An-Nisa · 94/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا ضَرَبْتُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَتَبَيَّنُوا وَلَا تَقُولُوا لِمَنْ أَلْقَىٰ إِلَيْكُمُ السَّلَامَ لَسْتَ مُؤْمِنًا تَبْتَغُونَ عَرَضَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا فَعِندَ اللَّهِ مَغَانِمُ كَثِيرَةٌ ۚ كَذَٰلِكَ كُنتُم مِّن قَبْلُ فَمَنَّ اللَّهُ عَلَيْكُمْ فَتَبَيَّنُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرًا ۝٩٤
Yaaa aiyuhal lazeena aamanoo izaa darabtum fee sabeelil laahi fatabaiyanoo wa laa taqooloo liman alqaaa ilaikumus salaama lasta mu`minan tabtaghoona `aradal hayaatid dunyaa fa`indal laahi maghaanimu kaseerah; kazaalika kuntum min qablu famannnal laahu `alaikum fatabaiyanoo; innallaaha kaana bimaa ta`maloona Khabeeraa
📖 Dikany Malagasy
Ô ianareo izay nino ! Raha mivoaka amin’ny làlan’I Allah ianareo, dia aoka hanadihady tsara, ary tsy hiteny ianareo amin’ny olona izay miarahaba anareo hoe : “Tsy mpino ianao”. Mikatsaka ny tombontsoa eto an-tany ianareo. Kanefa eo anatrehan’I Allah no misy ny harena babo an’ady maro. Tahaka izany ianareo teo aloha, nefa nomen’I Allah tombony, ka aoka mba hanadihady tsara. Ary tena marina, fa I Allah dia mahafantatra tsara izay ataonareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 92-96 — An-Nisa

92وَمَا كَانَ لِمُؤْمِنٍ أَن يَقْتُلَ مُؤْمِنًا إِلَّا خَطَأً ۚ وَمَن قَتَلَ مُؤْمِنًا خَطَأً فَتَحْرِيرُ رَقَبَةٍ مُّؤْمِنَةٍ وَدِيَةٌ مُّسَلَّمَةٌ إِلَىٰ أَهْلِهِ إِلَّا أَن يَصَّدَّقُوا ۚ فَإِن كَانَ مِن قَوْمٍ عَدُوٍّ لَّكُمْ وَهُوَ مُؤْمِنٌ فَتَحْرِيرُ رَقَبَةٍ مُّؤْمِنَةٍ ۖ وَإِن كَانَ مِن قَوْمٍ بَيْنَكُمْ وَبَيْنَهُم مِّيثَاقٌ فَدِيَةٌ مُّسَلَّمَةٌ إِلَىٰ أَهْلِهِ وَتَحْرِيرُ رَقَبَةٍ مُّؤْمِنَةٍ ۖ فَمَن لَّمْ يَجِدْ فَصِيَامُ شَهْرَيْنِ مُتَتَابِعَيْنِ تَوْبَةً مِّنَ اللَّهِ ۗ وَكَانَ اللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا
Tsy azon’ny mpino atao ny mamono ny mpino namany afa-tsy hoe nohon'ny tsy fitandremana. Ary izay nahafaty mpino iray nohon'ny hadisoana na tsy fitandremana, dia aoka izy hamotsotra andevo mpino iray no sady hanome honitra ny fianakavian’ny maty nohon'ny hadisoana izay nataony afa-tsy hoe namela izany amim-pahatsorana izy ireo. Fa raha toa ka avy amin’ny fianakaviana fahavalonareo, kanefa mpino izy, dia tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty.Fa raha avy amin’ny vahoaka nahavita fifanarahana taminareo dia tsy maintsy manome honitra ny fianakavian’ny maty ireo fianakavin’ny nahafaty. Ary tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty. Fa raha sendra tsy mahita andevo ho votsorana na tsy manana fahafahana hanao izany izy, dia tsy maintsy manao fifadian-kanina roa volana mifanesy. Izany dia mba ho fibebahana amin'I Allah. Fa tena Mahalala ny ny zavatra rehetra sady be fahendrena I Allah.
93وَمَن يَقْتُلْ مُؤْمِنًا مُّتَعَمِّدًا فَجَزَاؤُهُ جَهَنَّمُ خَالِدًا فِيهَا وَغَضِبَ اللَّهُ عَلَيْهِ وَلَعَنَهُ وَأَعَدَّ لَهُ عَذَابًا عَظِيمًا
Fa n’iza n’iza kosa mamono mpino iray, am-piniavana, ny valin’asany dia ny fidirana ao anaty afobe, hitoetra ao mandrakizay izy. Ary hihatra aminy ny hatezeran’I Allah sy ny ozony, ary hanomana famaizana lehibe ho azy Izy.
94يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا ضَرَبْتُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَتَبَيَّنُوا وَلَا تَقُولُوا لِمَنْ أَلْقَىٰ إِلَيْكُمُ السَّلَامَ لَسْتَ مُؤْمِنًا تَبْتَغُونَ عَرَضَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا فَعِندَ اللَّهِ مَغَانِمُ كَثِيرَةٌ ۚ كَذَٰلِكَ كُنتُم مِّن قَبْلُ فَمَنَّ اللَّهُ عَلَيْكُمْ فَتَبَيَّنُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرًا
Ô ianareo izay nino ! Raha mivoaka amin’ny làlan’I Allah ianareo, dia aoka hanadihady tsara, ary tsy hiteny ianareo amin’ny olona izay miarahaba anareo hoe : “Tsy mpino ianao”. Mikatsaka ny tombontsoa eto an-tany ianareo. Kanefa eo anatrehan’I Allah no misy ny harena babo an’ady maro. Tahaka izany ianareo teo aloha, nefa nomen’I Allah tombony, ka aoka mba hanadihady tsara. Ary tena marina, fa I Allah dia mahafantatra tsara izay ataonareo.
95لَّا يَسْتَوِي الْقَاعِدُونَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ غَيْرُ أُولِي الضَّرَرِ وَالْمُجَاهِدُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ ۚ فَضَّلَ اللَّهُ الْمُجَاهِدِينَ بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ عَلَى الْقَاعِدِينَ دَرَجَةً ۚ وَكُلًّا وَعَدَ اللَّهُ الْحُسْنَىٰ ۚ وَفَضَّلَ اللَّهُ الْمُجَاهِدِينَ عَلَى الْقَاعِدِينَ أَجْرًا عَظِيمًا
Tsy mitovy ireo mpino mipetraka ao an-trano, ankoatr'ireo manan-takaitra, sy ireo mivoaka amin’ny lalàn’I Allah, miaraka amin’ny haren’izy ireo sy ny vatan’izy ireo. Nomen’I Allah tombony ireo mivoaka miaraka amin’ny haren'izy ireo sy vatan’izy ireo, noho ireo izay mipetraka ao an-trano; eo amin’ny mari-boninahitra. Ary ny rehetra dia nampanantenain’I Allah valisoa mendrika, ary nomen’I Allah tombony amin’ny valisoa lehibe ireo Miady amin'ny lalan'I Allah noho ireo izay mipetraka ao an-trano.
96دَرَجَاتٍ مِّنْهُ وَمَغْفِرَةً وَرَحْمَةً ۚ وَكَانَ اللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا
Mari-boninahitra maro avy Aminy, sy ny famelan-keloka ary ny famindram-po. Ary I Allah dia tena be Famelan-keloka sy be Indrafo.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
94Andininy

Fandikana — An-Nisa 94

Surah An-Nisa Andininy 94 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ô ianareo izay nino ! Raha mivoaka amin’ny làlan’I Allah…

Surah Andininy 94/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 92–96. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers