Al-Hadid · 11/29
Fandikana Fanononana — Al-Hadid
مَّن ذَا الَّذِي يُقْرِضُ اللَّهَ قَرْضًا حَسَنًا فَيُضَاعِفَهُ لَهُ وَلَهُ أَجْرٌ كَرِيمٌ ۝١١
man zal lazee yuqridul laaha qardan hasanan fa yudaa`ifahoo lahoo wa lahooo ajrun kareem
📖 Dikany Malagasy
Izay nanao fampindramana tsara tamin’I Allah an-tsitsa-po, dia hampitomboin’I Allah izany, ka hahazo valisoa sesehena izy.
🎧 Henoy

📜 Andininy 9-13 — Al-Hadid

9هُوَ الَّذِي يُنَزِّلُ عَلَىٰ عَبْدِهِ آيَاتٍ بَيِّنَاتٍ لِّيُخْرِجَكُم مِّنَ الظُّلُمَاتِ إِلَى النُّورِ ۚ وَإِنَّ اللَّهَ بِكُمْ لَرَءُوفٌ رَّحِيمٌ
Izy no mampidina ireo andininy mazava amin’ilay mpanompony, mba hamoahany anareo avy ao amin’ny haizina ho ao amin’ny hazavana; ary hamafisina fa be fangorahana aminareo Allah sady be indra fo.
10وَمَا لَكُمْ أَلَّا تُنفِقُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَلِلَّهِ مِيرَاثُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ لَا يَسْتَوِي مِنكُم مَّنْ أَنفَقَ مِن قَبْلِ الْفَتْحِ وَقَاتَلَ ۚ أُولَٰئِكَ أَعْظَمُ دَرَجَةً مِّنَ الَّذِينَ أَنفَقُوا مِن بَعْدُ وَقَاتَلُوا ۚ وَكُلًّا وَعَدَ اللَّهُ الْحُسْنَىٰ ۚ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرٌ
Fa inona no tsy anaovanareo fandaniana amin’ny lalan’I Allah, nefa an’I Allah ny fandovana ny lanitra sy ny tany ? Tsy azo ampitahaina anefa izay nanome ny fananany, sy izay niady talohan’ny fandresena, ambony toerana kokoa izy ireo, noho ireo nanao fandaniana sy niatrika ny ady taoriana. Na izany aza, nampanantena valisoa ho an’ny tsirairay Allah, fa mahafantatra izay ataonareo Izy.
11مَّن ذَا الَّذِي يُقْرِضُ اللَّهَ قَرْضًا حَسَنًا فَيُضَاعِفَهُ لَهُ وَلَهُ أَجْرٌ كَرِيمٌ
Izay nanao fampindramana tsara tamin’I Allah an-tsitsa-po, dia hampitomboin’I Allah izany, ka hahazo valisoa sesehena izy.
12يَوْمَ تَرَى الْمُؤْمِنِينَ وَالْمُؤْمِنَاتِ يَسْعَىٰ نُورُهُم بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَبِأَيْمَانِهِم بُشْرَاكُمُ الْيَوْمَ جَنَّاتٌ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا ۚ ذَٰلِكَ هُوَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ
Amin’ ny andro hahitanao ireo mpino, lahy sy vavy, izay mihazakazaka, eo anoloan’izy ireo sy eo an-kavanan'ny hazavana (dia ho lazaina aminy hoe ): “Indro anio, vaovao tsara ho anareo, zaridaina misy renirano mikoriana ambaniny, honenanareo mandrakizay ”. izany no fahombiazana lehibe.
13يَوْمَ يَقُولُ الْمُنَافِقُونَ وَالْمُنَافِقَاتُ لِلَّذِينَ آمَنُوا انظُرُونَا نَقْتَبِسْ مِن نُّورِكُمْ قِيلَ ارْجِعُوا وَرَاءَكُمْ فَالْتَمِسُوا نُورًا فَضُرِبَ بَيْنَهُم بِسُورٍ لَّهُ بَابٌ بَاطِنُهُ فِيهِ الرَّحْمَةُ وَظَاهِرُهُ مِن قِبَلِهِ الْعَذَابُ
Fa amin’ny andro hitenenan’ireo mpihatsaraveletsihy, lahy na vavy, amin’ireo mpino hoe: “Andraso, mba hindraminay ny apahany amin’ny hazavanareo”. Dia ho lazaina hoe: “ Miverena any aoriana, ka mitadiava hazavana”. Amin’izay dia hasiana rindrim-be manelanelana azy ireo, izay misy varavarana, ka ao anatin' ny famindram-po, fa ho an’izay miseho manatrika ety ivelany kosa ny famaizana.
Al-HadidFizahan-takila Koraña
29Andininy
MedinanRevelation
11Andininy

Fandikana — Al-Hadid 11

Surah Al-Hadid Andininy 11 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izay nanao fampindramana tsara tamin’I Allah an-tsitsa-po, dia hampitomboin’I Allah…

Surah Andininy 11/29 — Al-Hadid الحديد (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Hadid Henoy, Al-Hadid Fandikana, Al-Hadid mp3, Al-Hadid pdf. Andininy 9–13. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers