Al-Baqarah · 66/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
فَجَعَلْنَاهَا نَكَالًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيْهَا وَمَا خَلْفَهَا وَمَوْعِظَةً لِّلْمُتَّقِينَ ۝٦٦
Faja`alnaahaa nakaalal limaa baina yadihaa wa maa khalfahaa wa maw`izatal lilmuttaqeen
📖 Dikany Malagasy
Ka nataonay ho lesona ho an'ireo manodidina azy ireo sy ho an'ireo taranaka aty aoriana izany, ary ho fananarana ho an'ireo manam-pahatahorana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 64-68 — Al-Baqarah

64ثُمَّ تَوَلَّيْتُم مِّن بَعْدِ ذَٰلِكَ ۖ فَلَوْلَا فَضْلُ اللَّهِ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَتُهُ لَكُنتُم مِّنَ الْخَاسِرِينَ
Ary dia nivadika indray ianareo taorian'izany, ka raha tsy ny fahasoavan'i Allah taminareo sy ny indrafony dia efa lasa anisan'ireo maty antoka tokoa ianareo.
65وَلَقَدْ عَلِمْتُمُ الَّذِينَ اعْتَدَوْا مِنكُمْ فِي السَّبْتِ فَقُلْنَا لَهُمْ كُونُوا قِرَدَةً خَاسِئِينَ
Ary efa fantatrareo ny nahazo an'ireo izay nandika fady taminareo ny amin'ny Sabata; ka hoy Izahay tamin'izy ireo hoe : " Manjaria rajako mahatsiravina ianareo ".
66فَجَعَلْنَاهَا نَكَالًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيْهَا وَمَا خَلْفَهَا وَمَوْعِظَةً لِّلْمُتَّقِينَ
Ka nataonay ho lesona ho an'ireo manodidina azy ireo sy ho an'ireo taranaka aty aoriana izany, ary ho fananarana ho an'ireo manam-pahatahorana.
67وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ إِنَّ اللَّهَ يَأْمُرُكُمْ أَن تَذْبَحُوا بَقَرَةً ۖ قَالُوا أَتَتَّخِذُنَا هُزُوًا ۖ قَالَ أَعُوذُ بِاللَّهِ أَنْ أَكُونَ مِنَ الْجَاهِلِينَ
Ary tsarovinareo raha niteny tamin'ny vahoakany i Mpaminany Moussa hoe : " Tena marina fa Allah dia mandidy anareo hanao sorona ombivavy iray ". dia hoy izy ireo hoe : " Raisinao ho vazivazy ve izahay ". dia nilaza izy hoe : " Allah anie hiaro ahy tsy ho anisan'ireo olona tsy mahalala ".
68قَالُوا ادْعُ لَنَا رَبَّكَ يُبَيِّن لَّنَا مَا هِيَ ۚ قَالَ إِنَّهُ يَقُولُ إِنَّهَا بَقَرَةٌ لَّا فَارِضٌ وَلَا بِكْرٌ عَوَانٌ بَيْنَ ذَٰلِكَ ۖ فَافْعَلُوا مَا تُؤْمَرُونَ
Dia niteny izy ireo hoe : " Angataho ny Tomponao mba hanazava aminay hoe tahaka ny ahoana ilay izy (ombivavy) ? dia hoy izy hoe :" Tena marina izao no nolazainy: izy io dia mila ombivavy tsy antitra no tsy kely loatra fa eo anivon'izany ". ka ataovinareo izay nanirahana anareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
66Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 66

Surah Al-Baqarah Andininy 66 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka nataonay ho lesona ho an'ireo manodidina azy ireo sy…

Surah Andininy 66/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 64–68. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers