9 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭢﭣﭤﭥﭦ
104:1 Loza ho an'izay mpanendrikendrika sy mpifosa !
ﭧﭨﭩﭪﭫ
104:2 Izay nanangona harena sy nanisa izany.
ﭬﭭﭮﭯﭰ
104:3 Mihevitra izy fa ny harena dia hampaharitra azy mandrakizay.
ﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
104:4 Tsia ! Tsy maintsy hatsipiko ao anaty Afo izy.
ﭷﭸﭹﭺﭻ
104:5 Moa fantatrao va izany Afo izany ?
ﭼﭽﭾﭿ
104:6 Izany dia Afon'I Allah miredareda !
ﮀﮁﮂﮃﮄ
104:7 izay miantefa hatrany am-po.
ﮅﮆﮇﮈ
104:8 Ka hanepotra azy ireo.
ﮉﮊﮋﮌ
104:9 Ao anaty fefy mijoalajoala no sady mivelatra.

Koraña Masina


Tuesday, September 29, 2026

Don't forget us in your sincere prayers