An-Nisa · 4/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
وَآتُوا النِّسَاءَ صَدُقَاتِهِنَّ نِحْلَةً ۚ فَإِن طِبْنَ لَكُمْ عَن شَيْءٍ مِّنْهُ نَفْسًا فَكُلُوهُ هَنِيئًا مَّرِيئًا ۝٤
Wa aatun nisaaa`a sadu qaatihinna nihlah; fa in tibna lakum `an shai`im minhu nafsan fakuloohu hanee`am mareee`aa
📖 Dikany Malagasy
Ary omeo ny vehivavy am-pitiavana ny Mahr [61] ho azy ireo Fa raha mahafoy an-tsitrapò ny ampahany amin’izany ho Anareo izy ireo, dia aoka Ianareo hihinana izany amim-piadanana sy amin’ny Fo madio.

🎧 Henoy


📜 Andininy 2-6 — Surah An-Nisa

2وَآتُوا الْيَتَامَىٰ أَمْوَالَهُمْ ۖ وَلَا تَتَبَدَّلُوا الْخَبِيثَ بِالطَّيِّبِ ۖ وَلَا تَأْكُلُوا أَمْوَالَهُمْ إِلَىٰ أَمْوَالِكُمْ ۚ إِنَّهُ كَانَ حُوبًا كَبِيرًا
Ary omeo ireo kamboty ny fananan’izy ireo, ary aza ampifanakalozinareo ny ratsy ny tsara, ary aza mihinana ny fananan’izy ireo Ianareo miaraka amin’ny fanananareo. Fa fahotana lehibe tokoa izany.
3وَإِنْ خِفْتُمْ أَلَّا تُقْسِطُوا فِي الْيَتَامَىٰ فَانكِحُوا مَا طَابَ لَكُم مِّنَ النِّسَاءِ مَثْنَىٰ وَثُلَاثَ وَرُبَاعَ ۖ فَإِنْ خِفْتُمْ أَلَّا تَعْدِلُوا فَوَاحِدَةً أَوْ مَا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ ۚ ذَٰلِكَ أَدْنَىٰ أَلَّا تَعُولُوا
Ary raha matahotra ianareo fa tsy havita hanao ny rariny amin’ireo kamboty, dia manambadia izay mahafinaritra Anareo amin’ireo vehivavy Ianareo, roa na telo na efatra. Ka raha matahotra Ianareo, fa tsy ahavita hampifandanja azy ireo, dia iray ihany, na ireo andevo vavy eo am-pelatànanareo. Izany dia mba tsy hanaovanareo ny tsy ara-drariny, (na mba tsy hampavesatra Anareo eo amin’ny andraiki-pianakaviana).
4وَآتُوا النِّسَاءَ صَدُقَاتِهِنَّ نِحْلَةً ۚ فَإِن طِبْنَ لَكُمْ عَن شَيْءٍ مِّنْهُ نَفْسًا فَكُلُوهُ هَنِيئًا مَّرِيئًا
Ary omeo ny vehivavy am-pitiavana ny Mahr [61] ho azy ireo Fa raha mahafoy an-tsitrapò ny ampahany amin’izany ho Anareo izy ireo, dia aoka Ianareo hihinana izany amim-piadanana sy amin’ny Fo madio.
5وَلَا تُؤْتُوا السُّفَهَاءَ أَمْوَالَكُمُ الَّتِي جَعَلَ اللَّهُ لَكُمْ قِيَامًا وَارْزُقُوهُمْ فِيهَا وَاكْسُوهُمْ وَقُولُوا لَهُمْ قَوْلًا مَّعْرُوفًا
Ary aza omena ireo tsy ampy saina [62] ireo fanananareo, izay nataon’i Allah mba ho fivelomanareo. Ary omeo ampahany amin’izany ho anjara sakafon'izy ireo, sy ampitafianareo, ary mitenena amin’izy ireo amim-pahamendrehana Ianareo.
6وَابْتَلُوا الْيَتَامَىٰ حَتَّىٰ إِذَا بَلَغُوا النِّكَاحَ فَإِنْ آنَسْتُم مِّنْهُمْ رُشْدًا فَادْفَعُوا إِلَيْهِمْ أَمْوَالَهُمْ ۖ وَلَا تَأْكُلُوهَا إِسْرَافًا وَبِدَارًا أَن يَكْبَرُوا ۚ وَمَن كَانَ غَنِيًّا فَلْيَسْتَعْفِفْ ۖ وَمَن كَانَ فَقِيرًا فَلْيَأْكُلْ بِالْمَعْرُوفِ ۚ فَإِذَا دَفَعْتُمْ إِلَيْهِمْ أَمْوَالَهُمْ فَأَشْهِدُوا عَلَيْهِمْ ۚ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ حَسِيبًا
Ary tsapao ireo kamboty mandra-pahazoan’izy ireo taonam-panambadiana; ka raha tsikaritrareo amin’izy ireo ny fahamatoran-tsaina, dia atolory azy ireo ny fananan’izy ireo. Ary aza ho haninareo amin’ny fandanindaniam-poana sy fandrobana izany, alohan’ny ahalehibe azy ireo. Ary izay manan-katao, aoka Izy tsy handray amin’izany. Fa izay mahantra kosa, dia aoka Izy hihinana araka izay tokony ho izy. Koa raha hamerina amin’izy ireo ny fananany Inareo dia makà vavolombelona eo anatrehany. Ary ampy ho Mpitsara i Allah.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
4Andininy

Fandikana — An-Nisa 4

Surah An-Nisa Andininy 4 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary omeo ny vehivavy am-pitiavana ny Mahr [61] ho azy…

Surah Andininy 4/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 2–6. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers