An-Nisa · 101/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَإِذَا ضَرَبْتُمْ فِي الْأَرْضِ فَلَيْسَ عَلَيْكُمْ جُنَاحٌ أَن تَقْصُرُوا مِنَ الصَّلَاةِ إِنْ خِفْتُمْ أَن يَفْتِنَكُمُ الَّذِينَ كَفَرُوا ۚ إِنَّ الْكَافِرِينَ كَانُوا لَكُمْ عَدُوًّا مُّبِينًا ۝١٠١
Wa izaa darabtum fil ardi falaisa `alaikum junaahun an taqsuroo minas Salaati in khiftum ai yaftinakumul lazeena kafarooo; innal kaafireena kaanoo lakum aduwwam mubeenaa
📖 Dikany Malagasy
Ary raha mandeha maneran-tany ianareo, dia tsy misy tsiny raha manafohy ny vavaka fanompoana, raha matahotra ny fitsapan’ireo izay tsy nino ianareo, marina fa ireo tsy mpino dia tena fahavalonareo miharahary.
🎧 Henoy

📜 Andininy 99-103 — An-Nisa

99فَأُولَٰئِكَ عَسَى اللَّهُ أَن يَعْفُوَ عَنْهُمْ ۚ وَكَانَ اللَّهُ عَفُوًّا غَفُورًا
Angamba dia hamela heloka azy ireny I Allah. Ary Allah dia tena be Indrafo sy be Faleman-keloka.
100۞ وَمَن يُهَاجِرْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ يَجِدْ فِي الْأَرْضِ مُرَاغَمًا كَثِيرًا وَسَعَةً ۚ وَمَن يَخْرُجْ مِن بَيْتِهِ مُهَاجِرًا إِلَى اللَّهِ وَرَسُولِهِ ثُمَّ يُدْرِكْهُ الْمَوْتُ فَقَدْ وَقَعَ أَجْرُهُ عَلَى اللَّهِ ۗ وَكَانَ اللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا
Ary izay mifindra-monina amin’ny làlan’I Allah, dia mahita fialokalofana sy toerana maro. Ary izay niala tao an-tranony, ka nifindra-monina amin’ny làlan’iIAllah sy ny Irany, avy eo, tratran’ny fahafafatesana, dia efa azony ny valisoa eo anatrehan’I Allah. Ary I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
101وَإِذَا ضَرَبْتُمْ فِي الْأَرْضِ فَلَيْسَ عَلَيْكُمْ جُنَاحٌ أَن تَقْصُرُوا مِنَ الصَّلَاةِ إِنْ خِفْتُمْ أَن يَفْتِنَكُمُ الَّذِينَ كَفَرُوا ۚ إِنَّ الْكَافِرِينَ كَانُوا لَكُمْ عَدُوًّا مُّبِينًا
Ary raha mandeha maneran-tany ianareo, dia tsy misy tsiny raha manafohy ny vavaka fanompoana, raha matahotra ny fitsapan’ireo izay tsy nino ianareo, marina fa ireo tsy mpino dia tena fahavalonareo miharahary.
102وَإِذَا كُنتَ فِيهِمْ فَأَقَمْتَ لَهُمُ الصَّلَاةَ فَلْتَقُمْ طَائِفَةٌ مِّنْهُم مَّعَكَ وَلْيَأْخُذُوا أَسْلِحَتَهُمْ فَإِذَا سَجَدُوا فَلْيَكُونُوا مِن وَرَائِكُمْ وَلْتَأْتِ طَائِفَةٌ أُخْرَىٰ لَمْ يُصَلُّوا فَلْيُصَلُّوا مَعَكَ وَلْيَأْخُذُوا حِذْرَهُمْ وَأَسْلِحَتَهُمْ ۗ وَدَّ الَّذِينَ كَفَرُوا لَوْ تَغْفُلُونَ عَنْ أَسْلِحَتِكُمْ وَأَمْتِعَتِكُمْ فَيَمِيلُونَ عَلَيْكُم مَّيْلَةً وَاحِدَةً ۚ وَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ إِن كَانَ بِكُمْ أَذًى مِّن مَّطَرٍ أَوْ كُنتُم مَّرْضَىٰ أَن تَضَعُوا أَسْلِحَتَكُمْ ۖ وَخُذُوا حِذْرَكُمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ أَعَدَّ لِلْكَافِرِينَ عَذَابًا مُّهِينًا
Ary raha miaraka amin’izy ireo ianao [69], ka mitarika azy ireo amin’ny Soalat (vavaka), dia aoka ny andiany iray amin’izy ireo hitsangana miaraka aminao sy handray ny fitaovam-piadiany. Ary rehefa avy niankohoka izy ireo dia aoka hivadika ao aorianareo, sy hanatona ny andiany hafa izay mbola tsy nahavita ny Soalat, hanatanteraka izany miaraka aminao. Ary aoka izy ireo hahay hitandrina sy handray ny fitaovam-piadiany. Maniry ireo tsy mpino, raha manao tsirambina ny fitaovam-piadianareo sy ny entanareo ianareo, ny hidina indray miaraka, hanafika anareo izy ireo. Ary tsy misy tsiny ho anareo raha misy ny manahirana anareo, na orana, na marary ianareo ka mametraka ny fitaovam-piadiana, nefa aoka ho mailo tsara ianareo. Tena marina fa i Allah dia efa nanomana ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala baraka.
103فَإِذَا قَضَيْتُمُ الصَّلَاةَ فَاذْكُرُوا اللَّهَ قِيَامًا وَقُعُودًا وَعَلَىٰ جُنُوبِكُمْ ۚ فَإِذَا اطْمَأْنَنتُمْ فَأَقِيمُوا الصَّلَاةَ ۚ إِنَّ الصَّلَاةَ كَانَتْ عَلَى الْمُؤْمِنِينَ كِتَابًا مَّوْقُوتًا
Ary rehefa nahavita ny vavaka fanompoana ianareo, dia tsarovinareo Allah; am-pitsanganana sy am-pipetrahana ary am-patoriana. Ary rehefa tafaverina aminareo ny filaminana, dia tanteraho ny fivavahana araka izay tokony ho izy. Tena marina fa ny vavaka fanompoana dia adidy ho an’ireo mpino ao anaty fotoana voafetra.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
101Andininy

Fandikana — An-Nisa 101

Surah An-Nisa Andininy 101 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha mandeha maneran-tany ianareo, dia tsy misy tsiny raha…

Surah Andininy 101/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 99–103. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers