Al-Baqarah · 188/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَلَا تَأْكُلُوا أَمْوَالَكُم بَيْنَكُم بِالْبَاطِلِ وَتُدْلُوا بِهَا إِلَى الْحُكَّامِ لِتَأْكُلُوا فَرِيقًا مِّنْ أَمْوَالِ النَّاسِ بِالْإِثْمِ وَأَنتُمْ تَعْلَمُونَ ۝١٨٨
Wa laa taakuloo amwaalakum bainakum bilbaatili wa tudloo bihaaa ilal hukkaami litaakuloo fareeqam min amwaalin naasi bil ismi wa antum ta`lamoon
📖 Dikany Malagasy
Ary aza mihinana ny harenanareo samy anareo amin’ny tsy marina ianareo, ary aza entinareo amin’ireo mpitsara izany mba hihinananareo ny sasany amin'ireo harenan’olona amin’ny tsy rariny. kanefa ianareo dia mahafantatra tsara (izany).

🎧 Henoy


📜 Andininy 186-190 — Al-Baqarah

186وَإِذَا سَأَلَكَ عِبَادِي عَنِّي فَإِنِّي قَرِيبٌ ۖ أُجِيبُ دَعْوَةَ الدَّاعِ إِذَا دَعَانِ ۖ فَلْيَسْتَجِيبُوا لِي وَلْيُؤْمِنُوا بِي لَعَلَّهُمْ يَرْشُدُونَ
Ary raha manontany anao ny Amiko ireo mpanompoko, dia lazao azy ireo ho e: “Tena marina, fa Izaho dia akaiky tokoa, mamaly ny antson’ireo mpitalaho Aho, raha miantso Ahy izy. Koa aoka izy ireny hanaiky sy hino Ahy, mba hizoran’izy ireo amin’ny làlan’ny fahitsiana”.
187أُحِلَّ لَكُمْ لَيْلَةَ الصِّيَامِ الرَّفَثُ إِلَىٰ نِسَائِكُمْ ۚ هُنَّ لِبَاسٌ لَّكُمْ وَأَنتُمْ لِبَاسٌ لَّهُنَّ ۗ عَلِمَ اللَّهُ أَنَّكُمْ كُنتُمْ تَخْتَانُونَ أَنفُسَكُمْ فَتَابَ عَلَيْكُمْ وَعَفَا عَنكُمْ ۖ فَالْآنَ بَاشِرُوهُنَّ وَابْتَغُوا مَا كَتَبَ اللَّهُ لَكُمْ ۚ وَكُلُوا وَاشْرَبُوا حَتَّىٰ يَتَبَيَّنَ لَكُمُ الْخَيْطُ الْأَبْيَضُ مِنَ الْخَيْطِ الْأَسْوَدِ مِنَ الْفَجْرِ ۖ ثُمَّ أَتِمُّوا الصِّيَامَ إِلَى اللَّيْلِ ۚ وَلَا تُبَاشِرُوهُنَّ وَأَنتُمْ عَاكِفُونَ فِي الْمَسَاجِدِ ۗ تِلْكَ حُدُودُ اللَّهِ فَلَا تَقْرَبُوهَا ۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ اللَّهُ آيَاتِهِ لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمْ يَتَّقُونَ
Nomena alàlana handry amin’ireo vehivavy vadinareo ianareo ny alin’ireo andro fifehezana; izy ireny mantsy dia fitafy ho anareo, ary ianareo ihany koa fitafy ho azy ireny. Fantatr’Allah fa ianareo dia namitaka ny tenanareo, kanefa nandray ny fibebahanareo Izy, ary namela ny helokareo. Ankehitriny kosa, dia mahazo mandry amin’ny vadinareo ianareo ary tanteraho ny didy nosoratan’Allah ho anareo, ary aoka ianareo hihinana sy hisotro mandra-pahafahanareo manavaka ny kofehy fotsy amin’ny kofehy mainty aorian’ny maraina mangiran-dratsy (Fajr). Ary dia tontosao ny fifehezana mandrapahatongan’ny alina, ary aoka ianareo tsy handry aminy, mandritra ny fotoana hitokananareo monina ao amin’ny trano fiankohofana (Masjid). Izany no fetra napetrak’Allah ka aza manakaiky azy ianareo (aza ataonareo tsirambina). Toy izany no hampisehoan’Allah ny famantarana avy Aminy, mba hahatonga azy ireo ho vontompinoana.
188وَلَا تَأْكُلُوا أَمْوَالَكُم بَيْنَكُم بِالْبَاطِلِ وَتُدْلُوا بِهَا إِلَى الْحُكَّامِ لِتَأْكُلُوا فَرِيقًا مِّنْ أَمْوَالِ النَّاسِ بِالْإِثْمِ وَأَنتُمْ تَعْلَمُونَ
Ary aza mihinana ny harenanareo samy anareo amin’ny tsy marina ianareo, ary aza entinareo amin’ireo mpitsara izany mba hihinananareo ny sasany amin'ireo harenan’olona amin’ny tsy rariny. kanefa ianareo dia mahafantatra tsara (izany).
189۞ يَسْأَلُونَكَ عَنِ الْأَهِلَّةِ ۖ قُلْ هِيَ مَوَاقِيتُ لِلنَّاسِ وَالْحَجِّ ۗ وَلَيْسَ الْبِرُّ بِأَن تَأْتُوا الْبُيُوتَ مِن ظُهُورِهَا وَلَٰكِنَّ الْبِرَّ مَنِ اتَّقَىٰ ۗ وَأْتُوا الْبُيُوتَ مِنْ أَبْوَابِهَا ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ لَعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ
Manontany anao ny amin’ny tsinam-bolana izy ireo. Ka lazao azy : “Izany dia natao ho famantarana andro ho an’ny olombelona, sy ny andron’ny fivahinianana masina (Hajj)”. Ary tsy midika hatsarana ny fidiranareo ny trano avy ao an-damosiny, fa ny hatsarana dia amin’izay matahotra an'Allah sy miditra ny trano avy eo am-baravarany. Ary aoka ianareo hatahotra an’Allah, mba hahatafita anareo.
190وَقَاتِلُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ الَّذِينَ يُقَاتِلُونَكُمْ وَلَا تَعْتَدُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ لَا يُحِبُّ الْمُعْتَدِينَ
Ary miadia ianareo, amin’ny lalan’i Allah, amin'ireo izay miady aminareo, ary aza mandika lalàna. tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpandika lalàna.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
188Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 188

Surah Al-Baqarah Andininy 188 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary aza mihinana ny harenanareo samy anareo amin’ny tsy marina…

Surah Andininy 188/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 186–190. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers