaa billaahi naseera
📖 Dikany Malagasy
Ary I Allah no tena mahalala ireo fahavalonareo. Ary ampy ho Mpiahy I Allah. Ampy ho Mpanavotra I Allah.
🎧 Henoy

📜 Andininy 43-47 — An-Nisa

43يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَقْرَبُوا الصَّلَاةَ وَأَنتُمْ سُكَارَىٰ حَتَّىٰ تَعْلَمُوا مَا تَقُولُونَ وَلَا جُنُبًا إِلَّا عَابِرِي سَبِيلٍ حَتَّىٰ تَغْتَسِلُوا ۚ وَإِن كُنتُم مَّرْضَىٰ أَوْ عَلَىٰ سَفَرٍ أَوْ جَاءَ أَحَدٌ مِّنكُم مِّنَ الْغَائِطِ أَوْ لَامَسْتُمُ النِّسَاءَ فَلَمْ تَجِدُوا مَاءً فَتَيَمَّمُوا صَعِيدًا طَيِّبًا فَامْسَحُوا بِوُجُوهِكُمْ وَأَيْدِيكُمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَفُوًّا غَفُورًا
Ô ianareo izay nino ! Aza manatona ny fanompoam-pivavahana ianareo raha mbola mamo, mandra-pahalalanareo izay teneninareo, ary raha mbola ao anatin'ny fahalotoana lehibe, afa-tsy eny am-pandehanana, mandra-panaovanareo ny fidiovana lehibe . Ary raha marary ianareo, na eny am-pandehanana lavitra, na avy nivoaka ny iray taminareo, na avy nikasika vehivavy ianareo ka tsy mahita rano, dia midiova amin’ny tany madio, ka safoinareo amin’izany ny tavanareo sy ireo tananareo. Tena marina fa I Allah dia be Fandeferana sy be Famelan-keloka.
44أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ أُوتُوا نَصِيبًا مِّنَ الْكِتَابِ يَشْتَرُونَ الضَّلَالَةَ وَيُرِيدُونَ أَن تَضِلُّوا السَّبِيلَ
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky, mividy ny fahaverezana ka mila hamery lalana anareo ?
45وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِأَعْدَائِكُمْ ۚ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ وَلِيًّا وَكَفَىٰ بِاللَّهِ نَصِيرًا
Ary I Allah no tena mahalala ireo fahavalonareo. Ary ampy ho Mpiahy I Allah. Ampy ho Mpanavotra I Allah.
46مِّنَ الَّذِينَ هَادُوا يُحَرِّفُونَ الْكَلِمَ عَن مَّوَاضِعِهِ وَيَقُولُونَ سَمِعْنَا وَعَصَيْنَا وَاسْمَعْ غَيْرَ مُسْمَعٍ وَرَاعِنَا لَيًّا بِأَلْسِنَتِهِمْ وَطَعْنًا فِي الدِّينِ ۚ وَلَوْ أَنَّهُمْ قَالُوا سَمِعْنَا وَأَطَعْنَا وَاسْمَعْ وَانظُرْنَا لَكَانَ خَيْرًا لَّهُمْ وَأَقْوَمَ وَلَٰكِن لَّعَنَهُمُ اللَّهُ بِكُفْرِهِمْ فَلَا يُؤْمِنُونَ إِلَّا قَلِيلًا
Misy amin’ireo Jiosy izay manova ny teny hiala amin’ny heviny, ka miteny hoe manao : “Henonay izany nefa tsy ankatoavinay”, “Henoy na dia tsy mihaino anao aza”, “Omeo lanja izahay ”, miteny ratsy ny lelan’izy ireo sady manenjika ny finoana. Ary raha mba miteny izy ireo hoe : “Henonay sy ankatoavinay”, “Henoy sy jereo izahay ”, dia tsara ho azy ireo izany sy tena mahitsy kokoa. Kanefa moa dia nozonin’I Allah izy ireo nohon'ny tsy finoany, ka tsy mino afa-tsy ny vitsy an'isa amin’izy ireo.
47يَا أَيُّهَا الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ آمِنُوا بِمَا نَزَّلْنَا مُصَدِّقًا لِّمَا مَعَكُم مِّن قَبْلِ أَن نَّطْمِسَ وُجُوهًا فَنَرُدَّهَا عَلَىٰ أَدْبَارِهَا أَوْ نَلْعَنَهُمْ كَمَا لَعَنَّا أَصْحَابَ السَّبْتِ ۚ وَكَانَ أَمْرُ اللَّهِ مَفْعُولًا
Ô ianareo izay nomena ny Boky ! Minoa ianareo an’izay efa nampidininay taminareo, izay manamarina ny eo am-pelatananareo, alohany Izahay hamafa ireo tarehy sy hanodinanay izany, ny aloha mankany aoriana; na hanozonanay azy ireo tahaka ny nanozonanay ireo olon’ny Sabata. Ary ny didin’I Allah dia tsy maintsy tanteraka.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
45Andininy

Fandikana — An-Nisa 45

Surah An-Nisa Andininy 45 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary I Allah no tena mahalala ireo fahavalonareo. Ary ampy…

Surah Andininy 45/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 43–47. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers