Surah Al-Layl pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Layl pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Layl Fandikana. Surah Al-Layl (Meccan) 21 Andininy.
Related
- Surah Al-Layl FandikanaMalagasy
- Surah Al-Layl mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Layl

ﮡﮢﮣﮤ
92:1
Mianiana Aho amin'ny alina mikitroka,
ﮥﮦﮧﮨ
92:2
Amin'ny andro rehefa miposaka mamiratra izy,
ﮩﮪﮫﮬﮭ
92:3
Amin'ny nahariana ny lahy sy ny vavy.
ﮮﮯﮰﮱ
92:4
Fa raha ny tena marina, ny asanareo dia samihafa,
ﯓﯔﯕﯖﯗ
92:5
Ary ho an'ilay malala-tanana sy manam-patahorana an'I Allah.
ﯘﯙﯚ
92:6
Ary manamarina ny fisian'ny valisoa tsara indrindra.
ﯛﯜﯝ
92:7
Ary ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahamorana.
ﯞﯟﯠﯡﯢ
92:8
Fa ho an'ireo izay kahihitra sy miseho ho mahavita tena kosa.
ﯣﯤﯥ
92:9
Ary mandà ny fisian'ny valisoa tsara indrindra,
ﭑﭒﭓ
92:10
Dia ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahasarotana.
ﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
92:11
Ary tsy hahavita na inona aminy ny hareny rehefa hatsipy ao anaty Afobe izy.
ﭛﭜﭝﭞ
92:12
Tena adidinay tokoa ny fitarihana.
ﭟﭠﭡﭢﭣ
92:13
Anay tanteraka ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra.
ﭤﭥﭦﭧ
92:14
Noho izany dia efa nampitandremako ilay afo milelalela ianareo.
ﭨﭩﭪﭫﭬ
92:15
Ka tsy handoro afa-tsy ireo voahozona,
ﭭﭮﭯﭰ
92:16
Dia izay tsy nino sy nandà izany.
ﭱﭲﭳ
92:17
Ary hanalavitra izany kosa ny be fahatahorana an'i Tompo Allah.
ﭴﭵﭶﭷﭸ
92:18
Dia izay manome ny hareny mba hanadiovana ny fanahiny,
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
92:19
Ary tsy misy na iza na iza eo anatrehany ka ahazo valim-pahasoavana.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
92:20
Afa-tsy nohon'ny fikatsahana ny tavan'ny Tompony Avo indrindra irery ihany.
ﮆﮇﮈ
92:21
Eny ! Ho afa-po tsy ho ela izy.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







