PDF —
40 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Qiyamah pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Qiyamah pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Qiyamah Fandikana. Surah Al-Qiyamah (Meccan) 40 Andininy.



40 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮊﮋﮌﮍﮎ
75:1 Tsia ! Mianiana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty Aho.
ﮏﮐﮑﮒﮓ
75:2 Ary tsy mianiana amin'ny fanahy izay fatra-panome tsiny aho.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
75:3 Mihevitra va ny olombelona fa tsy hatambatray ny taolany ?
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
75:4 Eny! Afaka mamerina ny lohan-drantsa-tanany amin'ny toerany Izahay.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦ
75:5 Mila hanohy ny fiainany malalaka ny olombelona.
ﮧﮨﮩﮪﮫ
75:6 Manontany izy hoe : "Rahoviana ny andro farany?"
ﮬﮭﮮﮯ
75:7 Rehefa ho jamban'ny hazavana ny fijery.
ﮰﮱﯓ
75:8 Ary ho takona ny volana.
ﯔﯕﯖﯗ
75:9 Ary hitambatra ny masoandro sy ny volana.
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
75:10 Hiteny ny olombelona amin'io andro io hoe : "Aiza no handosirana ?"
ﯞﯟﯠﯡ
75:11 Tsia ! Tsy hisy fialofana.
ﯢﯣﯤﯥﯦ
75:12 Any amin'ny Tomponao no hiverenana amin'io andro io.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
75:13 Ho lazaina amin'ny olombelona amin'io andro io, izay asa nataony taloha sy taty aoriana.
ﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
75:14 Saingy ho vavolombelon'ny tenany ihany ny olombelona.
ﯴﯵﯶﯷ
75:15 Ary hitondra fialan-tsiny.
ﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
75:16 Aza ahetsikao ny lelanao mba hanafaingananao ny famakiana azy.
ﯿﰀﰁﰂﰃ
75:17 Anjaranay ny fanangonana azy sy ny famakiana azy.
ﰄﰅﰆﰇﰈ
75:18 koa rehefa mamaky azy àry Izahay, dia araho tsara ny vakiteny.
ﰉﰊﰋﰌﰍ
75:19 Fa andraikitray avy eo, ny manazava azy.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
75:20 saingy tianareo kokoa ny fiainana mandalo,
ﭖﭗﭘ
75:21 ka tsy raharahinareo ny any an-koatra.
ﭙﭚﭛﭜ
75:22 Amin'izany andro izany, dia hisy endrika miramirana,
ﭝﭞﭟﭠ
75:23 Izay hibanjina ny Tompony.
ﭡﭢﭣﭤ
75:24 Ary hisy endrika maloka,
ﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
75:25 Eo am-piandrasana ny loza hihatra.
ﭫﭬﭭﭮﭯ
75:26 Tsia ! rehefa tonga eo amin'ny taolam-panavy ny aina,
ﭰﭱﭲﭳﭴ
75:27 Ka hiteny hoe : "Iza no mpamoaka devoly ?"
ﭵﭶﭷﭸ
75:28 Ary hiaiky izy fa tonga ny fisarahana.
ﭹﭺﭻﭼ
75:29 ka hifamatotra ny ranjo,
ﭽﭾﭿﮀﮁ
75:30 Any amin'ny Tomponao no hitondrana anao amin'io andro io.
ﮂﮃﮄﮅﮆ
75:31 Saingy tsy nino izy ireo, no sady tsy nanao ny vavaka fanompoana ;
ﮇﮈﮉﮊ
75:32 Fa niampanga izany ho lainga izy, sady nitodi-damosina,
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
75:33 Avy eo, dia lasa any amin'ny fianakiviany izy, nandeha amim-piavonavonana.
ﮑﮒﮓﮔ
75:34 Loza ho anao, loza tokoa !
ﮕﮖﮗﮘﮙ
75:35 Eny ! Loza ho anao, loza tokoa !
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
75:36 Mihevitra va ny olombelona fa ho avela amin'izao, tsy manana adidy iandraiketana ?
ﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦ
75:37 Tsy avy amin'ny tsiron'aina indray mitete va izy ireo ?
ﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
75:38 Avy eo, dia vaingan-drà, ary nohariany sy namboariny tsara ;
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
75:39 Ka nataony avy amin'izany ny mpivady, lahy sy vavy.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛ
75:40 Moa va tsy afaka hamelona indray ny efa maty Izy ?

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers