Al-Qasas · 49/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
قُلْ فَأْتُوا بِكِتَابٍ مِّنْ عِندِ اللَّهِ هُوَ أَهْدَىٰ مِنْهُمَا أَتَّبِعْهُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝٤٩
Qul faatoo bi Kitaabim min `indil laahi huwa ahdaa minhu maaa attabi`hu in kuntum saadiqeen
📖 Dikany Malagasy
Lazao hoe : “Mitondrà ianareo boky iray avy amin’I Allah izay tari-dalana mendrika kokoa noho izy roa ireo, ka hanaraka izany aho raha marina ny anareo”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 47-51 — Al-Qasas

47وَلَوْلَا أَن تُصِيبَهُم مُّصِيبَةٌ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيهِمْ فَيَقُولُوا رَبَّنَا لَوْلَا أَرْسَلْتَ إِلَيْنَا رَسُولًا فَنَتَّبِعَ آيَاتِكَ وَنَكُونَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ
Fa raha misy fahoriana manjò azy ireo nohon'ny vokatr’izay nataon’ny tànany dia hiteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no tsy mba nandefa Iraka taminay Ianao ? Mba nanarahanay ireo Fanambaranao, ka ho anisan’ireo mpino izahay”.
48فَلَمَّا جَاءَهُمُ الْحَقُّ مِنْ عِندِنَا قَالُوا لَوْلَا أُوتِيَ مِثْلَ مَا أُوتِيَ مُوسَىٰ ۚ أَوَلَمْ يَكْفُرُوا بِمَا أُوتِيَ مُوسَىٰ مِن قَبْلُ ۖ قَالُوا سِحْرَانِ تَظَاهَرَا وَقَالُوا إِنَّا بِكُلٍّ كَافِرُونَ
Ary rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana avy Aminay, dia niteny izy ireo hoe : “Raha mba nomena mitovy amin’izay nomena an’i Mosesy izy” Moa tsy nitsipaka izay nomena an’i Mosesy teo aloha ve izy ireo ? Niteny izy ireo hoe : “Majika ankiroa (Thorà sy Kor’àny) no nifanohana !”. Ary niteny izy ireo hoe : “Izahay dia tsy mino na dia iray aza amin’izy ireo”.
49قُلْ فَأْتُوا بِكِتَابٍ مِّنْ عِندِ اللَّهِ هُوَ أَهْدَىٰ مِنْهُمَا أَتَّبِعْهُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Lazao hoe : “Mitondrà ianareo boky iray avy amin’I Allah izay tari-dalana mendrika kokoa noho izy roa ireo, ka hanaraka izany aho raha marina ny anareo”.
50فَإِن لَّمْ يَسْتَجِيبُوا لَكَ فَاعْلَمْ أَنَّمَا يَتَّبِعُونَ أَهْوَاءَهُمْ ۚ وَمَنْ أَضَلُّ مِمَّنِ اتَّبَعَ هَوَاهُ بِغَيْرِ هُدًى مِّنَ اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ
Fa raha tsy mamaly anao izy ireo, dia fantaro àry fa ny sitrapon’izy ireo ihany no arahin’izy ireo. Ary iza koa no very lalana mihoatra izay manaraka ny sitrapony nefa tsy misy tari-dalana avy amin’I Allah ? Marina fa Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
51۞ وَلَقَدْ وَصَّلْنَا لَهُمُ الْقَوْلَ لَعَلَّهُمْ يَتَذَكَّرُونَ
Ary efa novelabelarinay tamin’izy ireo ny teny (Kor’àny), angamba izy ireo hahatsiaro.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
49Andininy

Fandikana — Al-Qasas 49

Surah Al-Qasas Andininy 49 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Lazao hoe : “Mitondrà ianareo boky iray avy amin’I Allah…

Surah Andininy 49/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 47–51. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers