An-Nisa · 175/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
فَأَمَّا الَّذِينَ آمَنُوا بِاللَّهِ وَاعْتَصَمُوا بِهِ فَسَيُدْخِلُهُمْ فِي رَحْمَةٍ مِّنْهُ وَفَضْلٍ وَيَهْدِيهِمْ إِلَيْهِ صِرَاطًا مُّسْتَقِيمًا ۝١٧٥
Fa ammal lazeena aamanoo billaahi wa`tasamoo bihee fasa yudkhiluhum fee rah matim minhu wa fadlinw wa yahdeehim ilaihi Siraatam Mustaqeema
📖 Dikany Malagasy
Fa ianareo izay nino an’I Allah kosa sy nifikitra Aminy, dia hampidiriny amin’ny indrafo avy Aminy sy ny fahasoavana izy ireo, ary ho tarihiny ho amin’ny lalana mahitsy mankany Aminy izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 173-176 — Surah An-Nisa

173فَأَمَّا الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ فَيُوَفِّيهِمْ أُجُورَهُمْ وَيَزِيدُهُم مِّن فَضْلِهِ ۖ وَأَمَّا الَّذِينَ اسْتَنكَفُوا وَاسْتَكْبَرُوا فَيُعَذِّبُهُمْ عَذَابًا أَلِيمًا وَلَا يَجِدُونَ لَهُم مِّن دُونِ اللَّهِ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا
Fa ireo izay nino kosa sy nanao ireo asa soa, dia omena azy ireo ny valin-kasasarany feno, ary mbola ampitomboina koa izany avy amin’ny fahasoavany. Fa ireo izay nanambony tena sy niavonavona kosa dia ho saziany amin’ny sazy mangirifiry izy ireo, ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra ho an’i tenany ankoatran’I Allah izy ireo.
174يَا أَيُّهَا النَّاسُ قَدْ جَاءَكُم بُرْهَانٌ مِّن رَّبِّكُمْ وَأَنزَلْنَا إِلَيْكُمْ نُورًا مُّبِينًا
O ianareo ry olombelona !Efa tonga aminareo ny porofo mazava avy tamin’ny Tomponareo, ary nampidininay teo aminareo ihany koa ny hazavana miharihary.
175فَأَمَّا الَّذِينَ آمَنُوا بِاللَّهِ وَاعْتَصَمُوا بِهِ فَسَيُدْخِلُهُمْ فِي رَحْمَةٍ مِّنْهُ وَفَضْلٍ وَيَهْدِيهِمْ إِلَيْهِ صِرَاطًا مُّسْتَقِيمًا
Fa ianareo izay nino an’I Allah kosa sy nifikitra Aminy, dia hampidiriny amin’ny indrafo avy Aminy sy ny fahasoavana izy ireo, ary ho tarihiny ho amin’ny lalana mahitsy mankany Aminy izy ireo.
176يَسْتَفْتُونَكَ قُلِ اللَّهُ يُفْتِيكُمْ فِي الْكَلَالَةِ ۚ إِنِ امْرُؤٌ هَلَكَ لَيْسَ لَهُ وَلَدٌ وَلَهُ أُخْتٌ فَلَهَا نِصْفُ مَا تَرَكَ ۚ وَهُوَ يَرِثُهَا إِن لَّمْ يَكُن لَّهَا وَلَدٌ ۚ فَإِن كَانَتَا اثْنَتَيْنِ فَلَهُمَا الثُّلُثَانِ مِمَّا تَرَكَ ۚ وَإِن كَانُوا إِخْوَةً رِّجَالًا وَنِسَاءً فَلِلذَّكَرِ مِثْلُ حَظِّ الْأُنثَيَيْنِ ۗ يُبَيِّنُ اللَّهُ لَكُمْ أَن تَضِلُّوا ۗ وَاللَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
Manontany anao momba ny didy aman-dalàna izy ireo, teneno hoe: “Allah dia mamoaka ny didy ho anareo momba ny lovan’ny olona iray maty ka tsy manan-dray aman-dreny sy tsy manan-janaka. Fa raha ny olona iray maty, tsy mana-janaka nefa manana anabavy, dia ho azy ny antsasan’izay navelany (lova), ary izy anadahiny no mandova azy (anabaviny), amin’ny fananany raha tsy manan-janaka izy (anabaviny). Fa raha anankiroa kosa ny anabaviny dia ho azy roa ny roa ampahatelon’izay navelany (lova), ary raha manana rahalahy sy anabavy maro, mpiray tampo aminy izy, dia ho an’ny lahy iray ny mitovy amin’ny anjaran’ny vavy roa. Manazava izany aminareo I Allah, mba tsy ho very ianareo, ary Izy Allah dia mahalala ny zavatra rehetra.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
175Andininy

Fandikana — An-Nisa 175

Surah An-Nisa Andininy 175 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Fa ianareo izay nino an’I Allah kosa sy nifikitra Aminy,…

Surah Andininy 175/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 173–176. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers