Al-Maidah · 40/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
أَلَمْ تَعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ لَهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ يُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ وَيَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٤٠
Alam ta`lam annal laaha lahoo mulkus samaawaati wal ardi yu`az zibu many-yashaa`u wa yaghfiru limany-yashaaa`; wallaahu `alaa kulli shai`in Qadeer
📖 Dikany Malagasy
Moa ve tsy fantatrao fa an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany? Manasazy izay sitrany Izy ary mamela izay sitrany ihany koa. Ary I Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
🎧 Henoy

📜 Andininy 38-42 — Al-Maidah

38وَالسَّارِقُ وَالسَّارِقَةُ فَاقْطَعُوا أَيْدِيَهُمَا جَزَاءً بِمَا كَسَبَا نَكَالًا مِّنَ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ary ny mpangalatra lahy sy ny mpangalatra vavy dia tapahinareo ny tànan'izy ireo mba ho valin’asa nataon’izy roa sy famaizana avy amin’i Allah. Ary i Allah dia Tsitoha sy be Fahendrena.
39فَمَن تَابَ مِن بَعْدِ ظُلْمِهِ وَأَصْلَحَ فَإِنَّ اللَّهَ يَتُوبُ عَلَيْهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Fa na iza na iza mibebaka taorian’ny fanaovany ny tsy rariny sy nanarina ny tenany ,tena marina fa I Allah dia mandray ny fibebahan'izy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
40أَلَمْ تَعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ لَهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ يُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ وَيَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Moa ve tsy fantatrao fa an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany? Manasazy izay sitrany Izy ary mamela izay sitrany ihany koa. Ary I Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
41۞ يَا أَيُّهَا الرَّسُولُ لَا يَحْزُنكَ الَّذِينَ يُسَارِعُونَ فِي الْكُفْرِ مِنَ الَّذِينَ قَالُوا آمَنَّا بِأَفْوَاهِهِمْ وَلَمْ تُؤْمِن قُلُوبُهُمْ ۛ وَمِنَ الَّذِينَ هَادُوا ۛ سَمَّاعُونَ لِلْكَذِبِ سَمَّاعُونَ لِقَوْمٍ آخَرِينَ لَمْ يَأْتُوكَ ۖ يُحَرِّفُونَ الْكَلِمَ مِن بَعْدِ مَوَاضِعِهِ ۖ يَقُولُونَ إِنْ أُوتِيتُمْ هَٰذَا فَخُذُوهُ وَإِن لَّمْ تُؤْتَوْهُ فَاحْذَرُوا ۚ وَمَن يُرِدِ اللَّهُ فِتْنَتَهُ فَلَن تَمْلِكَ لَهُ مِنَ اللَّهِ شَيْئًا ۚ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ لَمْ يُرِدِ اللَّهُ أَن يُطَهِّرَ قُلُوبَهُمْ ۚ لَهُمْ فِي الدُّنْيَا خِزْيٌ ۖ وَلَهُمْ فِي الْآخِرَةِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
O ry Iraka! Aoka tsy hampalahelo anao ireo izay mihazakazaka any amin’ny tsy finoana amin’ireo izay miteny hoe : “Mino izahay” amin’ny vavany fotsiny izany, kanefa tsy mino ny fon’izy ireo ary amin’ireo jiosy izay zatra mihaino lainga tafahoatra sy mihaino ny tenin’ny vahoaka hafa mbola tsy tonga taminao mamadibadika ny teny hiala amin’ny dikany taorian’ny nandreketana azy miteny izy ireo hoe : ”Raha nomena anareo ity dia raisinareo fa raha tsy omena anareo kosa dia mitandrema ianareo”. Ary izay tian’i Allah handalo amin’ny fitsapany dia tsy afaka hiaro azy amin’ny sazin’i Allah ianao na dia kely aza. Izy ireny no tsy tian’i Allah ho diovina ny fony. Ho azy ireo ny fahafaham-baraka eto an-tany ary ho azy ireo koa ny famaizana lehibe any ankoatra.
42سَمَّاعُونَ لِلْكَذِبِ أَكَّالُونَ لِلسُّحْتِ ۚ فَإِن جَاءُوكَ فَاحْكُم بَيْنَهُمْ أَوْ أَعْرِضْ عَنْهُمْ ۖ وَإِن تُعْرِضْ عَنْهُمْ فَلَن يَضُرُّوكَ شَيْئًا ۖ وَإِنْ حَكَمْتَ فَاحْكُم بَيْنَهُم بِالْقِسْطِ ۚ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُقْسِطِينَ
Fatra-pihaino lainga izy ireo ary fatra-pihinana ny fananana tsy ara-dalàna. Ka raha tonga aminao izy ireo dia tsarao izy ireo na koa hanalavitra azy ireo. Ka raha miala azy ireo dia tsy hahavita na inona na inona aminao izy ireo. Ary raha hitsara kosa ianao dia tsarao am-pahamarinana izy ireo. Tena marina fa I Allah dia tia ireo izay mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
40Andininy

Fandikana — Al-Maidah 40

Surah Al-Maidah Andininy 40 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Moa ve tsy fantatrao fa an’I Allah ny fanjakana amin’ireo…

Surah Andininy 40/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 38–42. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers