Al-Baqarah · 126/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَإِذْ قَالَ إِبْرَاهِيمُ رَبِّ اجْعَلْ هَٰذَا بَلَدًا آمِنًا وَارْزُقْ أَهْلَهُ مِنَ الثَّمَرَاتِ مَنْ آمَنَ مِنْهُم بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۖ قَالَ وَمَن كَفَرَ فَأُمَتِّعُهُ قَلِيلًا ثُمَّ أَضْطَرُّهُ إِلَىٰ عَذَابِ النَّارِ ۖ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ ۝١٢٦
Wa iz qaala Ibraaheemu Rabbij `al haazaa baladan aaminanw warzuq ahlahoo minas samaraati man aamana minhum billaahi wal yawmil aakhiri qaala wa man kafara faumatti`uhoo qaleelan summa adtarruhooo ilaa `azaabin Naari wa bi`salmaseer
📖 Dikany Malagasy
Ary tsarovy raha niteny i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka nanao hoe : " Tompo ô ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary omeo anjara amin’ireo voankazo ny mponina ao aminy, izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany amin'izy ireo ".Dia niteny Izy i Tompo Allah fa hoe : " Fa izay mikomy kosa dia homeko fahafinaretana kely ihany, ary avy eo hotereko ho any amin’ny famaizan’ny Afobe izy. ka izany tokoa no fiafarana ratsy indrindra izay hiafarany izany ! ".
🎧 Henoy

📜 Andininy 124-128 — Al-Baqarah

124۞ وَإِذِ ابْتَلَىٰ إِبْرَاهِيمَ رَبُّهُ بِكَلِمَاتٍ فَأَتَمَّهُنَّ ۖ قَالَ إِنِّي جَاعِلُكَ لِلنَّاسِ إِمَامًا ۖ قَالَ وَمِن ذُرِّيَّتِي ۖ قَالَ لَا يَنَالُ عَهْدِي الظَّالِمِينَ
Ary tsarovinareo, raha nahazo fitsapana tamin’ny Tompony i Ibrahim tamin’ny alàlan’ireo teny, ka dia tanterany tokoa izany. Niteny taminy Izy : “Lazaiko ary hamafisiko, fa nanapa-kevitra ny hanendry anao ho mpitarika (Imam) ny olombelona Aho”. Dia hoy izy nanontany : “Ary izany va hahakasika ireo taranako?”, namaly azy Allah : “Tsy ho voakasiky ny fanekeko ireo mpanao ny tsy rariny”.
125وَإِذْ جَعَلْنَا الْبَيْتَ مَثَابَةً لِّلنَّاسِ وَأَمْنًا وَاتَّخِذُوا مِن مَّقَامِ إِبْرَاهِيمَ مُصَلًّى ۖ وَعَهِدْنَا إِلَىٰ إِبْرَاهِيمَ وَإِسْمَاعِيلَ أَن طَهِّرَا بَيْتِيَ لِلطَّائِفِينَ وَالْعَاكِفِينَ وَالرُّكَّعِ السُّجُودِ
Ary tsarovy raha nataonay ho toeram-pivahiniana ho an'ny zanak'olombelona ilay Trano (Ka'bah) ary ho toerana mandry fahalemana, ary (hoy Izahay hoe) raisonareo ho toerana fanaovana Soalat ny toerana nitsanganan'i Mpaminany Ibrahim (A.s) ary nomenay andraikitra i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy Mpaminany Ismail (A.s) fa hoe : " Diovinareo ny Tranoko, ho an'ireo mpanao Twawaaf (1) sy I'tikaaf ary ho an'ireo mpiondrika sy mpiankohoka ".
126وَإِذْ قَالَ إِبْرَاهِيمُ رَبِّ اجْعَلْ هَٰذَا بَلَدًا آمِنًا وَارْزُقْ أَهْلَهُ مِنَ الثَّمَرَاتِ مَنْ آمَنَ مِنْهُم بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۖ قَالَ وَمَن كَفَرَ فَأُمَتِّعُهُ قَلِيلًا ثُمَّ أَضْطَرُّهُ إِلَىٰ عَذَابِ النَّارِ ۖ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ
Ary tsarovy raha niteny i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka nanao hoe : " Tompo ô ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary omeo anjara amin’ireo voankazo ny mponina ao aminy, izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany amin'izy ireo ".Dia niteny Izy i Tompo Allah fa hoe : " Fa izay mikomy kosa dia homeko fahafinaretana kely ihany, ary avy eo hotereko ho any amin’ny famaizan’ny Afobe izy. ka izany tokoa no fiafarana ratsy indrindra izay hiafarany izany ! ".
127وَإِذْ يَرْفَعُ إِبْرَاهِيمُ الْقَوَاعِدَ مِنَ الْبَيْتِ وَإِسْمَاعِيلُ رَبَّنَا تَقَبَّلْ مِنَّا ۖ إِنَّكَ أَنتَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ
Ary raha nampiakatra ilay andritrano i Ibrahim sy Ismail ka niteny hoe : “Tomponay ô! Ekeo ny asa vitanay! Fa Ianao ilay Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra”.
128رَبَّنَا وَاجْعَلْنَا مُسْلِمَيْنِ لَكَ وَمِن ذُرِّيَّتِنَا أُمَّةً مُّسْلِمَةً لَّكَ وَأَرِنَا مَنَاسِكَنَا وَتُبْ عَلَيْنَا ۖ إِنَّكَ أَنتَ التَّوَّابُ الرَّحِيمُ
Tomponay ô ! Ataovy ho mpanolo-tena ho Anao Izahay roa, ary amin’ireo taranakay ihany koa mba hisy vahoaka mpanolo-tena ho Anao. asehoy anay ny fomba hanaovanay ny fanompoanay; ary raiso ny fibebahana izay nataonay, fa Ianao tokoa ilay Mpandray ny fibebahana sy Be fiantrana.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
126Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 126

Surah Al-Baqarah Andininy 126 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary tsarovy raha niteny i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka nanao…

Surah Andininy 126/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 124–128. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers