Al-Maidah · 43/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
وَكَيْفَ يُحَكِّمُونَكَ وَعِندَهُمُ التَّوْرَاةُ فِيهَا حُكْمُ اللَّهِ ثُمَّ يَتَوَلَّوْنَ مِن بَعْدِ ذَٰلِكَ ۚ وَمَا أُولَٰئِكَ بِالْمُؤْمِنِينَ ۝٤٣
Wa kaifa yuhakkimoonaka wa `indahumut Tawraatu feehaa hukmul laahi summa yatawallawna mim ba`di zaalik; wa maaa ulaaa`ika bilmu`mineen
📖 Dikany Malagasy
Ary nahoana ianao no hatsangan’izy ireo ho mpitsara kanefa eo ampelan-tanan’izy ireo ny Toraty izay feno ao anatiny ny lalàn’I Allah. Avy eo dia mitodi-damosina izy ireo (amin’ny fitsaranao) aorian’izany. Ary tsy mpino velively izy ireny.
🎧 Henoy

📜 Andininy 41-45 — Al-Maidah

41۞ يَا أَيُّهَا الرَّسُولُ لَا يَحْزُنكَ الَّذِينَ يُسَارِعُونَ فِي الْكُفْرِ مِنَ الَّذِينَ قَالُوا آمَنَّا بِأَفْوَاهِهِمْ وَلَمْ تُؤْمِن قُلُوبُهُمْ ۛ وَمِنَ الَّذِينَ هَادُوا ۛ سَمَّاعُونَ لِلْكَذِبِ سَمَّاعُونَ لِقَوْمٍ آخَرِينَ لَمْ يَأْتُوكَ ۖ يُحَرِّفُونَ الْكَلِمَ مِن بَعْدِ مَوَاضِعِهِ ۖ يَقُولُونَ إِنْ أُوتِيتُمْ هَٰذَا فَخُذُوهُ وَإِن لَّمْ تُؤْتَوْهُ فَاحْذَرُوا ۚ وَمَن يُرِدِ اللَّهُ فِتْنَتَهُ فَلَن تَمْلِكَ لَهُ مِنَ اللَّهِ شَيْئًا ۚ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ لَمْ يُرِدِ اللَّهُ أَن يُطَهِّرَ قُلُوبَهُمْ ۚ لَهُمْ فِي الدُّنْيَا خِزْيٌ ۖ وَلَهُمْ فِي الْآخِرَةِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
O ry Iraka! Aoka tsy hampalahelo anao ireo izay mihazakazaka any amin’ny tsy finoana amin’ireo izay miteny hoe : “Mino izahay” amin’ny vavany fotsiny izany, kanefa tsy mino ny fon’izy ireo ary amin’ireo jiosy izay zatra mihaino lainga tafahoatra sy mihaino ny tenin’ny vahoaka hafa mbola tsy tonga taminao mamadibadika ny teny hiala amin’ny dikany taorian’ny nandreketana azy miteny izy ireo hoe : ”Raha nomena anareo ity dia raisinareo fa raha tsy omena anareo kosa dia mitandrema ianareo”. Ary izay tian’i Allah handalo amin’ny fitsapany dia tsy afaka hiaro azy amin’ny sazin’i Allah ianao na dia kely aza. Izy ireny no tsy tian’i Allah ho diovina ny fony. Ho azy ireo ny fahafaham-baraka eto an-tany ary ho azy ireo koa ny famaizana lehibe any ankoatra.
42سَمَّاعُونَ لِلْكَذِبِ أَكَّالُونَ لِلسُّحْتِ ۚ فَإِن جَاءُوكَ فَاحْكُم بَيْنَهُمْ أَوْ أَعْرِضْ عَنْهُمْ ۖ وَإِن تُعْرِضْ عَنْهُمْ فَلَن يَضُرُّوكَ شَيْئًا ۖ وَإِنْ حَكَمْتَ فَاحْكُم بَيْنَهُم بِالْقِسْطِ ۚ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُقْسِطِينَ
Fatra-pihaino lainga izy ireo ary fatra-pihinana ny fananana tsy ara-dalàna. Ka raha tonga aminao izy ireo dia tsarao izy ireo na koa hanalavitra azy ireo. Ka raha miala azy ireo dia tsy hahavita na inona na inona aminao izy ireo. Ary raha hitsara kosa ianao dia tsarao am-pahamarinana izy ireo. Tena marina fa I Allah dia tia ireo izay mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny.
43وَكَيْفَ يُحَكِّمُونَكَ وَعِندَهُمُ التَّوْرَاةُ فِيهَا حُكْمُ اللَّهِ ثُمَّ يَتَوَلَّوْنَ مِن بَعْدِ ذَٰلِكَ ۚ وَمَا أُولَٰئِكَ بِالْمُؤْمِنِينَ
Ary nahoana ianao no hatsangan’izy ireo ho mpitsara kanefa eo ampelan-tanan’izy ireo ny Toraty izay feno ao anatiny ny lalàn’I Allah. Avy eo dia mitodi-damosina izy ireo (amin’ny fitsaranao) aorian’izany. Ary tsy mpino velively izy ireny.
44إِنَّا أَنزَلْنَا التَّوْرَاةَ فِيهَا هُدًى وَنُورٌ ۚ يَحْكُمُ بِهَا النَّبِيُّونَ الَّذِينَ أَسْلَمُوا لِلَّذِينَ هَادُوا وَالرَّبَّانِيُّونَ وَالْأَحْبَارُ بِمَا اسْتُحْفِظُوا مِن كِتَابِ اللَّهِ وَكَانُوا عَلَيْهِ شُهَدَاءَ ۚ فَلَا تَخْشَوُا النَّاسَ وَاخْشَوْنِ وَلَا تَشْتَرُوا بِآيَاتِي ثَمَنًا قَلِيلًا ۚ وَمَن لَّمْ يَحْكُم بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الْكَافِرُونَ
Ary hamafisina, fa Izahay no nampidina ny Taoraty izay mirakitra tari-dàlana sy fahazavana. Nampiasa azy teo amin'ny fitsarany ireo Mpaminany izay nanolo-tena ho an'i Allah, toy izany koa ireo mpitondra fivavahana, ary ireo mpanora-dalàna tamin'ny raharahan'ireo Jiosy, satria izy ireo no nanankinana ny fitahirizana Ilay Bokin'i Allah, ka vavolombelona ny amin'izany. Koa aoka ianao tsy hatahotra ireo vahoaka ireo, fa Izaho irery no hatahory. Ary aza mivarotra ny pirofo famantarana Ahy amin'ny zavatra mora vidy ianareo. Fa ireo izay tsy mitsara araka izay nampidinan'i Allah, dia izy ireny indrindra no tsy mpino.
45وَكَتَبْنَا عَلَيْهِمْ فِيهَا أَنَّ النَّفْسَ بِالنَّفْسِ وَالْعَيْنَ بِالْعَيْنِ وَالْأَنفَ بِالْأَنفِ وَالْأُذُنَ بِالْأُذُنِ وَالسِّنَّ بِالسِّنِّ وَالْجُرُوحَ قِصَاصٌ ۚ فَمَن تَصَدَّقَ بِهِ فَهُوَ كَفَّارَةٌ لَّهُ ۚ وَمَن لَّمْ يَحْكُم بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الظَّالِمُونَ
Ary nodidianay tamin’izy ireo ao anatin’izany fa ny aina solon’ny aina ny maso solon’ny maso ny orona solon’ny orona ny sofina solon’ny sofina, ny nify solon’ny nify. Ny ratra dia manaraka ny lalànan’ny taliona. Ka izay namela izany ampahatsorana dia efa fanonerana ho azy. Ary izay tsy mitsara araka izay nampidinin’I Allah dia ireny no tena mpanao ny tsy rariny.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
43Andininy

Fandikana — Al-Maidah 43

Surah Al-Maidah Andininy 43 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary nahoana ianao no hatsangan’izy ireo ho mpitsara kanefa eo…

Surah Andininy 43/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 41–45. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers