Al-Ahzab · 24/73
Fandikana Fanononana — Al-Ahzab
لِّيَجْزِيَ اللَّهُ الصَّادِقِينَ بِصِدْقِهِمْ وَيُعَذِّبَ الْمُنَافِقِينَ إِن شَاءَ أَوْ يَتُوبَ عَلَيْهِمْ ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا ۝٢٤
Li yajziyal aahus saadiqeena bisidqihim wa yu`azzibal munaafiqeena in shaaa`a aw yatooba `alaihim; innal laaha kaana Ghafoorar Raheemaa
📖 Dikany Malagasy
Mba hanomezan’i Allah ny valisoa ireo mpanao ny marina nohon'ny fahamarinan’izy ireo sy hanafaizan'ireo mpiatsaravelatsihy, na havelany ny helok'izy ireo. Tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 22-26 — Al-Ahzab

22وَلَمَّا رَأَى الْمُؤْمِنُونَ الْأَحْزَابَ قَالُوا هَٰذَا مَا وَعَدَنَا اللَّهُ وَرَسُولُهُ وَصَدَقَ اللَّهُ وَرَسُولُهُ ۚ وَمَا زَادَهُمْ إِلَّا إِيمَانًا وَتَسْلِيمًا
Ary raha nahita ireo antoko (mpiara-dia) ireo mpino, dia niteny izy ireo hoe : “Indro izay nampanantenain’i Allah sy ny Irany anay, ary nilaza ny marina Allah sy ny Irany”. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny finoana sy ny fanoloran-tena tamin’izy ireo izany.
23مِّنَ الْمُؤْمِنِينَ رِجَالٌ صَدَقُوا مَا عَاهَدُوا اللَّهَ عَلَيْهِ ۖ فَمِنْهُم مَّن قَضَىٰ نَحْبَهُ وَمِنْهُم مَّن يَنتَظِرُ ۖ وَمَا بَدَّلُوا تَبْدِيلًا
Misy amin’ireo mpino, lehilahy tokoa izay mijoro amin’ny marina tamin’ny fifanekena tamin’i Allah. Misy amin’izy ireo no nahatanteraka ny tanjony (maritiora), ary misy amin’izy ireo kosa no mbola miandry; ka tsy mba niovaova mihitsy izy ireo (tamin’ny fifanekena),
24لِّيَجْزِيَ اللَّهُ الصَّادِقِينَ بِصِدْقِهِمْ وَيُعَذِّبَ الْمُنَافِقِينَ إِن شَاءَ أَوْ يَتُوبَ عَلَيْهِمْ ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا
Mba hanomezan’i Allah ny valisoa ireo mpanao ny marina nohon'ny fahamarinan’izy ireo sy hanafaizan'ireo mpiatsaravelatsihy, na havelany ny helok'izy ireo. Tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
25وَرَدَّ اللَّهُ الَّذِينَ كَفَرُوا بِغَيْظِهِمْ لَمْ يَنَالُوا خَيْرًا ۚ وَكَفَى اللَّهُ الْمُؤْمِنِينَ الْقِتَالَ ۚ وَكَانَ اللَّهُ قَوِيًّا عَزِيزًا
Ary naverin’i Allah ireo tsy mpino miaraka amin’ny haromotany, ka tsy mba nahazo ny tsara mihitsy izy ireo, ary nafahan’i Allah tamin’ny ady ireo mpino, fa Allah dia Matanjaka sy Tsitoha.
26وَأَنزَلَ الَّذِينَ ظَاهَرُوهُم مِّنْ أَهْلِ الْكِتَابِ مِن صَيَاصِيهِمْ وَقَذَفَ فِي قُلُوبِهِمُ الرُّعْبَ فَرِيقًا تَقْتُلُونَ وَتَأْسِرُونَ فَرِيقًا
Ary dia nampidininy avy eny amin’ny mandany ireo ampahan’ny olon’ny Boky izay nanampy azy ireo, ka natsipiny tao anaty fon’izy ireo ny tahotra; ny andiany tamin’izy ireo dia novonoinareo, ary ny andiany hafa kosa dia nataonareo babo.
Al-AhzabFizahan-takila Koraña
73Andininy
MedinanRevelation
24Andininy

Fandikana — Al-Ahzab 24

Surah Al-Ahzab Andininy 24 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Mba hanomezan’i Allah ny valisoa ireo mpanao ny marina nohon'ny…

Surah Andininy 24/73 — Al-Ahzab الأحزاب (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Ahzab Henoy, Al-Ahzab Fandikana, Al-Ahzab mp3, Al-Ahzab pdf. Andininy 22–26. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers