At-Talaq · 5/12
Fandikana Fanononana — At-Talaq
ذَٰلِكَ أَمْرُ اللَّهِ أَنزَلَهُ إِلَيْكُمْ ۚ وَمَن يَتَّقِ اللَّهَ يُكَفِّرْ عَنْهُ سَيِّئَاتِهِ وَيُعْظِمْ لَهُ أَجْرًا ۝٥
Zaalika amrul laahi anzalahoo ilaikum; wa many yattaqil laaha yukaffir `anhu saiyi aatihee wa yu`zim lahoo ajraa
📖 Dikany Malagasy
Izany no baikon’Allah nampidininy ho anareo. Ho an’izay matahotra an’Allah kosa dia foanany ny hadisoany ary omeny valisoa lehibe izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 3-7 — At-Talaq

3وَيَرْزُقْهُ مِنْ حَيْثُ لَا يَحْتَسِبُ ۚ وَمَن يَتَوَكَّلْ عَلَى اللَّهِ فَهُوَ حَسْبُهُ ۚ إِنَّ اللَّهَ بَالِغُ أَمْرِهِ ۚ قَدْ جَعَلَ اللَّهُ لِكُلِّ شَيْءٍ قَدْرًا
Ary hotolorany anjaram-pahasoavana amin’ny fomba tsy ampoiziny, izay miantehitra amin’I Allah dia ampy ho azy Izy. Tanterao ny baikon'Allah, fa efa nasian’Allah fetra ny zava-drehetra.
4وَاللَّائِي يَئِسْنَ مِنَ الْمَحِيضِ مِن نِّسَائِكُمْ إِنِ ارْتَبْتُمْ فَعِدَّتُهُنَّ ثَلَاثَةُ أَشْهُرٍ وَاللَّائِي لَمْ يَحِضْنَ ۚ وَأُولَاتُ الْأَحْمَالِ أَجَلُهُنَّ أَن يَضَعْنَ حَمْلَهُنَّ ۚ وَمَن يَتَّقِ اللَّهَ يَجْعَل لَّهُ مِنْ أَمْرِهِ يُسْرًا
Raha nisalasala ianareo mikasika ny vadinareo izay tsy manantena fadim-bolana intsony dia telo volana ny fe-potoana. Toy izany koa ho an’ireo mbola tsy mandeha fadim-bolana. Fa ho an’ireo mitoe-jaza kosa, dia amin’ny fiterahany ny fe-potoana fiandrasana. Ho an’izay matahotra an’i Allah anefa dia ankamorany izany.
5ذَٰلِكَ أَمْرُ اللَّهِ أَنزَلَهُ إِلَيْكُمْ ۚ وَمَن يَتَّقِ اللَّهَ يُكَفِّرْ عَنْهُ سَيِّئَاتِهِ وَيُعْظِمْ لَهُ أَجْرًا
Izany no baikon’Allah nampidininy ho anareo. Ho an’izay matahotra an’Allah kosa dia foanany ny hadisoany ary omeny valisoa lehibe izy ireo.
6أَسْكِنُوهُنَّ مِنْ حَيْثُ سَكَنتُم مِّن وُجْدِكُمْ وَلَا تُضَارُّوهُنَّ لِتُضَيِّقُوا عَلَيْهِنَّ ۚ وَإِن كُنَّ أُولَاتِ حَمْلٍ فَأَنفِقُوا عَلَيْهِنَّ حَتَّىٰ يَضَعْنَ حَمْلَهُنَّ ۚ فَإِنْ أَرْضَعْنَ لَكُمْ فَآتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ ۖ وَأْتَمِرُوا بَيْنَكُم بِمَعْرُوفٍ ۖ وَإِن تَعَاسَرْتُمْ فَسَتُرْضِعُ لَهُ أُخْرَىٰ
Ary ataovy izay hitoeran’ireny vehivavy ireny amin’izay itoeranareo, araka izay fahefanareo, fa aza mitady hanisy ratsy azy amin’ny fanerena azy ireny hipetraka amin’ny fahaterena, ary raha mitoe-jaza izy, dia omeo izay ilainy hatramin’ny fiterahany. Fa raha mampinono ny zanakareo izy, dia omeo azy ny karamany. Mifampidiniha amim-pahamendrehana mikasika izany ianareo. Fa raha misy olana eo aminareo dia vehivavy hafa no mampinono ny zaza.
7لِيُنفِقْ ذُو سَعَةٍ مِّن سَعَتِهِ ۖ وَمَن قُدِرَ عَلَيْهِ رِزْقُهُ فَلْيُنفِقْ مِمَّا آتَاهُ اللَّهُ ۚ لَا يُكَلِّفُ اللَّهُ نَفْسًا إِلَّا مَا آتَاهَا ۚ سَيَجْعَلُ اللَّهُ بَعْدَ عُسْرٍ يُسْرًا
Aoka hanao fandaniana amin’ny hareny, izay manana izany, fa izay manana ny kely kosa, aoka hanao fandaniana araka izay nomen’Allah azy. Tsy manery na iza na iza hanao mihoatra izay nomena azy Allah, ary ampanarahan’Allah aorian’ny fahasarotana ny fahamorana.
At-TalaqFizahan-takila Koraña
12Andininy
MedinanRevelation
5Andininy

Fandikana — At-Talaq 5

Surah At-Talaq Andininy 5 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izany no baikon’Allah nampidininy ho anareo. Ho an’izay matahotra an’Allah…

Surah Andininy 5/12 — At-Talaq الطلاق (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: At-Talaq Henoy, At-Talaq Fandikana, At-Talaq mp3, At-Talaq pdf. Andininy 3–7. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers