Al-Baqarah · 219/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
۞ يَسْأَلُونَكَ عَنِ الْخَمْرِ وَالْمَيْسِرِ ۖ قُلْ فِيهِمَا إِثْمٌ كَبِيرٌ وَمَنَافِعُ لِلنَّاسِ وَإِثْمُهُمَا أَكْبَرُ مِن نَّفْعِهِمَا ۗ وَيَسْأَلُونَكَ مَاذَا يُنفِقُونَ قُلِ الْعَفْوَ ۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ اللَّهُ لَكُمُ الْآيَاتِ لَعَلَّكُمْ تَتَفَكَّرُونَ ۝٢١٩
Yas`aloonaka `anilkhamri walmaisiri qul feehimaaa ismun kabeerunw wa manaafi`u linnaasi wa ismuhumaa akbaru min naf`ihimaa; wa yas`aloonaka maaza yunfiqoona qulil-`afw; kazaalika yubaiyinul laahu lakumul-aayaati la`allakum tatafakkaroon
📖 Dikany Malagasy
Hanontany anao izy ireo momba ny toaka sy ny loka. Teneno hoe : “ Amin’izy roa dia misy fahotana lehibe, sy tombotsoa ho an’ny olombelona, saingy ny fahotana (aterak’) izy roa dia lehibe kokoa noho ny tombotsoa (azo avy) aminy. ary hanontany anao koa izy ireo hoe : “ Inona no tokony havoakanay ? ” Teneno hoe : “ Ny famelana ”. Toy izany no hanazavan’i Allah aminareo ny fanambarany, angamba hieritreritra ianareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 217-221 — Al-Baqarah

217يَسْأَلُونَكَ عَنِ الشَّهْرِ الْحَرَامِ قِتَالٍ فِيهِ ۖ قُلْ قِتَالٌ فِيهِ كَبِيرٌ ۖ وَصَدٌّ عَن سَبِيلِ اللَّهِ وَكُفْرٌ بِهِ وَالْمَسْجِدِ الْحَرَامِ وَإِخْرَاجُ أَهْلِهِ مِنْهُ أَكْبَرُ عِندَ اللَّهِ ۚ وَالْفِتْنَةُ أَكْبَرُ مِنَ الْقَتْلِ ۗ وَلَا يَزَالُونَ يُقَاتِلُونَكُمْ حَتَّىٰ يَرُدُّوكُمْ عَن دِينِكُمْ إِنِ اسْتَطَاعُوا ۚ وَمَن يَرْتَدِدْ مِنكُمْ عَن دِينِهِ فَيَمُتْ وَهُوَ كَافِرٌ فَأُولَٰئِكَ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ ۖ وَأُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Manontany anao izy ireo ny amin’ny fifandonana an’ady ao anatin’ilay volana masina. Koa lazao azy ireo hoe : “Fahotana lehibe tokoa ny fifandonana an’ady mandritra izany, kanefa lehibe mihoatra izany kosa ny fanakanana ny olona amin’ny làlan’Allah sy ny fanaovana tsinontsinona Azy, na ilay trano fiankohofana masina sy ny fanaovan-tsesi-tany ny olona ao aminy. Ary ny fanakorontanana koa dia lehibe mihoatra ny famonoana olona”. Ary tsy hitsahatra ny handringana anareo izy ireny mandra-pialanareo amin’ny finoanareo, raha afaka manao izany izy ireo. Ka na iza na iza miala amin’ny finoany aminareo ary maty ao anatin’ny tsy finoana, dia ho foana ny asan’izy ireny ety an-tany sy any an-koatra. Ireo indrindra no olon’ny afobe, izay hitoetra ao mandrakizay.
218إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَالَّذِينَ هَاجَرُوا وَجَاهَدُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ أُولَٰئِكَ يَرْجُونَ رَحْمَتَ اللَّهِ ۚ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Tena marina fa ireo izay nino sy ireo izay nifindra-monina ary miady amin’ny làlan’i Allah, izy ireny dia manantena ny tso-dranony (Allah). Ary Allah dia Mpamela heloka sy be fiantrana.
219۞ يَسْأَلُونَكَ عَنِ الْخَمْرِ وَالْمَيْسِرِ ۖ قُلْ فِيهِمَا إِثْمٌ كَبِيرٌ وَمَنَافِعُ لِلنَّاسِ وَإِثْمُهُمَا أَكْبَرُ مِن نَّفْعِهِمَا ۗ وَيَسْأَلُونَكَ مَاذَا يُنفِقُونَ قُلِ الْعَفْوَ ۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ اللَّهُ لَكُمُ الْآيَاتِ لَعَلَّكُمْ تَتَفَكَّرُونَ
Hanontany anao izy ireo momba ny toaka sy ny loka. Teneno hoe : “ Amin’izy roa dia misy fahotana lehibe, sy tombotsoa ho an’ny olombelona, saingy ny fahotana (aterak’) izy roa dia lehibe kokoa noho ny tombotsoa (azo avy) aminy. ary hanontany anao koa izy ireo hoe : “ Inona no tokony havoakanay ? ” Teneno hoe : “ Ny famelana ”. Toy izany no hanazavan’i Allah aminareo ny fanambarany, angamba hieritreritra ianareo.
220فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ ۗ وَيَسْأَلُونَكَ عَنِ الْيَتَامَىٰ ۖ قُلْ إِصْلَاحٌ لَّهُمْ خَيْرٌ ۖ وَإِن تُخَالِطُوهُمْ فَإِخْوَانُكُمْ ۚ وَاللَّهُ يَعْلَمُ الْمُفْسِدَ مِنَ الْمُصْلِحِ ۚ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَأَعْنَتَكُمْ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ny eto an-tany sy ny any ankoatra. ary hanontany anao izy ireo momba an’ireo kamboty. Teneno hoe : “ Ny fanaovana tsara azy ireo no mendrika. ary raha mifangaro amin'izy ireo ianareo, izy ireo dia rahalahinareo. ary Allah dia mahalala ny mpanimba amin’ny mpanamboatra. ary raha sitrak’i Allah dia nosahiraniny mafy ianareo. tena marina fa Allah dia mahery sy hendry.
221وَلَا تَنكِحُوا الْمُشْرِكَاتِ حَتَّىٰ يُؤْمِنَّ ۚ وَلَأَمَةٌ مُّؤْمِنَةٌ خَيْرٌ مِّن مُّشْرِكَةٍ وَلَوْ أَعْجَبَتْكُمْ ۗ وَلَا تُنكِحُوا الْمُشْرِكِينَ حَتَّىٰ يُؤْمِنُوا ۚ وَلَعَبْدٌ مُّؤْمِنٌ خَيْرٌ مِّن مُّشْرِكٍ وَلَوْ أَعْجَبَكُمْ ۗ أُولَٰئِكَ يَدْعُونَ إِلَى النَّارِ ۖ وَاللَّهُ يَدْعُو إِلَى الْجَنَّةِ وَالْمَغْفِرَةِ بِإِذْنِهِ ۖ وَيُبَيِّنُ آيَاتِهِ لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمْ يَتَذَكَّرُونَ
Ary aoka ianareo tsy hampaka-bady ireo vehivavy mpanompo sampy, raha tsy efa mino izy ireny, ary ny mpanompo vavy mpino no mendrika noho ny vehivavy mpanompo sampy, na dia manintona anareo aza ny hatsaran-tarehiny. Ary aza manome vady ireo lehilahy mpanompo sampy ianareo raha tsy efa mino izy ireo, satria ny mpanompo lahy mpino no mendrika toy izay lehilahy mpanompo sampy, na dia mahasarika anareo aza izy. Ireny mpanompo sampy ireny mantsy dia mitaona ny olona mankany amin’ny afobe; fa Allah kosa noho ny fahasoavany dia mitaona ny olona mankany amin’ny Paradisa sy ny famelan-keloka. Izy ihany koa no mampiharihary amin’ny olombelona ireo famantarana rehetra, mba handinihanareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
219Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 219

Surah Al-Baqarah Andininy 219 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Hanontany anao izy ireo momba ny toaka sy ny loka.…

Surah Andininy 219/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 217–221. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers