Al-Isra · 60/111
Fandikana Fanononana — Al-Isra
وَإِذْ قُلْنَا لَكَ إِنَّ رَبَّكَ أَحَاطَ بِالنَّاسِ ۚ وَمَا جَعَلْنَا الرُّؤْيَا الَّتِي أَرَيْنَاكَ إِلَّا فِتْنَةً لِّلنَّاسِ وَالشَّجَرَةَ الْمَلْعُونَةَ فِي الْقُرْآنِ ۚ وَنُخَوِّفُهُمْ فَمَا يَزِيدُهُمْ إِلَّا طُغْيَانًا كَبِيرًا ۝٦٠
Wa iz qulnaa laka inna rabbaka ahaata binnaas; wa maa ja`alnar ru`yal lateee arainaaka illaa fitnatal linnaasi washshajaratal mal`oonata fil quraan; wa nukhaw wifuhum famaa yazeeduhum illa tughyaanan kabeeraa
📖 Dikany Malagasy
Ary rehefa noteneninay ianao, fa ny Tomponao tokoa dia mamehy ny olombelona rehetra. Ary tsy nasehonay taminao ny fahitana (ny fahagagana), raha tsy fitsapana ho an’ireo olona ihany, toy ny hazo voahozona ao amin’ny Kor’any. Ary ampatahorinay izy ireo, nefa izany dia vao maika mampitombo ho azy ireo ny fihoaram-pefy lehibe.
🎧 Henoy

📜 Andininy 58-62 — Al-Isra

58وَإِن مِّن قَرْيَةٍ إِلَّا نَحْنُ مُهْلِكُوهَا قَبْلَ يَوْمِ الْقِيَامَةِ أَوْ مُعَذِّبُوهَا عَذَابًا شَدِيدًا ۚ كَانَ ذَٰلِكَ فِي الْكِتَابِ مَسْطُورًا
Tsy misy tanàna (tsy nino) raha tsy haringanay alohan’ny andro fitsanganana amin’ny maty, na ho faizinay amin’ny famaizana mamirifiry. Voarakitra tsara ao amin’ny Boky izany.
59وَمَا مَنَعَنَا أَن نُّرْسِلَ بِالْآيَاتِ إِلَّا أَن كَذَّبَ بِهَا الْأَوَّلُونَ ۚ وَآتَيْنَا ثَمُودَ النَّاقَةَ مُبْصِرَةً فَظَلَمُوا بِهَا ۚ وَمَا نُرْسِلُ بِالْآيَاتِ إِلَّا تَخْوِيفًا
Ary tsy misy nisakana Anay handefa fahagagana mihitsy raha tsy ny fiampangan’ireo vahoaka teo aloha izany ho lainga. Ary efa nomenay (ireo vahoaka) Thamody ny rameva vavy (izay fahagagana) hita maso saingy nanaovan’izy ireo ny tsy rariny izany. Ary tsy mandefa ireo fahagagana Izahay raha tsy ho fampatahorana.
60وَإِذْ قُلْنَا لَكَ إِنَّ رَبَّكَ أَحَاطَ بِالنَّاسِ ۚ وَمَا جَعَلْنَا الرُّؤْيَا الَّتِي أَرَيْنَاكَ إِلَّا فِتْنَةً لِّلنَّاسِ وَالشَّجَرَةَ الْمَلْعُونَةَ فِي الْقُرْآنِ ۚ وَنُخَوِّفُهُمْ فَمَا يَزِيدُهُمْ إِلَّا طُغْيَانًا كَبِيرًا
Ary rehefa noteneninay ianao, fa ny Tomponao tokoa dia mamehy ny olombelona rehetra. Ary tsy nasehonay taminao ny fahitana (ny fahagagana), raha tsy fitsapana ho an’ireo olona ihany, toy ny hazo voahozona ao amin’ny Kor’any. Ary ampatahorinay izy ireo, nefa izany dia vao maika mampitombo ho azy ireo ny fihoaram-pefy lehibe.
61وَإِذْ قُلْنَا لِلْمَلَائِكَةِ اسْجُدُوا لِآدَمَ فَسَجَدُوا إِلَّا إِبْلِيسَ قَالَ أَأَسْجُدُ لِمَنْ خَلَقْتَ طِينًا
Ary rehefa niteny Izahay tamin’ireo Anjely nanao hoe : “Miankohofa amin’i Adama ianareo”, dia niankohoka avokoa izy ireo afa-tsy Iblisy (satana) izay niteny hoe : “Hiankohoka amin’izay namboarinao avy amin’ny tany manga ve aho ?”.
62قَالَ أَرَأَيْتَكَ هَٰذَا الَّذِي كَرَّمْتَ عَلَيَّ لَئِنْ أَخَّرْتَنِ إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ لَأَحْتَنِكَنَّ ذُرِّيَّتَهُ إِلَّا قَلِيلًا
Niteny indray izy nanao hoe : “Hitanao ve ilay nomenao haja ambony kokoa noho izaho ? Raha mba omenao fotoana aho hatramin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), dia hanjakako tanteraka ireo taranany afa-tsy ny vitsy an'isa (amin’izy ireo)”.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
60Andininy

Fandikana — Al-Isra 60

Surah Al-Isra Andininy 60 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary rehefa noteneninay ianao, fa ny Tomponao tokoa dia mamehy…

Surah Andininy 60/111 — Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Isra Henoy, Al-Isra Fandikana, Al-Isra mp3, Al-Isra pdf. Andininy 58–62. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers