Al-Baqarah · 112/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
بَلَىٰ مَنْ أَسْلَمَ وَجْهَهُ لِلَّهِ وَهُوَ مُحْسِنٌ فَلَهُ أَجْرُهُ عِندَ رَبِّهِ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ ۝١١٢
Balaa man aslama wajhahoo lillaahi wa huwa muhsinun falahooo ajruhoo `inda rabbihee wa laa khawfun `alaihim wa laa hum yahzanoon
📖 Dikany Malagasy
Tsy izany velively anefa fa izay manolotena ho an'i Tompo Allah no sady mpanao soa dia ho azy ny valisoany eo anatrehan'ny Tompony ary tsy hanana tahotra izy ireo no tsy halahelo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 110-114 — Al-Baqarah

110وَأَقِيمُوا الصَّلَاةَ وَآتُوا الزَّكَاةَ ۚ وَمَا تُقَدِّمُوا لِأَنفُسِكُم مِّنْ خَيْرٍ تَجِدُوهُ عِندَ اللَّهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Atsangano nareo ny Soalat ary mamoaha ihany koa ny Zakat; fa na inona na inona ny soa ataonareo ho an'ny tenanareo dia ho hitanareo any amin'i Tompo Allah izany tena marina fa i Tompo Allah dia mahita tanteraka izay rehetra ataonareo.
111وَقَالُوا لَن يَدْخُلَ الْجَنَّةَ إِلَّا مَن كَانَ هُودًا أَوْ نَصَارَىٰ ۗ تِلْكَ أَمَانِيُّهُمْ ۗ قُلْ هَاتُوا بُرْهَانَكُمْ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Ary hoy ny tenin’izy ireo : “Tsy misy hiditra ny Paradisa na iza na iza afa-tsy ny Jiosy sy ireo Kristianina”. Izany no nofinofin’izy ireo. Koa lazao azy ireo : “Ento aty ny porofonareo, raha marina tokoa izay voalazanareo”.
112بَلَىٰ مَنْ أَسْلَمَ وَجْهَهُ لِلَّهِ وَهُوَ مُحْسِنٌ فَلَهُ أَجْرُهُ عِندَ رَبِّهِ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Tsy izany velively anefa fa izay manolotena ho an'i Tompo Allah no sady mpanao soa dia ho azy ny valisoany eo anatrehan'ny Tompony ary tsy hanana tahotra izy ireo no tsy halahelo.
113وَقَالَتِ الْيَهُودُ لَيْسَتِ النَّصَارَىٰ عَلَىٰ شَيْءٍ وَقَالَتِ النَّصَارَىٰ لَيْسَتِ الْيَهُودُ عَلَىٰ شَيْءٍ وَهُمْ يَتْلُونَ الْكِتَابَ ۗ كَذَٰلِكَ قَالَ الَّذِينَ لَا يَعْلَمُونَ مِثْلَ قَوْلِهِمْ ۚ فَاللَّهُ يَحْكُمُ بَيْنَهُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ فِيمَا كَانُوا فِيهِ يَخْتَلِفُونَ
Ary hoy ireo Jiosy : “Tsinontsinona ireo Kristianina (tsy amin’ny fahamarinana)”, ary hoy ihany koa ireo Kristianina : “Tsinontsinona ireo Jiosy”, kanefa dia samy mamaky mandrakariva ny boky izy ireny! Tsy misy valaka amin’izany fitenin-dry zareo izany ihany koa no nolazain’ireo olona tsy mahalàla na inona na inona. Ka Allah no hitsara azy ireo amin’izay nampifanolana azy amin’ny andro fitsanganana.
114وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّن مَّنَعَ مَسَاجِدَ اللَّهِ أَن يُذْكَرَ فِيهَا اسْمُهُ وَسَعَىٰ فِي خَرَابِهَا ۚ أُولَٰئِكَ مَا كَانَ لَهُمْ أَن يَدْخُلُوهَا إِلَّا خَائِفِينَ ۚ لَهُمْ فِي الدُّنْيَا خِزْيٌ وَلَهُمْ فِي الْآخِرَةِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ary iza no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay manakana ny fahatsiarovana ny anaran'i Tompo Allah amin'ireny tranon'i Tompo Allah ireny (Masjid), ary miezaka ny hamotika izany ? Ireny olona ireny dia tsy tokony hiditra amin'izany (Masjid izany) afa-tsy amin'ny tahotra ka ety an-tany dia fahafaham-baraka no ho azy ireo; ary any ankoatra dia ho azy ireo ny famaizana goavana indrindra.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
112Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 112

Surah Al-Baqarah Andininy 112 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy izany velively anefa fa izay manolotena ho an'i Tompo…

Surah Andininy 112/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 110–114. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers