Al-A'raf · 87/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَإِن كَانَ طَائِفَةٌ مِّنكُمْ آمَنُوا بِالَّذِي أُرْسِلْتُ بِهِ وَطَائِفَةٌ لَّمْ يُؤْمِنُوا فَاصْبِرُوا حَتَّىٰ يَحْكُمَ اللَّهُ بَيْنَنَا ۚ وَهُوَ خَيْرُ الْحَاكِمِينَ ۝٨٧
Wa In kaana taaa`ifatum minkum aamanoo billazeee ursiltu bihee wa taaa`ifatul lam yu`minoo fasbiroo hattaa yahkumual laahu bainanaa; wa Huwa khairul haakimeen
📖 Dikany Malagasy
Ary raha ny andiany aminareo no nino tamin’izay nalefa tamiko ka ny andiany iray hafa kosa tsy nino, dia mahareta ianareo mandra-pahatongan’I Allah hitsara isika, Izy no Mpitsara mendrika indrindra”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 85-89 — Al-A'raf

85وَإِلَىٰ مَدْيَنَ أَخَاهُمْ شُعَيْبًا ۗ قَالَ يَا قَوْمِ اعْبُدُوا اللَّهَ مَا لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرُهُ ۖ قَدْ جَاءَتْكُم بَيِّنَةٌ مِّن رَّبِّكُمْ ۖ فَأَوْفُوا الْكَيْلَ وَالْمِيزَانَ وَلَا تَبْخَسُوا النَّاسَ أَشْيَاءَهُمْ وَلَا تُفْسِدُوا فِي الْأَرْضِ بَعْدَ إِصْلَاحِهَا ۚ ذَٰلِكُمْ خَيْرٌ لَّكُمْ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Ary ho an’ny (vahoaka) Madiàna, (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Sho’aïb, ka niteny Izy nanao hoe : “Ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo. Efa tonga taminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo. Ataovy marina ny famarana sy fandanjana. Ary aza manome olona latsak'izay tokony ho azy. Ary aza manao ny asa fanimbana eto ambonin'ny tany ianareo aorian’ny fanatsarana azy. Izany dia tsara ho anareo raha mpino ianareo.
86وَلَا تَقْعُدُوا بِكُلِّ صِرَاطٍ تُوعِدُونَ وَتَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ اللَّهِ مَنْ آمَنَ بِهِ وَتَبْغُونَهَا عِوَجًا ۚ وَاذْكُرُوا إِذْ كُنتُمْ قَلِيلًا فَكَثَّرَكُمْ ۖ وَانظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الْمُفْسِدِينَ
Ary aza mipetraka eny an-dàlana rehetra eny ianareo, mandrahona sy misakana ny lalàn’I Allah amin’izay mino Azy ka mitady hampiholakolaka izany (làlana izany). Ary tsarovinareo raha fony mbola vitsy ianareo ka nampitomboiny ho maro. Ary jerenareo, ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny asa fanimbana.
87وَإِن كَانَ طَائِفَةٌ مِّنكُمْ آمَنُوا بِالَّذِي أُرْسِلْتُ بِهِ وَطَائِفَةٌ لَّمْ يُؤْمِنُوا فَاصْبِرُوا حَتَّىٰ يَحْكُمَ اللَّهُ بَيْنَنَا ۚ وَهُوَ خَيْرُ الْحَاكِمِينَ
Ary raha ny andiany aminareo no nino tamin’izay nalefa tamiko ka ny andiany iray hafa kosa tsy nino, dia mahareta ianareo mandra-pahatongan’I Allah hitsara isika, Izy no Mpitsara mendrika indrindra”.
88۞ قَالَ الْمَلَأُ الَّذِينَ اسْتَكْبَرُوا مِن قَوْمِهِ لَنُخْرِجَنَّكَ يَا شُعَيْبُ وَالَّذِينَ آمَنُوا مَعَكَ مِن قَرْيَتِنَا أَوْ لَتَعُودُنَّ فِي مِلَّتِنَا ۚ قَالَ أَوَلَوْ كُنَّا كَارِهِينَ
Niteny ireo loholona izay nanambony tena avy amin’ny vahoakany manao hoe : "Tena havoakanay ato amin'ny tanànanay ianao ry Sho’aïb sy ireo izay nino miaraka taminao, na miverina amin'ny finoanay ianao". Niteny izy hoe : "Na dia efa mankahala izany aza ve izahay?”
89قَدِ افْتَرَيْنَا عَلَى اللَّهِ كَذِبًا إِنْ عُدْنَا فِي مِلَّتِكُم بَعْدَ إِذْ نَجَّانَا اللَّهُ مِنْهَا ۚ وَمَا يَكُونُ لَنَا أَن نَّعُودَ فِيهَا إِلَّا أَن يَشَاءَ اللَّهُ رَبُّنَا ۚ وَسِعَ رَبُّنَا كُلَّ شَيْءٍ عِلْمًا ۚ عَلَى اللَّهِ تَوَكَّلْنَا ۚ رَبَّنَا افْتَحْ بَيْنَنَا وَبَيْنَ قَوْمِنَا بِالْحَقِّ وَأَنتَ خَيْرُ الْفَاتِحِينَ
Namoron-dainga tokoa mahakasik'’I Allah izahay raha toa ka mbola miverina amin’ny finoanareo taorian’ny nanavotan’I Allah anay tamin’izany. Tsy izahay velively no hiverina amin’izany raha tsy hoe sitrak’I Allah izay Tomponay izany, mahenika ny zava-drehetra ny fahalalan’ny Tomponay, any amin’I Allah irery no hiankinanay.Tomponay o ! Tsarao amin’ny fahamarinana ny eo aminay sy ny vahoakanay, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
87Andininy

Fandikana — Al-A'raf 87

Surah Andininy 87/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 85–89. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers