Al-Maidah · 16/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
يَهْدِي بِهِ اللَّهُ مَنِ اتَّبَعَ رِضْوَانَهُ سُبُلَ السَّلَامِ وَيُخْرِجُهُم مِّنَ الظُّلُمَاتِ إِلَى النُّورِ بِإِذْنِهِ وَيَهْدِيهِمْ إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ ۝١٦
Yahdee bihil laahu manit taba`a ridwaanahoo subulas salaami wa yukhrijuhum minaz zulumaati ilan noori bi iznihee wa yahdeehim ilaa Siraatim Mustaqeem
📖 Dikany Malagasy
Allah dia mitari-dalana, avy amin’ny alalan’izany (boky masina korany), izay manaraka ny sitrapony, mankany amin’ireo lalan’ny fiadanana, ary mamoaka azy ireo avy amin’ny haizina mankany amin’ny fahazavana noho ny fahasoavany. Ary mitari-dalana azy ireo mankany amin’ny lalana mahitsy.
🎧 Henoy

📜 Andininy 14-18 — Al-Maidah

14وَمِنَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّا نَصَارَىٰ أَخَذْنَا مِيثَاقَهُمْ فَنَسُوا حَظًّا مِّمَّا ذُكِّرُوا بِهِ فَأَغْرَيْنَا بَيْنَهُمُ الْعَدَاوَةَ وَالْبَغْضَاءَ إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ ۚ وَسَوْفَ يُنَبِّئُهُمُ اللَّهُ بِمَا كَانُوا يَصْنَعُونَ
Ary ireo izay miteny hoe: “Marina tokoa fa izahay dia Kristianina,”nekenay ny fanekena nataon’izy ireo. Kanefa nanadino ny ampahany amin’izay nampatsiahivana azy izy ireo. Ary napoitranay teo amin’izy ireo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana. Ary I Allah dia hanambara azy ireo izay rehetra nataony.
15يَا أَهْلَ الْكِتَابِ قَدْ جَاءَكُمْ رَسُولُنَا يُبَيِّنُ لَكُمْ كَثِيرًا مِّمَّا كُنتُمْ تُخْفُونَ مِنَ الْكِتَابِ وَيَعْفُو عَن كَثِيرٍ ۚ قَدْ جَاءَكُم مِّنَ اللَّهِ نُورٌ وَكِتَابٌ مُّبِينٌ
O ianareo ry olon’ny boky! Efa tonga taminareo ny Irakay, nanazava taminareo ny maro tamin’izay nafeninareo, tamin’ny boky, ary koa nandefitra zavatra maro. Efa tonga aminareo ny hazavana avy tamin'I Allah sy ny boky mazava.
16يَهْدِي بِهِ اللَّهُ مَنِ اتَّبَعَ رِضْوَانَهُ سُبُلَ السَّلَامِ وَيُخْرِجُهُم مِّنَ الظُّلُمَاتِ إِلَى النُّورِ بِإِذْنِهِ وَيَهْدِيهِمْ إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Allah dia mitari-dalana, avy amin’ny alalan’izany (boky masina korany), izay manaraka ny sitrapony, mankany amin’ireo lalan’ny fiadanana, ary mamoaka azy ireo avy amin’ny haizina mankany amin’ny fahazavana noho ny fahasoavany. Ary mitari-dalana azy ireo mankany amin’ny lalana mahitsy.
17لَّقَدْ كَفَرَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ هُوَ الْمَسِيحُ ابْنُ مَرْيَمَ ۚ قُلْ فَمَن يَمْلِكُ مِنَ اللَّهِ شَيْئًا إِنْ أَرَادَ أَن يُهْلِكَ الْمَسِيحَ ابْنَ مَرْيَمَ وَأُمَّهُ وَمَن فِي الْأَرْضِ جَمِيعًا ۗ وَلِلَّهِ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا بَيْنَهُمَا ۚ يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۚ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Ary tena tsy nino tokoa ireo izay niteny hoe: “Marina fa I Allah, izy no ilay Mesia (Jesoa) zanak’i Maria. Teneno hoe: “Ka iza no afaka hanakana an’I Allah, na dia kely aza, raha te-handrendrika an’i Mesia zanak’i Maria sy ny reniny, ary izay rehetra eto ambonin’ny tany Izy?. Ary an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany sy amin’izay rehetra anelanelan’izy roa”. Manamboatra izay sitrany Izy. Ary I Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
18وَقَالَتِ الْيَهُودُ وَالنَّصَارَىٰ نَحْنُ أَبْنَاءُ اللَّهِ وَأَحِبَّاؤُهُ ۚ قُلْ فَلِمَ يُعَذِّبُكُم بِذُنُوبِكُم ۖ بَلْ أَنتُم بَشَرٌ مِّمَّنْ خَلَقَ ۚ يَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ ۚ وَلِلَّهِ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا بَيْنَهُمَا ۖ وَإِلَيْهِ الْمَصِيرُ
Ary niteny ireo jiosy sy ny kristiana hoe : “Izahay dia zanak’i Allah ary notiaviny manokana”. Teneno hoe : “Nahoana àry Izy no manasazy anareo amin’ny fahotana ataonareo? Tena marina fa ianareo dia olombelona anisan’ireo nohariany. Mamela izay sitrany Izy, ary manasazy izay sitrany. Ary an’i Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany ary amin’izay rehetra anelanelan’izy roa. Ary any Aminy ny fiverenana.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
16Andininy

Fandikana — Al-Maidah 16

Surah Al-Maidah Andininy 16 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Allah dia mitari-dalana, avy amin’ny alalan’izany (boky masina korany), izay…

Surah Andininy 16/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 14–18. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers