Al-Mujadilah · 10/22
Fandikana Fanononana — Al-Mujadilah
إِنَّمَا النَّجْوَىٰ مِنَ الشَّيْطَانِ لِيَحْزُنَ الَّذِينَ آمَنُوا وَلَيْسَ بِضَارِّهِمْ شَيْئًا إِلَّا بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ وَعَلَى اللَّهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُؤْمِنُونَ ۝١٠
Innaman najwaa minash shaitaani liyahzunal lazeena aamanoo wa laisa bidaaarrihim shai`an illaa bi-iznil laah; wa `alal laahi falyatawakkalil mu`minoon
📖 Dikany Malagasy
Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona fa avy amin'i Satana, mba hampahoriany izay mino. Saingy tsy afaka hanisy ratsy azy ireo izany, raha tsy alalana avy amin'I Allah. Fa amin'I Allah no tokony hianteheran'ireo mpino.
🎧 Henoy

📜 Andininy 8-12 — Al-Mujadilah

8أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ نُهُوا عَنِ النَّجْوَىٰ ثُمَّ يَعُودُونَ لِمَا نُهُوا عَنْهُ وَيَتَنَاجَوْنَ بِالْإِثْمِ وَالْعُدْوَانِ وَمَعْصِيَتِ الرَّسُولِ وَإِذَا جَاءُوكَ حَيَّوْكَ بِمَا لَمْ يُحَيِّكَ بِهِ اللَّهُ وَيَقُولُونَ فِي أَنفُسِهِمْ لَوْلَا يُعَذِّبُنَا اللَّهُ بِمَا نَقُولُ ۚ حَسْبُهُمْ جَهَنَّمُ يَصْلَوْنَهَا ۖ فَبِئْسَ الْمَصِيرُ
Tsy hitanao va ireo voarara tsy hanao resaka miafina ? Fa miverina amin'izay nandraràna azy izy ireo, izay mifandinika hanao fahotana, handika lalàna, sady hankato ny Irany. Fa rehefa manantona anao izy ireo, dia miarahaba anao, tsy tahaka izay niarahaban'I Allah anao, ka miteny anakam-po hoe : "Nahoana àry no tsy sazin'I Allah izahay, nohon'ny teny nataonay ?" Ampy ho azy ireo ny afobe, izay handoro azy. Fa fiafarana ratsy tokoa izany !
9يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا تَنَاجَيْتُمْ فَلَا تَتَنَاجَوْا بِالْإِثْمِ وَالْعُدْوَانِ وَمَعْصِيَتِ الرَّسُولِ وَتَنَاجَوْا بِالْبِرِّ وَالتَّقْوَىٰ ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ الَّذِي إِلَيْهِ تُحْشَرُونَ
O ianareo mpino ! Rehefa manao resaka miafina ianareo, dia aza mifandinika hanota, sy handika lalàna, ary tsy hankato ny Iraka, fa mifandinia kosa, amin'ny hatsarana sy ny fitandremana . Ary matahora an'I Allah, izay hamory anareo any Aminy.
10إِنَّمَا النَّجْوَىٰ مِنَ الشَّيْطَانِ لِيَحْزُنَ الَّذِينَ آمَنُوا وَلَيْسَ بِضَارِّهِمْ شَيْئًا إِلَّا بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ وَعَلَى اللَّهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُؤْمِنُونَ
Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona fa avy amin'i Satana, mba hampahoriany izay mino. Saingy tsy afaka hanisy ratsy azy ireo izany, raha tsy alalana avy amin'I Allah. Fa amin'I Allah no tokony hianteheran'ireo mpino.
11يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا قِيلَ لَكُمْ تَفَسَّحُوا فِي الْمَجَالِسِ فَافْسَحُوا يَفْسَحِ اللَّهُ لَكُمْ ۖ وَإِذَا قِيلَ انشُزُوا فَانشُزُوا يَرْفَعِ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا مِنكُمْ وَالَّذِينَ أُوتُوا الْعِلْمَ دَرَجَاتٍ ۚ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرٌ
Fa ianareo mpino ! Raha ilazana ianareo hoe : "Manomeza toerana ho an'ny hafa amin'ny fivoriana", dia aoka hanome toerana. Fa hanamboaran'I Allah toerana ianareo (any amin'ny paradisa). Ary raha asaina mitsangana ianareo dia aoka hitsangana. Fa hasondrotr'I Allah izay mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana. Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
12يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا نَاجَيْتُمُ الرَّسُولَ فَقَدِّمُوا بَيْنَ يَدَيْ نَجْوَاكُمْ صَدَقَةً ۚ ذَٰلِكَ خَيْرٌ لَّكُمْ وَأَطْهَرُ ۚ فَإِن لَّمْ تَجِدُوا فَإِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
O ianareo mpino ! Raha misy dinika manokana hataonareo amin'ny Iraka, dia manolora fanomezana alohan'ny dinika izay ataonareo, tsara kokoa ho anareo izany sady madio. Fa raha tsy manan-katao amin'izany ianareo, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
Al-MujadilahFizahan-takila Koraña
22Andininy
MedinanRevelation
10Andininy

Fandikana — Al-Mujadilah 10

Surah Al-Mujadilah Andininy 10 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona…

Surah Andininy 10/22 — Al-Mujadilah المجادلة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Mujadilah Henoy, Al-Mujadilah Fandikana, Al-Mujadilah mp3, Al-Mujadilah pdf. Andininy 8–12. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers