Al-Baqarah · 152/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
فَاذْكُرُونِي أَذْكُرْكُمْ وَاشْكُرُوا لِي وَلَا تَكْفُرُونِ ۝١٥٢
Fazkurooneee azkurkum washkuroo lee wa laa takfuroon
📖 Dikany Malagasy
Ka tsarovinareo àry Aho, dia hotsaroako ianareo. ary isaoranareo Aho, ary aoka tsy hikomy Amiko ianareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 150-154 — Al-Baqarah

150وَمِنْ حَيْثُ خَرَجْتَ فَوَلِّ وَجْهَكَ شَطْرَ الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ ۚ وَحَيْثُ مَا كُنتُمْ فَوَلُّوا وُجُوهَكُمْ شَطْرَهُ لِئَلَّا يَكُونَ لِلنَّاسِ عَلَيْكُمْ حُجَّةٌ إِلَّا الَّذِينَ ظَلَمُوا مِنْهُمْ فَلَا تَخْشَوْهُمْ وَاخْشَوْنِي وَلِأُتِمَّ نِعْمَتِي عَلَيْكُمْ وَلَعَلَّكُمْ تَهْتَدُونَ
Ary n’aiza n’aiza ny toerana ivoahanao, dia atodiho any amin’ny Al-Masjid Al-Haram ny tavanao. Ary n’aiza n’aiza ny toerana misy anareo, dia atodiho any aminy ny tavanareo, mba tsy hananan’ny olona porofo entina hanoherana anareo, afa-tsy ireo izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo. ka aza matahotra azy ireo ianareo, fa Izaho no atahory, mba hamenoako ny fahasoavako aminareo, ary angamba hahitsy tanteraka ianareo.
151كَمَا أَرْسَلْنَا فِيكُمْ رَسُولًا مِّنكُمْ يَتْلُو عَلَيْكُمْ آيَاتِنَا وَيُزَكِّيكُمْ وَيُعَلِّمُكُمُ الْكِتَابَ وَالْحِكْمَةَ وَيُعَلِّمُكُم مَّا لَمْ تَكُونُوا تَعْلَمُونَ
Toy izany koa, nandefa Iraka aminareo izay avy aminareo ihany Izahay mba hamaky aminareo ireo fanambaranay, sy hanadio anareo, ary hampianatra anareo ny Boky sy ny fahendrena, ary hampianatra anareo izay mbola tsy fantatrareo.
152فَاذْكُرُونِي أَذْكُرْكُمْ وَاشْكُرُوا لِي وَلَا تَكْفُرُونِ
Ka tsarovinareo àry Aho, dia hotsaroako ianareo. ary isaoranareo Aho, ary aoka tsy hikomy Amiko ianareo.
153يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اسْتَعِينُوا بِالصَّبْرِ وَالصَّلَاةِ ۚ إِنَّ اللَّهَ مَعَ الصَّابِرِينَ
o ianareo mpino, mangataha famonjena amin’ny alàlan’ny faharetana sy ny vavaka Soalat ianareo. Tena marina fa Allah dia miaraka mandrakariva amin’ireo manam-paharetana.
154وَلَا تَقُولُوا لِمَن يُقْتَلُ فِي سَبِيلِ اللَّهِ أَمْوَاتٌ ۚ بَلْ أَحْيَاءٌ وَلَٰكِن لَّا تَشْعُرُونَ
Aza lazainareo ho toy ny maty rehetra izay namoy ny ainy tamin’ny làlan’Allah. Fa raha ny marina, dia velona izy ireny, fa saingy tsy mahatsapa izany ianareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
152Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 152

Surah Al-Baqarah Andininy 152 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka tsarovinareo àry Aho, dia hotsaroako ianareo. ary isaoranareo Aho,…

Surah Andininy 152/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 150–154. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers