Al-Baqarah · 103/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَلَوۡ أَنَّهُمۡ ءَامَنُواْ وَٱتَّقَوۡاْ لَمَثُوبَةٌ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ خَيۡرٌۚ لَّوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ  ۝١٠٣
Wa law annahum aamanoo wattaqaw lamasoobatum min `indillaahi khairun law kaanoo ya`lamoon
📖 Dikany Malagasy
Fa raha nino sy nitandrina izy ireny, dia ho tsara lavitra ny valisoa avy amin’Allah, Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!
🎧 Henoy

📜 Andininy 101-105 — Al-Baqarah

101وَلَمَّا جَآءَهُمۡ رَسُولٌ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ مُصَدِّقٌ لِّمَا مَعَهُمۡ نَبَذَ فَرِيقٌ مِّنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ كِتَٰبَ ٱللَّهِ وَرَآءَ ظُهُورِهِمۡ كَأَنَّهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ 
Ary rehefa tonga tamin'izy ireo ny Iraka avy tamin'i Allah, izay manamarina ny teo am-pelatanan'izy ireo, dia misy andiany tamin'ireo olon'ny Boky no nanipy ny Bokin'i Allah tao an-damosiny, sahala amin'ny hoe tsy mahalala izany izy ireo.
102وَٱتَّبَعُواْ مَا تَتۡلُواْ ٱلشَّيَٰطِينُ عَلَىٰ مُلۡكِ سُلَيۡمَٰنَۖ وَمَا كَفَرَ سُلَيۡمَٰنُ وَلَٰكِنَّ ٱلشَّيَٰطِينَ كَفَرُواْ يُعَلِّمُونَ ٱلنَّاسَ ٱلسِّحۡرَ وَمَآ أُنزِلَ عَلَى ٱلۡمَلَكَيۡنِ بِبَابِلَ هَٰرُوتَ وَمَٰرُوتَۚ وَمَا يُعَلِّمَانِ مِنۡ أَحَدٍ حَتَّىٰ يَقُولَآ إِنَّمَا نَحۡنُ فِتۡنَةٌ فَلَا تَكۡفُرۡۖ فَيَتَعَلَّمُونَ مِنۡهُمَا مَا يُفَرِّقُونَ بِهِۦ بَيۡنَ ٱلۡمَرۡءِ وَزَوۡجِهِۦۚ وَمَا هُم بِضَآرِّينَ بِهِۦ مِنۡ أَحَدٍ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ وَيَتَعَلَّمُونَ مَا يَضُرُّهُمۡ وَلَا يَنفَعُهُمۡۚ وَلَقَدۡ عَلِمُواْ لَمَنِ ٱشۡتَرَىٰهُ مَا لَهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنۡ خَلَٰقٍۚ وَلَبِئۡسَ مَا شَرَوۡاْ بِهِۦٓ أَنفُسَهُمۡۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ 
Ary dia nanaraka izay nolazain’ireo satana tao amin’ny fanjakan’i Souleiman izy ireo. Tsy mbola nitsipaka ny didin’Allah velively raha i Souleiman, fa ireo satana indrindra no nitsipaka ny didin’Allah; nampianatra mosavy ny olona izy ireo, sy izay nampidinina tamin’ireo Anjely roa tany Babilôna : Harota sy Marota. Ary tsy nampianatra na iza na iza ireo anjely roa ireo raha tsy niteny mialoha nanao hoe : “Tsy inona akory izahay raha tsy fakam-panahy ihany; ka aoka ianareo mba tsy ho isan’ireo tsy mpino”; koa dia nianaran’izy ireo tamin’ireto anjely ireto tamin’izany ny fomba fampisarahana ny olona amin’ny vadiny. Kanefa tsy afaka nisompatra olona izy ireny raha tsy sitrak’Allah. Ary ny zavatra nanimba ny tenan’izy ireo ihany no nianarany, fa tsy izay misy vokatsoa ho azy. Ary efa fantatr’izy ireo tsara ihany koa, fa izay misafidy izany, dia tsy hahazo anjara intsony any an-koatra. Ka tena faharatsiana tokoa no natakalon’izy ireny ny fanahiny! Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!
103وَلَوۡ أَنَّهُمۡ ءَامَنُواْ وَٱتَّقَوۡاْ لَمَثُوبَةٌ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ خَيۡرٌۚ لَّوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ 
Fa raha nino sy nitandrina izy ireny, dia ho tsara lavitra ny valisoa avy amin’Allah, Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!
104يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَقُولُواْ رَٰعِنَا وَقُولُواْ ٱنظُرۡنَا وَٱسۡمَعُواْۗ وَلِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٌ أَلِيمٌ 
o ianareo mpino! Aza miteny hoe : “Asongadino izahay”. Fa mitenena hoe : “Jereo izahay”; ary mihainoa ianareo! Fa, sazy feno fanaintainana no miandry ireo tsy mpino.
105مَّا يَوَدُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ وَلَا ٱلۡمُشۡرِكِينَ أَن يُنَزَّلَ عَلَيۡكُم مِّنۡ خَيۡرٍ مِّن رَّبِّكُمۡۚ وَٱللَّهُ يَخۡتَصُّ بِرَحۡمَتِهِۦ مَن يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ ذُو ٱلۡفَضۡلِ ٱلۡعَظِيمِ 
Tsy tian'ireo tsy mpino, na ireo vahoaka ny jiosy na ireo mpanompo sampy, ny hirotsahan'ny fahasoavana eo aminareo, avy amin'ny Tomponareo; nefa Allah no manokana ny indrafony ho an'izay sitrany; ary Allah no tompon'ilay fahasoavana lehibe.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
103Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 103

Surah Andininy 103/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 101–105. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers