Al-Baqarah · 144/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
قَدْ نَرَىٰ تَقَلُّبَ وَجْهِكَ فِي السَّمَاءِ ۖ فَلَنُوَلِّيَنَّكَ قِبْلَةً تَرْضَاهَا ۚ فَوَلِّ وَجْهَكَ شَطْرَ الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ ۚ وَحَيْثُ مَا كُنتُمْ فَوَلُّوا وُجُوهَكُمْ شَطْرَهُ ۗ وَإِنَّ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ لَيَعْلَمُونَ أَنَّهُ الْحَقُّ مِن رَّبِّهِمْ ۗ وَمَا اللَّهُ بِغَافِلٍ عَمَّا يَعْمَلُونَ ۝١٤٤
Qad naraa taqalluba wajhika fis samaaa`i fala nuwalliyannaka qiblatan tardaahaa; fawalli wajhaka shatral Masjidil haaraam; wa haisu maa kuntum fawalloo wujoohakum shatrah; wa innal lazeena ootul Kitaaba laya`lamoona annahul haqqu mir Rabbihim; wa mal laahu bighaafilin `ammaa ya`maloon
📖 Dikany Malagasy
Efa hitanay ny fiandrandran’ny tavanao eny amin’ny lanitra, ka atodikay tokoa ianao any amin’ny Kibla izay mahafaly Anao. Ary atodiho ny tavanao any amin’ny Al-Masjid Al-Haram Ary n’aiza n’aiza misy anareo dia atodiho ny tavanareo any Aminy Tena marina tokoa fa ireo izay notolorana ny Boky dia tena mahafantatra tsara fa izany tokoa no marina avy amin’ny Tompon’izy ireo Ary i Tompo Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra ataon’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 142-146 — Al-Baqarah

142۞ سَيَقُولُ السُّفَهَاءُ مِنَ النَّاسِ مَا وَلَّاهُمْ عَن قِبْلَتِهِمُ الَّتِي كَانُوا عَلَيْهَا ۚ قُل لِّلَّهِ الْمَشْرِقُ وَالْمَغْرِبُ ۚ يَهْدِي مَن يَشَاءُ إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Hilaza ny tsy ampy saina amin’ireo olona ireo hoe : “Iza no nampivily azy ireo tamin’ny fitodihany (kibla), izay efa nitodihan’izy ireo teo aloha?”. Lazao azy ireo : “An’Allah avokoa ny Atsinanana sy ny Andrefana. Mitari-dàlana ny olona amin’ny sitrapony amin’ny làlana mahitsy Izy”.
143وَكَذَٰلِكَ جَعَلْنَاكُمْ أُمَّةً وَسَطًا لِّتَكُونُوا شُهَدَاءَ عَلَى النَّاسِ وَيَكُونَ الرَّسُولُ عَلَيْكُمْ شَهِيدًا ۗ وَمَا جَعَلْنَا الْقِبْلَةَ الَّتِي كُنتَ عَلَيْهَا إِلَّا لِنَعْلَمَ مَن يَتَّبِعُ الرَّسُولَ مِمَّن يَنقَلِبُ عَلَىٰ عَقِبَيْهِ ۚ وَإِن كَانَتْ لَكَبِيرَةً إِلَّا عَلَى الَّذِينَ هَدَى اللَّهُ ۗ وَمَا كَانَ اللَّهُ لِيُضِيعَ إِيمَانَكُمْ ۚ إِنَّ اللَّهَ بِالنَّاسِ لَرَءُوفٌ رَّحِيمٌ
Toy izany ihany koa no nanaovanay anareo ho vahoakaafovoany (tsy mtanila), mba hijoroanareo vavolombelona fitaratra eo anatrehan’ny olona, sy hijoroan’ilay Iraka vavolombelona ho anareo. Ary tsy misy antony hafa namaritanay ny fitodihana izay nomenao hasina tokoa, afa-tsy ny hahafahanay manavaka ireo izay manaradia ilay Iraka amin’ireo izay mihatsaravelatsihy aminy. Eny, vesatra lehibe tokoa izany, afa-tsy tamin’ireo izay nampahitsian’Allah. Ary Allah dia tsy hanary velively ny valisoan’ny Finoanareo, hamafisina, fa Allah dia be Fangorahana sy be Indrafo amin’ny olombelona.
144قَدْ نَرَىٰ تَقَلُّبَ وَجْهِكَ فِي السَّمَاءِ ۖ فَلَنُوَلِّيَنَّكَ قِبْلَةً تَرْضَاهَا ۚ فَوَلِّ وَجْهَكَ شَطْرَ الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ ۚ وَحَيْثُ مَا كُنتُمْ فَوَلُّوا وُجُوهَكُمْ شَطْرَهُ ۗ وَإِنَّ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ لَيَعْلَمُونَ أَنَّهُ الْحَقُّ مِن رَّبِّهِمْ ۗ وَمَا اللَّهُ بِغَافِلٍ عَمَّا يَعْمَلُونَ
Efa hitanay ny fiandrandran’ny tavanao eny amin’ny lanitra, ka atodikay tokoa ianao any amin’ny Kibla izay mahafaly Anao. Ary atodiho ny tavanao any amin’ny Al-Masjid Al-Haram Ary n’aiza n’aiza misy anareo dia atodiho ny tavanareo any Aminy Tena marina tokoa fa ireo izay notolorana ny Boky dia tena mahafantatra tsara fa izany tokoa no marina avy amin’ny Tompon’izy ireo Ary i Tompo Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra ataon’izy ireo.
145وَلَئِنْ أَتَيْتَ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ بِكُلِّ آيَةٍ مَّا تَبِعُوا قِبْلَتَكَ ۚ وَمَا أَنتَ بِتَابِعٍ قِبْلَتَهُمْ ۚ وَمَا بَعْضُهُم بِتَابِعٍ قِبْلَةَ بَعْضٍ ۚ وَلَئِنِ اتَّبَعْتَ أَهْوَاءَهُم مِّن بَعْدِ مَا جَاءَكَ مِنَ الْعِلْمِ ۙ إِنَّكَ إِذًا لَّمِنَ الظَّالِمِينَ
Na dia hampiseho amin’ireo izay nomena ny boky ireo porofo famantarana rehetra aza ianao, dia tsy hanaraka ny fitodihanao (kibla) velively izy ireo! Ary tsy ianao ihany koa anefa no tokony hanaraka ny fitodihany; fa na ny andaniny amin’izy ireo aza tsy manaraka ny fitodihan’ny an-kilany. Fa raha nanaraka ny sitrapon’izy ireo ianao taorian’ny nahazoanao ny fahalalàna, dia lazaiko marimarina aminao, fa isan’ireo mpanao ny tsy rariny ianao.
146الَّذِينَ آتَيْنَاهُمُ الْكِتَابَ يَعْرِفُونَهُ كَمَا يَعْرِفُونَ أَبْنَاءَهُمْ ۖ وَإِنَّ فَرِيقًا مِّنْهُمْ لَيَكْتُمُونَ الْحَقَّ وَهُمْ يَعْلَمُونَ
Ireo izay notoloranay ny Boky, dia mahalala an’izany tahaka ny fahalalan’izy ireo ny zanany. Ary tena marina fa misy andiany amin’izy ireo no tena manafina ny marina, kanefa mahafantatra tsara izany izy ireo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
144Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 144

Surah Al-Baqarah Andininy 144 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Efa hitanay ny fiandrandran’ny tavanao eny amin’ny lanitra, ka atodikay…

Surah Andininy 144/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 142–146. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers