Al-Maidah · 39/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
فَمَن تَابَ مِن بَعْدِ ظُلْمِهِ وَأَصْلَحَ فَإِنَّ اللَّهَ يَتُوبُ عَلَيْهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝٣٩
Faman taaba mim ba`di zulmihee wa aslaha fa innal laaha yatoobu `alaih; innal laaha Ghafoorur Raheem
📖 Dikany Malagasy
Fa na iza na iza mibebaka taorian’ny fanaovany ny tsy rariny sy nanarina ny tenany ,tena marina fa I Allah dia mandray ny fibebahan'izy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 37-41 — Al-Maidah

37يُرِيدُونَ أَن يَخْرُجُوا مِنَ النَّارِ وَمَا هُم بِخَارِجِينَ مِنْهَا ۖ وَلَهُمْ عَذَابٌ مُّقِيمٌ
Maniry ny hivoaka avy ao amin’ny Afobe izy ireo, kanefa dia tsy hivoaka ao mihitsy izy ireo. Ary ho azy ireo ny famaizana maharitra.
38وَالسَّارِقُ وَالسَّارِقَةُ فَاقْطَعُوا أَيْدِيَهُمَا جَزَاءً بِمَا كَسَبَا نَكَالًا مِّنَ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ary ny mpangalatra lahy sy ny mpangalatra vavy dia tapahinareo ny tànan'izy ireo mba ho valin’asa nataon’izy roa sy famaizana avy amin’i Allah. Ary i Allah dia Tsitoha sy be Fahendrena.
39فَمَن تَابَ مِن بَعْدِ ظُلْمِهِ وَأَصْلَحَ فَإِنَّ اللَّهَ يَتُوبُ عَلَيْهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Fa na iza na iza mibebaka taorian’ny fanaovany ny tsy rariny sy nanarina ny tenany ,tena marina fa I Allah dia mandray ny fibebahan'izy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
40أَلَمْ تَعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ لَهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ يُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ وَيَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Moa ve tsy fantatrao fa an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany? Manasazy izay sitrany Izy ary mamela izay sitrany ihany koa. Ary I Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
41۞ يَا أَيُّهَا الرَّسُولُ لَا يَحْزُنكَ الَّذِينَ يُسَارِعُونَ فِي الْكُفْرِ مِنَ الَّذِينَ قَالُوا آمَنَّا بِأَفْوَاهِهِمْ وَلَمْ تُؤْمِن قُلُوبُهُمْ ۛ وَمِنَ الَّذِينَ هَادُوا ۛ سَمَّاعُونَ لِلْكَذِبِ سَمَّاعُونَ لِقَوْمٍ آخَرِينَ لَمْ يَأْتُوكَ ۖ يُحَرِّفُونَ الْكَلِمَ مِن بَعْدِ مَوَاضِعِهِ ۖ يَقُولُونَ إِنْ أُوتِيتُمْ هَٰذَا فَخُذُوهُ وَإِن لَّمْ تُؤْتَوْهُ فَاحْذَرُوا ۚ وَمَن يُرِدِ اللَّهُ فِتْنَتَهُ فَلَن تَمْلِكَ لَهُ مِنَ اللَّهِ شَيْئًا ۚ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ لَمْ يُرِدِ اللَّهُ أَن يُطَهِّرَ قُلُوبَهُمْ ۚ لَهُمْ فِي الدُّنْيَا خِزْيٌ ۖ وَلَهُمْ فِي الْآخِرَةِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
O ry Iraka! Aoka tsy hampalahelo anao ireo izay mihazakazaka any amin’ny tsy finoana amin’ireo izay miteny hoe : “Mino izahay” amin’ny vavany fotsiny izany, kanefa tsy mino ny fon’izy ireo ary amin’ireo jiosy izay zatra mihaino lainga tafahoatra sy mihaino ny tenin’ny vahoaka hafa mbola tsy tonga taminao mamadibadika ny teny hiala amin’ny dikany taorian’ny nandreketana azy miteny izy ireo hoe : ”Raha nomena anareo ity dia raisinareo fa raha tsy omena anareo kosa dia mitandrema ianareo”. Ary izay tian’i Allah handalo amin’ny fitsapany dia tsy afaka hiaro azy amin’ny sazin’i Allah ianao na dia kely aza. Izy ireny no tsy tian’i Allah ho diovina ny fony. Ho azy ireo ny fahafaham-baraka eto an-tany ary ho azy ireo koa ny famaizana lehibe any ankoatra.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
39Andininy

Fandikana — Al-Maidah 39

Surah Al-Maidah Andininy 39 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Fa na iza na iza mibebaka taorian’ny fanaovany ny tsy…

Surah Andininy 39/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 37–41. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers