Al-Baqarah · 165/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَمِنَ النَّاسِ مَن يَتَّخِذُ مِن دُونِ اللَّهِ أَندَادًا يُحِبُّونَهُمْ كَحُبِّ اللَّهِ ۖ وَالَّذِينَ آمَنُوا أَشَدُّ حُبًّا لِّلَّهِ ۗ وَلَوْ يَرَى الَّذِينَ ظَلَمُوا إِذْ يَرَوْنَ الْعَذَابَ أَنَّ الْقُوَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًا وَأَنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعَذَابِ ۝١٦٥
Wa minan naasi mai yattakhizu min doonil laahi andaadai yuhibboonahum kahubbil laahi wallazeena aamanooo ashaddu hubbal lillah; wa law yaral lazeena zalamoo iz yarawnal `azaaba annal quwwata lillaahi jamee`anw wa annallaaha shadeedul `azaab
📖 Dikany Malagasy
Ary misy amin’ny olombelona izay mandray zavatra hafa, ankoatran’i Allah, ka mampitovy azy Aminy, tiaviny tahaka ny fitiavana an’i Allah izany. fa ireo izay nino kosa no manana fitiavana mafy kokoa an’i Allah. ary raha hitan’ireo izay nanao ny tsy rariny, rehefa mahita ny sazy izy ireo, dia ho tsapany fa ny hery rehetra dia an’i Allah, ary tena marina fa Allah dia mahery vaika amin’ny fanasaziana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 163-167 — Al-Baqarah

163وَإِلَٰهُكُمْ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۖ لَّا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الرَّحْمَٰنُ الرَّحِيمُ
Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana.
164إِنَّ فِي خَلْقِ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَاخْتِلَافِ اللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَالْفُلْكِ الَّتِي تَجْرِي فِي الْبَحْرِ بِمَا يَنفَعُ النَّاسَ وَمَا أَنزَلَ اللَّهُ مِنَ السَّمَاءِ مِن مَّاءٍ فَأَحْيَا بِهِ الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا وَبَثَّ فِيهَا مِن كُلِّ دَابَّةٍ وَتَصْرِيفِ الرِّيَاحِ وَالسَّحَابِ الْمُسَخَّرِ بَيْنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَعْقِلُونَ
Tena marina fa ao anatin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, sy ny sambo izay misosa eny an-dranomasina ka feno tombotsoa ilain’ny olombelona, ny amin’ny rano izay nampidinin’i Allah avy eny an-danitra ka namelomany tamin’ny alalany ny tany taorian’ny nahafatesany (nahamaina azy), sy ny nanaparitahany ao aminy (amin'ny tany) ireo karazam-biby maro samihafa, ary ny fiovaovan’ny rivotra, sy ny rahona voarindra eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany, dia tena famantarana lehibe ho an’ny vahoaka misaina.
165وَمِنَ النَّاسِ مَن يَتَّخِذُ مِن دُونِ اللَّهِ أَندَادًا يُحِبُّونَهُمْ كَحُبِّ اللَّهِ ۖ وَالَّذِينَ آمَنُوا أَشَدُّ حُبًّا لِّلَّهِ ۗ وَلَوْ يَرَى الَّذِينَ ظَلَمُوا إِذْ يَرَوْنَ الْعَذَابَ أَنَّ الْقُوَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًا وَأَنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعَذَابِ
Ary misy amin’ny olombelona izay mandray zavatra hafa, ankoatran’i Allah, ka mampitovy azy Aminy, tiaviny tahaka ny fitiavana an’i Allah izany. fa ireo izay nino kosa no manana fitiavana mafy kokoa an’i Allah. ary raha hitan’ireo izay nanao ny tsy rariny, rehefa mahita ny sazy izy ireo, dia ho tsapany fa ny hery rehetra dia an’i Allah, ary tena marina fa Allah dia mahery vaika amin’ny fanasaziana.
166إِذْ تَبَرَّأَ الَّذِينَ اتُّبِعُوا مِنَ الَّذِينَ اتَّبَعُوا وَرَأَوُا الْعَذَابَ وَتَقَطَّعَتْ بِهِمُ الْأَسْبَابُ
Raha niala tsiny ireo izay narahina, tamin’ireo izay nanaraka azy ireo, ka samy nahita ny famaizana, dia ho tapaka ny rohim-pifandraisana amin’izy ireo.
167وَقَالَ الَّذِينَ اتَّبَعُوا لَوْ أَنَّ لَنَا كَرَّةً فَنَتَبَرَّأَ مِنْهُمْ كَمَا تَبَرَّءُوا مِنَّا ۗ كَذَٰلِكَ يُرِيهِمُ اللَّهُ أَعْمَالَهُمْ حَسَرَاتٍ عَلَيْهِمْ ۖ وَمَا هُم بِخَارِجِينَ مِنَ النَّارِ
Ka hilaza ireo izay notarihina hoe : “Raha nanana fotoana fohy monja niverenana tany ambonin’ny tany izahay, dia mba nihataka lavitra azy ireo tahaka izao ihatahany anay izao ihany koa”. Toy izany no hanehoan’Allah azy ireny ny asany; fanenenana mafy no mihatra aminy; ary izy ireo dia tsy hivoaka ny Afobe intsony.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
165Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 165

Surah Al-Baqarah Andininy 165 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary misy amin’ny olombelona izay mandray zavatra hafa, ankoatran’i Allah,…

Surah Andininy 165/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 163–167. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers