Surah At-Takwir amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah At-Takwir miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (29 Andininy — مكية). At-Takwir Henoy, At-Takwir Fandikana, At-Takwir mp3, At-Takwir pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah At-Takwir

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
إِذَا الشَّمْسُ كُوِّرَتْ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Rehefa tsy hisy fahazavana intsony ny masoandro,
وَإِذَا النُّجُومُ انكَدَرَتْ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
rehefa hanjavona ny famirapiratan'ireo kintana,
وَإِذَا الْجِبَالُ سُيِّرَتْ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
rehefa hihetsika hiala amin'ny toerany ireo tendrombohitra,
وَإِذَا الْعِشَارُ عُطِّلَتْ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
rehefa tsy raharahiana intsony ireo rameva akaiky hiteraka,
وَإِذَا الْوُحُوشُ حُشِرَتْ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
rehefa tafavory ireo bibidia,
وَإِذَا الْبِحَارُ سُجِّرَتْ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
rehefa manjary nirehitra ny ranomasina,
وَإِذَا النُّفُوسُ زُوِّجَتْ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
rehefa voatambatra araka ny sokajiny avy ny fanahy,
وَإِذَا الْمَوْءُودَةُ سُئِلَتْ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim-belona hoe:
بِأَيِّ ذَنبٍ قُتِلَتْ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
mba fahotana inona loatra no antony namonoana azy?
وَإِذَا الصُّحُفُ نُشِرَتْ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
rehefa nampahalalana ireo takela-piraketana ny asa vita,
وَإِذَا السَّمَاءُ كُشِطَتْ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
rehefa voaesotra ny lanitra,
وَإِذَا الْجَحِيمُ سُعِّرَتْ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
rehefa haredareda ny afo,
وَإِذَا الْجَنَّةُ أُزْلِفَتْ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
rehefa hampanantonina ny mpino ny Paradisa,
عَلِمَتْ نَفْسٌ مَّا أَحْضَرَتْ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
dia samy hahafantatra ny nataony ny tsirairay avy!
فَلَا أُقْسِمُ بِالْخُنَّسِ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Tsia! Mianiana Aho amin'ireo andian-kintana.
الْجَوَارِ الْكُنَّسِ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Izay mandeha amin'ny lalana izorany ka indraindray mipoitra ary indraindray manjavona.
وَاللَّيْلِ إِذَا عَسْعَسَ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra,
وَالصُّبْحِ إِذَا تَنَفَّسَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
ny maraina rehefa miposaka mitondra tsio-drivotra,
إِنَّهُ لَقَوْلُ رَسُولٍ كَرِيمٍ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
tena marina, izany dia tenin'ilay iraka mendrika,
ذِي قُوَّةٍ عِندَ ذِي الْعَرْشِ مَكِينٍ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
izay matanjaka sy manan-danja lehibe eo anatrehan'ny tompon'ny fiandrianana,
مُّطَاعٍ ثَمَّ أَمِينٍ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Mpakato izy sady itokisana,
وَمَا صَاحِبُكُم بِمَجْنُونٍ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo,
وَلَقَدْ رَآهُ بِالْأُفُقِ الْمُبِينِ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
izay efa nahita ny anjely Gabriela tokoa teny am-param-bodi-lanitra mazava.
وَمَا هُوَ عَلَى الْغَيْبِ بِضَنِينٍ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Ary izy dia tsy kahihitra ka hitana ho azy irery ny faminaniana izay tonga taminy,
وَمَا هُوَ بِقَوْلِ شَيْطَانٍ رَّجِيمٍ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
izany dia tsy tenin'ilay demony izay voahozona!
فَأَيْنَ تَذْهَبُونَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
koa aiza ary no hombanareo,
إِنْ هُوَ إِلَّا ذِكْرٌ لِّلْعَالَمِينَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao,
لِمَن شَاءَ مِنكُمْ أَن يَسْتَقِيمَ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo,
وَمَا تَشَاءُونَ إِلَّا أَن يَشَاءَ اللَّهُ رَبُّ الْعَالَمِينَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Tsy hanam-pahefana ny amin'izany ianareo raha tsy sitrak'I Allah tompon'izao tontolo izao.
← 80 At-Takwir (81/114) 82 →
Vakio Surah At-Takwir Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

81التكوير At-Takwir 📚 29 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah At-Takwir — 29 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers