Surah Al-Layl amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Layl miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (21 Andininy — مكية). Al-Layl Henoy, Al-Layl Fandikana, Al-Layl mp3, Al-Layl pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Layl

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy ✓
M Mahmoud Khalil Al-Husary ✓
A Abdurrahman As-Sudais ✓
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi ✓
A Abdul Basit Abdul Samad ✓
A Ali Al-Hudhaify ✓
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy ✓
A Abu Bakr Ash-Shaatree ✓
M Muhammad Ayyoub ✓
A Abdullah Basfar ✓
A Abdullah Al-Juhani ✓
M Maher Al Muaiqly ✓
—
x1
bismillah
وَاللَّيْلِ إِذَا يَغْشَىٰ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Mianiana Aho amin'ny alina mikitroka,
وَالنَّهَارِ إِذَا تَجَلَّىٰ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Amin'ny andro rehefa miposaka mamiratra izy,
وَمَا خَلَقَ الذَّكَرَ وَالْأُنثَىٰ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Amin'ny nahariana ny lahy sy ny vavy.
إِنَّ سَعْيَكُمْ لَشَتَّىٰ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Fa raha ny tena marina, ny asanareo dia samihafa,
فَأَمَّا مَنْ أَعْطَىٰ وَاتَّقَىٰ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ary ho an'ilay malala-tanana sy manam-patahorana an'I Allah.
وَصَدَّقَ بِالْحُسْنَىٰ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary manamarina ny fisian'ny valisoa tsara indrindra.
فَسَنُيَسِّرُهُ لِلْيُسْرَىٰ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ary ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahamorana.
وَأَمَّا مَن بَخِلَ وَاسْتَغْنَىٰ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Fa ho an'ireo izay kahihitra sy miseho ho mahavita tena kosa.
وَكَذَّبَ بِالْحُسْنَىٰ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Ary mandà ny fisian'ny valisoa tsara indrindra,
فَسَنُيَسِّرُهُ لِلْعُسْرَىٰ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Dia ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahasarotana.
وَمَا يُغْنِي عَنْهُ مَالُهُ إِذَا تَرَدَّىٰ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Ary tsy hahavita na inona aminy ny hareny rehefa hatsipy ao anaty Afobe izy.
إِنَّ عَلَيْنَا لَلْهُدَىٰ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Tena adidinay tokoa ny fitarihana.
وَإِنَّ لَنَا لَلْآخِرَةَ وَالْأُولَىٰ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Anay tanteraka ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra.
فَأَنذَرْتُكُمْ نَارًا تَلَظَّىٰ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Noho izany dia efa nampitandremako ilay afo milelalela ianareo.
لَا يَصْلَاهَا إِلَّا الْأَشْقَى ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ka tsy handoro afa-tsy ireo voahozona,
الَّذِي كَذَّبَ وَتَوَلَّىٰ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Dia izay tsy nino sy nandà izany.
وَسَيُجَنَّبُهَا الْأَتْقَى ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Ary hanalavitra izany kosa ny be fahatahorana an'i Tompo Allah.
الَّذِي يُؤْتِي مَالَهُ يَتَزَكَّىٰ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Dia izay manome ny hareny mba hanadiovana ny fanahiny,
وَمَا لِأَحَدٍ عِندَهُ مِن نِّعْمَةٍ تُجْزَىٰ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Ary tsy misy na iza na iza eo anatrehany ka ahazo valim-pahasoavana.
إِلَّا ابْتِغَاءَ وَجْهِ رَبِّهِ الْأَعْلَىٰ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Afa-tsy nohon'ny fikatsahana ny tavan'ny Tompony Avo indrindra irery ihany.
وَلَسَوْفَ يَرْضَىٰ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Eny ! Ho afa-po tsy ho ela izy.
← 91 Al-Layl (92/114) 93 →
Vakio Surah Al-Layl Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

92الليل Al-Layl 📚 21 Andininy مكية



Koraña Masina


Monday, September 28, 2026

Don't forget us in your sincere prayers