Al-Baqarah · 104/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَقُولُوا رَاعِنَا وَقُولُوا انظُرْنَا وَاسْمَعُوا ۗ وَلِلْكَافِرِينَ عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝١٠٤
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo laa taqooloo raa`inaa wa qoolun zurnaa wasma`oo; wa lilkaafireena `azaabun aleem
📖 Dikany Malagasy
o ianareo mpino! Aza miteny hoe : “Asongadino izahay”. Fa mitenena hoe : “Jereo izahay”; ary mihainoa ianareo! Fa, sazy feno fanaintainana no miandry ireo tsy mpino.
🎧 Henoy

📜 Andininy 102-106 — Al-Baqarah

102وَاتَّبَعُوا مَا تَتْلُو الشَّيَاطِينُ عَلَىٰ مُلْكِ سُلَيْمَانَ ۖ وَمَا كَفَرَ سُلَيْمَانُ وَلَٰكِنَّ الشَّيَاطِينَ كَفَرُوا يُعَلِّمُونَ النَّاسَ السِّحْرَ وَمَا أُنزِلَ عَلَى الْمَلَكَيْنِ بِبَابِلَ هَارُوتَ وَمَارُوتَ ۚ وَمَا يُعَلِّمَانِ مِنْ أَحَدٍ حَتَّىٰ يَقُولَا إِنَّمَا نَحْنُ فِتْنَةٌ فَلَا تَكْفُرْ ۖ فَيَتَعَلَّمُونَ مِنْهُمَا مَا يُفَرِّقُونَ بِهِ بَيْنَ الْمَرْءِ وَزَوْجِهِ ۚ وَمَا هُم بِضَارِّينَ بِهِ مِنْ أَحَدٍ إِلَّا بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ وَيَتَعَلَّمُونَ مَا يَضُرُّهُمْ وَلَا يَنفَعُهُمْ ۚ وَلَقَدْ عَلِمُوا لَمَنِ اشْتَرَاهُ مَا لَهُ فِي الْآخِرَةِ مِنْ خَلَاقٍ ۚ وَلَبِئْسَ مَا شَرَوْا بِهِ أَنفُسَهُمْ ۚ لَوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ
Ary dia nanaraka izay nolazain’ireo satana tao amin’ny fanjakan’i Souleiman izy ireo. Tsy mbola nitsipaka ny didin’Allah velively raha i Souleiman, fa ireo satana indrindra no nitsipaka ny didin’Allah; nampianatra mosavy ny olona izy ireo, sy izay nampidinina tamin’ireo Anjely roa tany Babilôna : Harota sy Marota. Ary tsy nampianatra na iza na iza ireo anjely roa ireo raha tsy niteny mialoha nanao hoe : “Tsy inona akory izahay raha tsy fakam-panahy ihany; ka aoka ianareo mba tsy ho isan’ireo tsy mpino”; koa dia nianaran’izy ireo tamin’ireto anjely ireto tamin’izany ny fomba fampisarahana ny olona amin’ny vadiny. Kanefa tsy afaka nisompatra olona izy ireny raha tsy sitrak’Allah. Ary ny zavatra nanimba ny tenan’izy ireo ihany no nianarany, fa tsy izay misy vokatsoa ho azy. Ary efa fantatr’izy ireo tsara ihany koa, fa izay misafidy izany, dia tsy hahazo anjara intsony any an-koatra. Ka tena faharatsiana tokoa no natakalon’izy ireny ny fanahiny! Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!
103وَلَوْ أَنَّهُمْ آمَنُوا وَاتَّقَوْا لَمَثُوبَةٌ مِّنْ عِندِ اللَّهِ خَيْرٌ ۖ لَّوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ
Fa raha nino sy nitandrina izy ireny, dia ho tsara lavitra ny valisoa avy amin’Allah, Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!
104يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَقُولُوا رَاعِنَا وَقُولُوا انظُرْنَا وَاسْمَعُوا ۗ وَلِلْكَافِرِينَ عَذَابٌ أَلِيمٌ
o ianareo mpino! Aza miteny hoe : “Asongadino izahay”. Fa mitenena hoe : “Jereo izahay”; ary mihainoa ianareo! Fa, sazy feno fanaintainana no miandry ireo tsy mpino.
105مَّا يَوَدُّ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْ أَهْلِ الْكِتَابِ وَلَا الْمُشْرِكِينَ أَن يُنَزَّلَ عَلَيْكُم مِّنْ خَيْرٍ مِّن رَّبِّكُمْ ۗ وَاللَّهُ يَخْتَصُّ بِرَحْمَتِهِ مَن يَشَاءُ ۚ وَاللَّهُ ذُو الْفَضْلِ الْعَظِيمِ
Tsy tian'ireo tsy mpino, na ireo vahoaka ny jiosy na ireo mpanompo sampy, ny hirotsahan'ny fahasoavana eo aminareo, avy amin'ny Tomponareo; nefa Allah no manokana ny indrafony ho an'izay sitrany; ary Allah no tompon'ilay fahasoavana lehibe.
106۞ مَا نَنسَخْ مِنْ آيَةٍ أَوْ نُنسِهَا نَأْتِ بِخَيْرٍ مِّنْهَا أَوْ مِثْلِهَا ۗ أَلَمْ تَعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Raha manafoana (lalàna fonosin'ny) andininy iray Izahay na mampanadino izany tanteraka, dia mitondra tsaratsara noho izany hatrany, na koa mitovy aminy. tsy efa fantatrao ve fa Allah dia mahefa tokoa ny zavatra rehetra ?
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
104Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 104

Surah Al-Baqarah Andininy 104 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : o ianareo mpino! Aza miteny hoe : “Asongadino izahay”. Fa…

Surah Andininy 104/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 102–106. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers