5 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮈﮉﮊﮋﮌﮍ
111:1 Aoka ho levona ireo tànana roan’i Abo Lahab, ary ho levona koa ny tenany.
ﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
111:2 Tsy nahavita na inona na inona taminy ny hareny sy izay nangoniny.
ﮕﮖﮗﮘﮙ
111:3 Ka hodorana ao anaty afo miredareda izy.
ﮚﮛﮜﮝ
111:4 Toy izany koa ny vadiny izay mitondra hazon-kitay feno tsilo,
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
111:5 ho eny am-bozony ny tady mafy vita amin'ny kofehy madinika.

Koraña Masina


Tuesday, September 29, 2026

Don't forget us in your sincere prayers