Al-Baqarah · 111/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَقَالُوا لَن يَدْخُلَ الْجَنَّةَ إِلَّا مَن كَانَ هُودًا أَوْ نَصَارَىٰ ۗ تِلْكَ أَمَانِيُّهُمْ ۗ قُلْ هَاتُوا بُرْهَانَكُمْ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝١١١
Wa qaaloo lai yadkhulal jannata illaa man kaana Hoodan aw Nasaaraa; tilka ammniyyuhum; qul haatoo burhaa nakum in kuntum saadiqeen
📖 Dikany Malagasy
Ary hoy ny tenin’izy ireo : “Tsy misy hiditra ny Paradisa na iza na iza afa-tsy ny Jiosy sy ireo Kristianina”. Izany no nofinofin’izy ireo. Koa lazao azy ireo : “Ento aty ny porofonareo, raha marina tokoa izay voalazanareo”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 109-113 — Al-Baqarah

109وَدَّ كَثِيرٌ مِّنْ أَهْلِ الْكِتَابِ لَوْ يَرُدُّونَكُم مِّن بَعْدِ إِيمَانِكُمْ كُفَّارًا حَسَدًا مِّنْ عِندِ أَنفُسِهِم مِّن بَعْدِ مَا تَبَيَّنَ لَهُمُ الْحَقُّ ۖ فَاعْفُوا وَاصْفَحُوا حَتَّىٰ يَأْتِيَ اللَّهُ بِأَمْرِهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Maro amin’ireo olon’ny boky no maniry ny hampiverina anareo amin’ny tsy finoana taorian’ny nanananareo Finoana. Fialonana avy amin’izy ireo izany! Taorian’ny nampiharihary ny fahamarinana teo imason’izy ireo. Koa mamelà sy mandefera ianareo mandra-pahatongan’ny baiko avy amin’Allah. Satria Allah no Mahefa ny zavatra rehetra.
110وَأَقِيمُوا الصَّلَاةَ وَآتُوا الزَّكَاةَ ۚ وَمَا تُقَدِّمُوا لِأَنفُسِكُم مِّنْ خَيْرٍ تَجِدُوهُ عِندَ اللَّهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Atsangano nareo ny Soalat ary mamoaha ihany koa ny Zakat; fa na inona na inona ny soa ataonareo ho an'ny tenanareo dia ho hitanareo any amin'i Tompo Allah izany tena marina fa i Tompo Allah dia mahita tanteraka izay rehetra ataonareo.
111وَقَالُوا لَن يَدْخُلَ الْجَنَّةَ إِلَّا مَن كَانَ هُودًا أَوْ نَصَارَىٰ ۗ تِلْكَ أَمَانِيُّهُمْ ۗ قُلْ هَاتُوا بُرْهَانَكُمْ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Ary hoy ny tenin’izy ireo : “Tsy misy hiditra ny Paradisa na iza na iza afa-tsy ny Jiosy sy ireo Kristianina”. Izany no nofinofin’izy ireo. Koa lazao azy ireo : “Ento aty ny porofonareo, raha marina tokoa izay voalazanareo”.
112بَلَىٰ مَنْ أَسْلَمَ وَجْهَهُ لِلَّهِ وَهُوَ مُحْسِنٌ فَلَهُ أَجْرُهُ عِندَ رَبِّهِ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Tsy izany velively anefa fa izay manolotena ho an'i Tompo Allah no sady mpanao soa dia ho azy ny valisoany eo anatrehan'ny Tompony ary tsy hanana tahotra izy ireo no tsy halahelo.
113وَقَالَتِ الْيَهُودُ لَيْسَتِ النَّصَارَىٰ عَلَىٰ شَيْءٍ وَقَالَتِ النَّصَارَىٰ لَيْسَتِ الْيَهُودُ عَلَىٰ شَيْءٍ وَهُمْ يَتْلُونَ الْكِتَابَ ۗ كَذَٰلِكَ قَالَ الَّذِينَ لَا يَعْلَمُونَ مِثْلَ قَوْلِهِمْ ۚ فَاللَّهُ يَحْكُمُ بَيْنَهُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ فِيمَا كَانُوا فِيهِ يَخْتَلِفُونَ
Ary hoy ireo Jiosy : “Tsinontsinona ireo Kristianina (tsy amin’ny fahamarinana)”, ary hoy ihany koa ireo Kristianina : “Tsinontsinona ireo Jiosy”, kanefa dia samy mamaky mandrakariva ny boky izy ireny! Tsy misy valaka amin’izany fitenin-dry zareo izany ihany koa no nolazain’ireo olona tsy mahalàla na inona na inona. Ka Allah no hitsara azy ireo amin’izay nampifanolana azy amin’ny andro fitsanganana.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
111Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 111

Surah Al-Baqarah Andininy 111 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary hoy ny tenin’izy ireo : “Tsy misy hiditra ny…

Surah Andininy 111/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 109–113. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers