Al-Maidah · 7/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
وَاذْكُرُوا نِعْمَةَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ وَمِيثَاقَهُ الَّذِي وَاثَقَكُم بِهِ إِذْ قُلْتُمْ سَمِعْنَا وَأَطَعْنَا ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ ۝٧
Wazkuroo ni`matal laahi `alaikum wa meesaaqahul lazee waasaqakum biheee iz qultum sami`naa wa ata`naa wattaqul laah; innal laaha `aleemum bizaatis sudoor
📖 Dikany Malagasy
Ary tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny fifanekeny izay nankatoavinareo, rehefa niteny ianareo hoe: “Henonay sy ankatoavinay izany”; ka matahora an’I Allah ianareo. Tena marina fa I Allah dia mahalala tanteraka ny ao am-ponareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 5-9 — Al-Maidah

5الْيَوْمَ أُحِلَّ لَكُمُ الطَّيِّبَاتُ ۖ وَطَعَامُ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ حِلٌّ لَّكُمْ وَطَعَامُكُمْ حِلٌّ لَّهُمْ ۖ وَالْمُحْصَنَاتُ مِنَ الْمُؤْمِنَاتِ وَالْمُحْصَنَاتُ مِنَ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ مِن قَبْلِكُمْ إِذَا آتَيْتُمُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ مُحْصِنِينَ غَيْرَ مُسَافِحِينَ وَلَا مُتَّخِذِي أَخْدَانٍ ۗ وَمَن يَكْفُرْ بِالْإِيمَانِ فَقَدْ حَبِطَ عَمَلُهُ وَهُوَ فِي الْآخِرَةِ مِنَ الْخَاسِرِينَ
Androany dia azonareo hohanina daholo ireo sakafo tsara sy madio. Ary ny sakafon’ireo izay nomena ny boky dia azonareo hohanina koa, ary ny sakafonareo dia azon’izy ireo hohanina ihany koa. Ary azonareo atao ny manambady vehivavy madio fitondran-tena amin’ireo mpino silamo, sy ireo vehivavy madio fitondran-tena avy amin’ireo izay nomena ny boky talohanareo, raha nomenareo azy ireo ny vodiondry, eo am-panatanterahana ny vadiana ara-dalàna fa tsy amin’ny fijanganjangana, na amin’ny fisakaizana. Ary na iza na iza mitsipaka ny finoana dia efa foana daholo ny asany, ary izy dia anisan’ny maty antoka amin’ny fiainana any ankoatra.
6يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا قُمْتُمْ إِلَى الصَّلَاةِ فَاغْسِلُوا وُجُوهَكُمْ وَأَيْدِيَكُمْ إِلَى الْمَرَافِقِ وَامْسَحُوا بِرُءُوسِكُمْ وَأَرْجُلَكُمْ إِلَى الْكَعْبَيْنِ ۚ وَإِن كُنتُمْ جُنُبًا فَاطَّهَّرُوا ۚ وَإِن كُنتُم مَّرْضَىٰ أَوْ عَلَىٰ سَفَرٍ أَوْ جَاءَ أَحَدٌ مِّنكُم مِّنَ الْغَائِطِ أَوْ لَامَسْتُمُ النِّسَاءَ فَلَمْ تَجِدُوا مَاءً فَتَيَمَّمُوا صَعِيدًا طَيِّبًا فَامْسَحُوا بِوُجُوهِكُمْ وَأَيْدِيكُم مِّنْهُ ۚ مَا يُرِيدُ اللَّهُ لِيَجْعَلَ عَلَيْكُم مِّنْ حَرَجٍ وَلَٰكِن يُرِيدُ لِيُطَهِّرَكُمْ وَلِيُتِمَّ نِعْمَتَهُ عَلَيْكُمْ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
O ianareo izay nino! Raha mitsangana hanatanteraka ny fivavahana ianareo, dia sasaonareo ny tarehinareo, sy ny tananareo hatreo amin’ny kiho, ary safoy amin’ny tananareo lena ny lohanareo, ary sasao ny tongotrareo hatreo amin’ny kitrokely. Raha manana fahalotoana ianareo dia manaova fidiovana lehibe ianareo, fa raha marary kosa ianareo na anatin’ny dia lava, na miverina avy amin’ny toeram-pivoahana iray, na nikasika vehivavy (nanao firaisana), ka tsy nahita rano dia midiova amin’ny fotaka madio, ka safoinareo ny tarehinareo sy ny tananareo amin’izany. Tsy mitady ny hanahirana anareo I Allah, fa mila hanadio anareo kosa Izy sy handrotsaka ny fahasoavany aminareo, angamba hahay hankasitraka ianareo.
7وَاذْكُرُوا نِعْمَةَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ وَمِيثَاقَهُ الَّذِي وَاثَقَكُم بِهِ إِذْ قُلْتُمْ سَمِعْنَا وَأَطَعْنَا ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ
Ary tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny fifanekeny izay nankatoavinareo, rehefa niteny ianareo hoe: “Henonay sy ankatoavinay izany”; ka matahora an’I Allah ianareo. Tena marina fa I Allah dia mahalala tanteraka ny ao am-ponareo.
8يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُونُوا قَوَّامِينَ لِلَّهِ شُهَدَاءَ بِالْقِسْطِ ۖ وَلَا يَجْرِمَنَّكُمْ شَنَآنُ قَوْمٍ عَلَىٰ أَلَّا تَعْدِلُوا ۚ اعْدِلُوا هُوَ أَقْرَبُ لِلتَّقْوَىٰ ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ خَبِيرٌ بِمَا تَعْمَلُونَ
O ianareo izay nino! Aoka ianareo hijoro am-pahamarinana ho an’I Allah, ary ho vavolombelona amin’ny rariny. Ary aoka ny hatezeranareo amin’ny vahoaka iray tsy hamporisika anareo amin’ny tsy fampiharana ny fahamarinana. Ampiharonareo ny fahamarinana, fa izany no tena akaiky indrindra amin’ny fatahorana an’I Allah. Ary matahora an’I Allah ianareo .Tena marina fa I Allah dia mahafantatra tokoa izay rehetra ataonareo.
9وَعَدَ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ ۙ لَهُم مَّغْفِرَةٌ وَأَجْرٌ عَظِيمٌ
Ary Allah dia nampanantena ireo izay mino sy manao ireo asa soa, fa ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny valin-kasasarana lehibe.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
7Andininy

Fandikana — Al-Maidah 7

Surah Andininy 7/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 5–9. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers