Surah At-Takwir pdf — Alaino (Malagasy)
Surah At-Takwir pdf Malagasy — Alaino Surah At-Takwir Fandikana. Surah At-Takwir (Meccan) 29 Andininy.
Related
- Surah At-Takwir FandikanaMalagasy
- Surah At-Takwir mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah At-Takwir

ﭙﭚﭛﭜ
81:1
Rehefa tsy hisy fahazavana intsony ny masoandro,
ﭝﭞﭟﭠ
81:2
rehefa hanjavona ny famirapiratan'ireo kintana,
ﭡﭢﭣﭤ
81:3
rehefa hihetsika hiala amin'ny toerany ireo tendrombohitra,
ﭥﭦﭧﭨ
81:4
rehefa tsy raharahiana intsony ireo rameva akaiky hiteraka,
ﭩﭪﭫﭬ
81:5
rehefa tafavory ireo bibidia,
ﭭﭮﭯﭰ
81:6
rehefa manjary nirehitra ny ranomasina,
ﭱﭲﭳﭴ
81:7
rehefa voatambatra araka ny sokajiny avy ny fanahy,
ﭵﭶﭷﭸ
81:8
rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim-belona hoe:
ﭹﭺﭻﭼ
81:9
mba fahotana inona loatra no antony namonoana azy?
ﭽﭾﭿﮀ
81:10
rehefa nampahalalana ireo takela-piraketana ny asa vita,
ﮁﮂﮃﮄ
81:11
rehefa voaesotra ny lanitra,
ﮅﮆﮇﮈ
81:12
rehefa haredareda ny afo,
ﮉﮊﮋﮌ
81:13
rehefa hampanantonina ny mpino ny Paradisa,
ﮍﮎﮏﮐﮑ
81:14
dia samy hahafantatra ny nataony ny tsirairay avy!
ﮒﮓﮔﮕ
81:15
Tsia! Mianiana Aho amin'ireo andian-kintana.
ﮖﮗﮘ
81:16
Izay mandeha amin'ny lalana izorany ka indraindray mipoitra ary indraindray manjavona.
ﮙﮚﮛﮜ
81:17
Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra,
ﮝﮞﮟﮠ
81:18
ny maraina rehefa miposaka mitondra tsio-drivotra,
ﮡﮢﮣﮤﮥ
81:19
tena marina, izany dia tenin'ilay iraka mendrika,
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
81:20
izay matanjaka sy manan-danja lehibe eo anatrehan'ny tompon'ny fiandrianana,
ﮭﮮﮯﮰ
81:21
Mpakato izy sady itokisana,
ﮱﯓﯔﯕ
81:22
tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo,
ﯖﯗﯘﯙﯚ
81:23
izay efa nahita ny anjely Gabriela tokoa teny am-param-bodi-lanitra mazava.
ﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
81:24
Ary izy dia tsy kahihitra ka hitana ho azy irery ny faminaniana izay tonga taminy,
ﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
81:25
izany dia tsy tenin'ilay demony izay voahozona!
ﯧﯨﯩ
81:26
koa aiza ary no hombanareo,
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
81:27
Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao,
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
81:28
Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo,
ﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
81:29
Tsy hanam-pahefana ny amin'izany ianareo raha tsy sitrak'I Allah tompon'izao tontolo izao.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







