Iloaran'i Imrana · 144/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
وَمَا مُحَمَّدٌ إِلَّا رَسُولٌ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِهِ الرُّسُلُ ۚ أَفَإِن مَّاتَ أَوْ قُتِلَ انقَلَبْتُمْ عَلَىٰ أَعْقَابِكُمْ ۚ وَمَن يَنقَلِبْ عَلَىٰ عَقِبَيْهِ فَلَن يَضُرَّ اللَّهَ شَيْئًا ۗ وَسَيَجْزِي اللَّهُ الشَّاكِرِينَ ۝١٤٤
Wa maa Muhammadun illaa Rasoolun qad khalat min qablihir Rusul; afa`im maata aw qutilan qalabtum `alaaa a`qaabikum; wa mai yanqalib `alaa aqibihi falai yadurral laaha shai`aa; wa sayajzil laahush shaakireen
📖 Dikany Malagasy
Tsy iza i Mohammadi fa Iraka ihany, efa nandalo teo alohany ireo Iraka maro, raha toa ka maty Izy, na novonoina dia hiverina amin’ny vody tongotrareo (1) ve ianareo? Ary n'iza n'iza miverina amin’ny vodi-tongony, dia tsy hanao ratsy an’i Allah na dia kely aza, ary i Allah dia hanome valisoa ireo izay mpankasitraka.
🎧 Henoy

📜 Andininy 142-146 — Iloaran'i Imrana

142أَمْ حَسِبْتُمْ أَن تَدْخُلُوا الْجَنَّةَ وَلَمَّا يَعْلَمِ اللَّهُ الَّذِينَ جَاهَدُوا مِنكُمْ وَيَعْلَمَ الصَّابِرِينَ
Moa ve mihevitra hiditra ao am-Paradisa Ianareo, ka tsy fantatr’i Allah akory izay niezaka tamin’ny ady sy izay nanam-paharetana Taminareo ?
143وَلَقَدْ كُنتُمْ تَمَنَّوْنَ الْمَوْتَ مِن قَبْلِ أَن تَلْقَوْهُ فَقَدْ رَأَيْتُمُوهُ وَأَنتُمْ تَنظُرُونَ
Ary naniry fahafatesana tokoa Ianareo, talohan’ny niatrehanareo izany. Ka tena hitanareo izany, sady Ianareo mbola eo am-pijerena Azy.
144وَمَا مُحَمَّدٌ إِلَّا رَسُولٌ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِهِ الرُّسُلُ ۚ أَفَإِن مَّاتَ أَوْ قُتِلَ انقَلَبْتُمْ عَلَىٰ أَعْقَابِكُمْ ۚ وَمَن يَنقَلِبْ عَلَىٰ عَقِبَيْهِ فَلَن يَضُرَّ اللَّهَ شَيْئًا ۗ وَسَيَجْزِي اللَّهُ الشَّاكِرِينَ
Tsy iza i Mohammadi fa Iraka ihany, efa nandalo teo alohany ireo Iraka maro, raha toa ka maty Izy, na novonoina dia hiverina amin’ny vody tongotrareo (1) ve ianareo? Ary n'iza n'iza miverina amin’ny vodi-tongony, dia tsy hanao ratsy an’i Allah na dia kely aza, ary i Allah dia hanome valisoa ireo izay mpankasitraka.
145وَمَا كَانَ لِنَفْسٍ أَن تَمُوتَ إِلَّا بِإِذْنِ اللَّهِ كِتَابًا مُّؤَجَّلًا ۗ وَمَن يُرِدْ ثَوَابَ الدُّنْيَا نُؤْتِهِ مِنْهَا وَمَن يُرِدْ ثَوَابَ الْآخِرَةِ نُؤْتِهِ مِنْهَا ۚ وَسَنَجْزِي الشَّاكِرِينَ
Ary tsy misy Olona ho faty, raha tsy alalana avy amin’i Allah, araka izay efa voasoratra tany am-piandohana. Ary izay mila valisoa eto an-tany dia omenay amin’izany Izy, ary izay mila valisoa any an-koatra dia omenay amin’izany koa Izy, ary omenay valisoa ireo mpankasitraka.
146وَكَأَيِّن مِّن نَّبِيٍّ قَاتَلَ مَعَهُ رِبِّيُّونَ كَثِيرٌ فَمَا وَهَنُوا لِمَا أَصَابَهُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَمَا ضَعُفُوا وَمَا اسْتَكَانُوا ۗ وَاللَّهُ يُحِبُّ الصَّابِرِينَ
Ary firifiry tamin’ireo Mpaminany no nanana mpianatra maro, niara-niady Taminy, ka tsy nilefitra izy ireo tamin’izay nanjo azy ireo tamin’ny lalàn’i Allah. Tsy nalemy izy ireo, ary tsy nilavo lefona mihitsy, ary i Allah dia tia ireo manam-paharetana.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
144Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 144

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 144 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy iza i Mohammadi fa Iraka ihany, efa nandalo teo…

Surah Andininy 144/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 142–146. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers