PDF —
31 Andininy Medinan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Insan pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Insan pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Insan Fandikana. Surah Al-Insan (Medinan) 31 Andininy.



31 Andininy · Medinan · Malagasy
bismillah
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
76:1 Moa va tsy nisy ampaham-potoana, nandalo tamin'ny olombelona izay mbola tsy nisian'izy ireo akory ?
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
76:2 Eny, namboarinay avy tamin'ny tsirin'aina mifangaro ny olombelona, mba hisedranay azy. Ary dia nataonay nandre sy nahita.
ﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
76:3 Notarinay lalana izy, hahalala hankasitraka na haniratsira.
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
76:4 "Nanomana rojo vy ho an'ireo tsy mpino tokoa Izahay, sy gadra vy, ary afo mamaivay."
ﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
76:5 Hisotro amin'ny kaopy feno hanitra kamifaoro ireo olona tsara.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
76:6 Avy amin'ny loharano no hisotroan'ireo mpanompon'I Allah, hiboiboika maro ao izy ireo.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
76:7 tanterahian'izy ireo ny voadiny, ary atahorany ny andro hiparitahan'ny ratsy.
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨ
76:8 Ary manome sakafo ho an'ny mahantra izy ireo, ny kamboty, sy ny voababo na dia eo aza ny fitiavany izany.
ﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
76:9 ka miteny hoe : "Nohon'ny voninahitr'i Allah no anomezanay sakafo anareo, tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay.
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
76:10 Matahotra ilay andro mampihorohoro sy feno loza avy amin'ny Tomponay izahay.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
76:11 Koa harovan'I Allah amin'ny ratsy izy ireo amin'io andro io, ary hampifanojoany amin'ny hatsarana sy hafaliana,
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
76:12 ka hamaliany izay niaretan'izy ireo, amin'ny fanomezana ny paradisa sy ny akanjo lasoà,
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖ
76:13 Hitehin-kiho eo amin'ny seza lava izy ireo, tsy hahita (ny hamain'ny) masoandro, na hatsiaka mamirifiry.
ﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
76:14 Ary hanarona azy ireo ny haloky ny hazon'ny paradisa, ary hiondrika ambany ireo voankazony.
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦ
76:15 Ary ampadalovina eo amin'izy ireo ny siny volafotsy sy ireo kapoaka mangirana.
ﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
76:16 Amin'ny volafotsy mangirana, izay voafatra tsara ny fisotro ao anatiny.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
76:17 Ary hampisotroina rano amin'ny kaopy izay misy sakamalao izy ireo ao.
ﯕﯖﯗﯘﯙ
76:18 Notovozina tao amin'ny loharano antsoina hoe Salsabil.
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤ
76:19 Ary hisy tovolahy lalandava, hivezivezy eo amin'izy ireo. Raha mahita azy ireo ianao, dia heverinao ho toy ny vatosoa miparitaka izy ireo.
ﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
76:20 Ary rehefa mijery any ianao, dia hahita fahafinaretana sy fanjakana midadasika.
ﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
76:21 Hanao akanjo maintso parasily, sy lamba lasoà rakofam-bolamena izy ireo, hiravaka haba fehin-tanana volafotsy. Ary hampisotroin'ny Tompony zava-pisotro tena madio izy ireo.
ﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
76:22 Valisoa ho anareo izany, ary mendri-pankasitrahana ny ezaka nataonareo.
ﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋ
76:23 Hamafisina, fa Izahay no nampidina tsikelikely ny koroany teo aminao.
ﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕ
76:24 Koa hiareto àry ny didy napetraky ny Tomponao, fa aza mankato ny mpanota, na ny tsy mpino amin'izy ireo ianao.
ﰖﰗﰘﰙﰚﰛ
76:25 Ary tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ny maraina sy ny folak'andro.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
76:26 Koa miankohofa eo anatrehany ianao ny ampahany amin'ny alina, ary omeo voninahitra Izy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny alina.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
76:27 Tia ny fiainana mandalo izy ireny ka mamela any aoriany ny andro mavesatra.
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
76:28 Izahay no nahary sy nampatanjaka ny toe-batan'izy ireny. Raha tianay anefa dia nosoloanay mitovy aminy izy ireo.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
76:29 Fampahatsiarovana ity. Koa aoka àry ho any amin'ny làlan'ny Tompony izay tia izany.
ﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
76:30 Tsy ho tia izany anefa ianareo, raha tsy sitrak'i Allah. Fa mahalala ny zavatra rehetra, sady be fahendrena i Allah.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
76:31 Ampidiriny ao amin'ny famindram-pony izay tiany. Ary dia nanomanany famaizana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers