Al-Maidah · 8/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُونُوا قَوَّامِينَ لِلَّهِ شُهَدَاءَ بِالْقِسْطِ ۖ وَلَا يَجْرِمَنَّكُمْ شَنَآنُ قَوْمٍ عَلَىٰ أَلَّا تَعْدِلُوا ۚ اعْدِلُوا هُوَ أَقْرَبُ لِلتَّقْوَىٰ ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ خَبِيرٌ بِمَا تَعْمَلُونَ ۝٨
Yaaa aiyuhal lazeena aamaanoo koonoo qawwaa meena lillaahi shuhadaaa`a bilqist, wa laa yajrimannakum shana aanu qawmin `alaaa allaa ta`diloo; i`diloo; huwa aqrabu littaqwaa wattaqul laah; innal laaha khabeerum bimaa ta`maloon
📖 Dikany Malagasy
O ianareo izay nino! Aoka ianareo hijoro am-pahamarinana ho an’I Allah, ary ho vavolombelona amin’ny rariny. Ary aoka ny hatezeranareo amin’ny vahoaka iray tsy hamporisika anareo amin’ny tsy fampiharana ny fahamarinana. Ampiharonareo ny fahamarinana, fa izany no tena akaiky indrindra amin’ny fatahorana an’I Allah. Ary matahora an’I Allah ianareo .Tena marina fa I Allah dia mahafantatra tokoa izay rehetra ataonareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 6-10 — Al-Maidah

6يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا قُمْتُمْ إِلَى الصَّلَاةِ فَاغْسِلُوا وُجُوهَكُمْ وَأَيْدِيَكُمْ إِلَى الْمَرَافِقِ وَامْسَحُوا بِرُءُوسِكُمْ وَأَرْجُلَكُمْ إِلَى الْكَعْبَيْنِ ۚ وَإِن كُنتُمْ جُنُبًا فَاطَّهَّرُوا ۚ وَإِن كُنتُم مَّرْضَىٰ أَوْ عَلَىٰ سَفَرٍ أَوْ جَاءَ أَحَدٌ مِّنكُم مِّنَ الْغَائِطِ أَوْ لَامَسْتُمُ النِّسَاءَ فَلَمْ تَجِدُوا مَاءً فَتَيَمَّمُوا صَعِيدًا طَيِّبًا فَامْسَحُوا بِوُجُوهِكُمْ وَأَيْدِيكُم مِّنْهُ ۚ مَا يُرِيدُ اللَّهُ لِيَجْعَلَ عَلَيْكُم مِّنْ حَرَجٍ وَلَٰكِن يُرِيدُ لِيُطَهِّرَكُمْ وَلِيُتِمَّ نِعْمَتَهُ عَلَيْكُمْ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
O ianareo izay nino! Raha mitsangana hanatanteraka ny fivavahana ianareo, dia sasaonareo ny tarehinareo, sy ny tananareo hatreo amin’ny kiho, ary safoy amin’ny tananareo lena ny lohanareo, ary sasao ny tongotrareo hatreo amin’ny kitrokely. Raha manana fahalotoana ianareo dia manaova fidiovana lehibe ianareo, fa raha marary kosa ianareo na anatin’ny dia lava, na miverina avy amin’ny toeram-pivoahana iray, na nikasika vehivavy (nanao firaisana), ka tsy nahita rano dia midiova amin’ny fotaka madio, ka safoinareo ny tarehinareo sy ny tananareo amin’izany. Tsy mitady ny hanahirana anareo I Allah, fa mila hanadio anareo kosa Izy sy handrotsaka ny fahasoavany aminareo, angamba hahay hankasitraka ianareo.
7وَاذْكُرُوا نِعْمَةَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ وَمِيثَاقَهُ الَّذِي وَاثَقَكُم بِهِ إِذْ قُلْتُمْ سَمِعْنَا وَأَطَعْنَا ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ
Ary tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny fifanekeny izay nankatoavinareo, rehefa niteny ianareo hoe: “Henonay sy ankatoavinay izany”; ka matahora an’I Allah ianareo. Tena marina fa I Allah dia mahalala tanteraka ny ao am-ponareo.
8يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُونُوا قَوَّامِينَ لِلَّهِ شُهَدَاءَ بِالْقِسْطِ ۖ وَلَا يَجْرِمَنَّكُمْ شَنَآنُ قَوْمٍ عَلَىٰ أَلَّا تَعْدِلُوا ۚ اعْدِلُوا هُوَ أَقْرَبُ لِلتَّقْوَىٰ ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ خَبِيرٌ بِمَا تَعْمَلُونَ
O ianareo izay nino! Aoka ianareo hijoro am-pahamarinana ho an’I Allah, ary ho vavolombelona amin’ny rariny. Ary aoka ny hatezeranareo amin’ny vahoaka iray tsy hamporisika anareo amin’ny tsy fampiharana ny fahamarinana. Ampiharonareo ny fahamarinana, fa izany no tena akaiky indrindra amin’ny fatahorana an’I Allah. Ary matahora an’I Allah ianareo .Tena marina fa I Allah dia mahafantatra tokoa izay rehetra ataonareo.
9وَعَدَ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ ۙ لَهُم مَّغْفِرَةٌ وَأَجْرٌ عَظِيمٌ
Ary Allah dia nampanantena ireo izay mino sy manao ireo asa soa, fa ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny valin-kasasarana lehibe.
10وَالَّذِينَ كَفَرُوا وَكَذَّبُوا بِآيَاتِنَا أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَحِيمِ
Ary ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay, izy ireny no olon’ny afobe.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
8Andininy

Fandikana — Al-Maidah 8

Surah Al-Maidah Andininy 8 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : O ianareo izay nino! Aoka ianareo hijoro am-pahamarinana ho an’I…

Surah Andininy 8/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 6–10. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers